FAMPIANARAM-PINOANA

Natolotry ny Filohan’ny FPMA

Rev. Dr Jean A. RAVALITERA

(Fiofanan’ny Filoha sy Mpiandraikitra ara-bola – Paris 21 Mey 2011)

MAMÔNA TSY MARINA ?

 

« Ary hoy Izaho aminareo : Aoka ny mamôna tsy marina ho entinareo mahazo sakaiza, mba horaisin’ireo any amin’ny fiainana mandrakizay ianareo, rehefa lany izany.

Ary izay matoky amin’ny kely indrindra dia mahatoky koa amin’ny be; ary izay tsy marina amin’ny kely indrindra dia tsy marina koa amin’ny be. Koa raha tsy mahatoky amin’ny mamôna tsy marina ianareo, iza no hatoky anareo amin’ny tena harena ? Ary raha tsy mahatoky amin’izay an’olona ianareo, iza no hanome anareo izay anareo? »

Lioka 16, 9-12.

 

Avy amin’ny teny arameana hoe «mämôna», midika hoe « harena » na « tombony » (richesse, profit) ny hoe Mamôna. Ny fakanteny niaviany dia ny teny babyloniana hoe « mimma », midika hoe « na inona na inona » (quoi que ce soit). Misy fototra ifandraisany ihany koa kanefa ny teny hoe « Mamôna » sy ny hoe « Minhah » amin’ny teny hebreo, nadika hoe « fanatitra ». Mampahatsiaro fanomezana atao (cadeau) izany. Ankoatra ny maha-fanomezana azy, ny « minhah » dia natao ampiasaina mba holevonina tsy hisy intsony mihitsy ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra. Nifindra nilazana ny fanatitra odorana io teny io noho izany, ary izay no nadikan’ny frantsay hoe «holocauste », avy amin’ny teny grika « holos »=manontolo, ary « kaios »= mandoro na dorana. Raha ajanona ho rakitra sy tahiry fa tsy ampiasaina, dia ny teny hebreo hoe « Korbann » no nampiasaina. Ny sekely 30 vidin’ny namadihan’i Jodasy an’i Jesoa dia tsy navelan’ny mpisorona hiditra ao amin’ny korbana (Matio 26, 7). Matio sy Lioka ihany no mampiasa ny teny hoe Mamôna ao amin’ny Baiboly manontolo (Matio 6, Lioka 16). Nilazana harena azo avy amin’ny fakana tombony tafahoatra izany ary manjary ifikiran’ny fo.

 

 « Lesona momba ny fanatanterahantsika ny asan’Andriamanitra nankinina tamintsika »

Diso hevitra isika raha mihevitra fa fampianarana mirakitra zava-miafina momba fitondran’Andriamanitra ity lazain’i Lioka ity, na fandroritana fotsiny ihany koa momba ny famindrampon’Andriamanitra. Tena fanambaran’Andriamanitra sy lesona mivantana momba ny fandraisantsika andraikitra amin’ny fanatanterahana ny adidy maha-kristiana antsika ity, ary manazava amintsika fomba hijerena ny fiasantsika eo anatrehan’ny fanatanterahantsika ny asan’Andriamanitra nankinina tamintsika, indrindra ny ara-bola eo amin’ny Fiangonana.

« Mpiasa natao hitantana fotsiny ihany isika »

Zava-dehibe voalohany ampahatsiarovin’ny Tompo dia mpiasa natao hitantana fotsiny ihany [izany no hevitry ny hoe « mpitandrina » eto, (fa tsy « Pasteur » araka ny mahazatra antsika), nadikan’ny frantsav hoe: gérant, intendant, ary ny englisy hoe: Steward] manoloana ny fahasoavana mitobaka arotsak’Andriamanitra ho antsika olombelona. Hoy ilay teolojiana malaza iray, Dr Lighfoot, hoe: « Tahaka ny tranobe iray ity izao tontolo izao misy antsika ity: ny lanitra no tafo, ny kintana no jiro, ny tany sy ny vokatra rehetra eo aminy no toy ny latabatra mivelatra. Ny tompon’ny trano dia Andriamanitra ary manana mpiasa manompo Azy Izy, dia isika olombelona mba hitantana ny ao an-tranony sy handroso ho eo anoloany ny zavatra ilainy. Matoky antsika Izy, kanefa tsy mandefitra kosa amin’ny zavatra tsy ankasitrahany amin’izay mety hataon’ny mpanompony. »

Na dia manana ny fahalemena sy ny fanehoantsika toetra tsy mahatoky (infidèle) aza isika, sady toa manaraoraotra koa matetika hikendry izay hahazoantsika tombony amin’ny fitokisan’Andriamanitra antsika (abus de confiance, profit d’intérêt), ampianarin’ny Tompo isika mba hanana fahendrena ka hahay mampiasa izay ananantsika sy tombony efa azontsika, mba ho amin’ny tsara mamerina ny Azy ka ankasitrahany, sy hahasoa ny hafa manoloana antsika.

« Tsy midika akory fa ankasitrahan’Andriamanitra ny lainga sy ny soloky … »

Tsy tokony horaisina ara-bakiteny ny hevitry ny fanoharana, izany hoe : tsy tokony hisaina akory isika fa na mandainga sy misoloky aza mba hahazoana namana dia mety ankasitrahan’Andriamanitra ihany. Tsy manamarina ny tsi-fahamarinana (malhonnêteté) mihitsy ny Tompo amin’ity fanoharana ity. Fa mampianatra kosa Izy ny tokony hahaizantsika mampandefitra ny fitiavantena sy fahajambana ao anatin’ny « izaho » sy ny «ahy », fa tokony hahay mandini-tena ara-potoana ka hanao tsy ho latsaka noho ny fitadiavan-tombontsoa amin’izao fiainana izao ny fitsinjovana ny fiainana mandrakizay. Anankiray amin’ny lesona lehibe atolotry ny Tompo eto ny fananana fahamalinana (prudence). Ny tahotra nananan’ilay mpitandrina tsy marina ny mety ho famaizana hampiharin’ny Tompony aminy: « Inona ange no hataoko, fa esorin’ny tompoko amin’ny fitandremana ny fananany aho? Ny miasa tany tsy tratry ny aiko; ny mangataka mahamenatra ahy. Fantatro izay hataoko, mba hisy handray ahy ho ao an-tranony, rehefa voaisotra amin’ny fitandremana ny fananana aho » (and. 3-4), dia sarin’ny fahatsiarovantena ho diso aloha, ateraky ny fandinihan-tena, ary azo antoka fa tsy maintsy arahin’ny fahatapahan-kevitra tsy hanao ny tsy marina intsony, ary koa tsy fifikirana amin’ny zava-misy ankehitriny fotsiny fa fibanjinana sy fitsinjovana ny ho avy. Hoy ny anatra amin’ny fahendrentsika malagasy milaza izany toetra izany hoe « aza manjehy ny andro ho lava ».

Fa andeha hohalalinintsika ity fanoharana ity mandra-pahatonga amin’ny andininy mahaliana nofidiana hakana hafatra anio.

« Nisy olona mpanankarena iray nanana mpitandrina ny fananany; ary ilehiny dia nampangain’ ny olona taminy fa mandany ny fananany.» and . 1

Misy karazany roa ny mpiampanga

Noheverin’ilay mpitandrina fa tsy hisy sahy hanao fanamarihana manoloana ny fanatanterahany ny asany. Ny tompony rahateo nahatoky azy ka tsy nanao fitsikerana izay nataony. Kinanjo, nisy niampanga azy tamin’ny tompony fa mandany ny fananany izy. Mahagaga ilay fiampangana, satria tsy voalaza mihitsy fa nihena ny fananan’ny tompony. Iza no mpiampanga? Tsy avy tamin’ireo olona nitrosa tamin’ny tompony mihitsy fa mety ho olona hafa izay akaiky ilay mpitandrina, na mety ho mpanompo hafa nentim-pialonana na nitsiriritra te hahazo ny toerany.

Ny mpanenjika dia matetika tsy ny avy any ivelany fa ny avy ao anatiny ihany. Ny mpiampanga dia misy karazany roa: mety ho izay efa niala nenina nananatra kanefa tsy nohenoina mihitsy na natao tsinontsinona, na mety koa ireo izay mikendry fotsiny ny hahavoa sy hahalavo ilay ampangainy.
Raha ny tokony ho izy sy amim-pahendrena dia tokony ho notenenin’ilay nahita ny tsy mety nataony aloha ilay mpitandrina. Fiala-nenina voalohany atao mba hanitsiana azy izany. Ny fampahafantarana ny tsy mety mitranga any amin’ny tompon’andraikitra manana fahefana dia fialana nenina farany hisorohana ny mety ho fitaran’ny faharatsiana sy tsy fahamarinana, rehefa hita fa tsy misy azo intsony mba hanitsiana ilay ampangaina. Fiampangana tsara fandraisana anjara amin’ny fanehoana ny fahamarinana izany. Fa raha toa kosa fiampangana fitateram-bolana amin’ny manampahefana ambony fotsiny, tsy nialohavan’ny fananarana mialoha, dia manjary tsy fihetsika mikendry hahasoa mihitsy fa asa ratsy ateraky ny fialonana sy tsy fitiavana.
Misy dikany manokana ny filazan’ny Tompo hoe « nampangain’ny olona ». Ny hoe « olona » dia avy amin’ny dikanteny malagasy ihany, milaza tsy mamaritra mivantana ny mpanao ny asa. Midika voalohany izany fa misy mahita ary tsy miombon-kevitra mandrakariva amin’ny mpanao ratsy ny olona akaiky azy, mety ho avy ao anatin’ny fianakaviany akory aza izany « olona » izany. Fa ny mpiampanga ratsy mikendry fahavoazana sy fahalavoana ho an’ny mpanompon’Andriamanitra mandrakariva dia Satana (vakio Apokalypsy 12, 10).Tokony hoeritreretina sy ezahintsika mba tsy hatao mihitsy, fa tena asan’i Satana, ny fanenjehana maimaimpoana ny mpanompon’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanaratsiana azy. Adidy ny mananatra azy amim-pitiavana aloha sy mivavaka ho azy. Fa rehefa tsy laitra anarina izy dia tsara hampahafantarina izay ambaratongam-pahefana mety mbola afaka hiala nenina aminy, ary rehefa mbola mikiry ihany izy dia aleo ny Tompo no hitsara, satria mahalala ny ataony mialoha ny fitsarantsika olombelona Izy. Tsy azon’iza na iza hihodivirana ny fitsaran’Andriamanitra rehefa mihatra izany.
Mialoha ny hiampanganao ny mpanompon’Andriamanitra, manontania sy mandiniha tena tsara raha nahavita nanao ny mety noho izy ianao, ary manam-pitiavana ka miala nenina aminy mampahafantatra azy ny tsy mety ataony aloha. Fa aza mlety ho fitaovana fotsiny na mivarina ho mpiara-miasa amin’i Satana hanimba ny asa.

« Ary nampaka azy izy (ny tompony) ka nanao taminy hoe: Ahoana izao fandrenesako anao izao? Mamoaha ny amin ny fananako; fa tsy mahazo mitandrina ny fananako intsony ianao. » and. 2

Misy fetrany ny fitokisana sy fanomezan’Andriamanitra andraikitra

Mety ho efa nahatsikaritra ny zava-misy mialoha ilay tompom-pananana, ka ny fandrenesany ny fiampangana no toy ny fanairana azy (top) handray ny andraikiny. Azo an-tsaina ny fahadisoam-panantenan’ilay tompom-pananana, satria nanantena zavatra tsara tamin’ilay mpanompo nitokisany izy. Tsy avy hatrany kanefa izy dia nanameloka, fa nitaky fanazavana ary nanome fampitandremana. Tsy ho mandrakizay akory ny fitokisana sy fanomezan’Andriamanitra andraikitra antsika fa misy fetrany, ary mety ho tonga tampoka ny fampiatoana. Saingy mbola miala nenina mandrakariva Andriamanitra ka miteny sy mampiomana ary mitaky fanazavana ny amin’izay nataontsika.

Torina ho an’ny velona mandra-pahafatiny ny Filazantsara. Taomina hibebaka hatrany ny olona rehefa mahatsiaro ny fahadisoany, satria tsy misy miafina eo anatrehan’Andriamanitra ny ratsy rehetra ataontsika, « fa fsy misy afenina izay tsy haseho, no takona izay tsy ho fantatra »Matio 10, 26. Zava-doza raha tsy mahay mibebaka fandrao lany andro sy maty antoka, fa rehefa tonga eo amin’ny tena fitsaran’ny Tompo dia holavin’ny Tompo sy hohelohiny araka ny teniny hoe : « Tsy izay rehetra manao amiko hoe : Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra. Maro no hanao amiko amin’izany andro izany hoe : Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin’ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia tamin’ny anaranao va izahay? ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin’ny anaranao va izahay ? Ary dia hambarako aminy marimarina hoe : Tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay, mialà amiko, ianareo mpanao meloka. »Matio 7, 21-23.

«Ary ilay mpitandrina ny fananana nanao anakampo hoe : Inona ange no hataoko, fa esorin’ny Tompo amin’ny fitandremana ny fananany aho? Ny miasa tany tsy tratry ny aiko; ny mangataka mahamenatra ahy. Fantatro izay hataoko, mba hisy handray ahy ho ao antranony, rehefa voaisotra amin’ny fitandremana ny fananana aho . Dia niantso izay rehetra nitrosa tamin’ny tompony izy hankao aminy… » and. 3-5

Kamo nefa be tetika …

Hita eo ny toetran’ilay mpitandrina: kamo kanefa be tetika, ary be hambom-po ka tsy mahay mandefitra sy manetry tena. Moramora taminy kokoa ny nanambaka ny tompony hahazoan-tombony ho an’ny tenany. Fa mafy aminy kosa ny hangataka na hiasa mafy hahazo ny hanina sahaza ho azy.

Tia fahafinaretana amin’izay hita eto amin’izao tontolo izao, ary mirona amin’ny vahaolana farany izay mora (solution de facilité), fa malaina kosa hanao ezaka mifanaraka amin’ny tokony hatao araka ny naharian’Andriamanitra sy takiany amin’ ny olona.

Tsy vitsy amintsika ny tahaka io mpitandrina tsy marina io eo amin’ny fanaovantsika ny asan’Andriamanitra. Matoky fotsiny ny hita miseho ety ivelany, fa tsy mandinika lalina akory ny voka-dratsin’ny tetika tsy marina atao mba hahazoana tombontsoa ho an’ny tena. Rehefa ny hafa no ampiasaina dia mora kokoa ny mitady tetika hahatongavana amin’ny tanjona, fa rehefa ny tena kosa no hanao ezaka dia malaky migorasy sy mahatsiaro ho tsy mahavita na inona na inona.

« Fantatro izay hataoko”,hoy izy. Sady manan-tsaina sy kinga mandray fanapahan-kevitra fa tsy mba mianahana na lany andro mamisavisa fotsiny izy, no haingam-piasa eo amin’ny fanatanterahana izay tiany hatao.Natao hitondra amin’ny asa ny fananan-tsaina, fa tsy mahasoa raha laniana amin’ny resaka ambony latabatra sy famisavisana lava tsy mitondra na mankaiza na mankaiza.
“Mba hisy handray ahy ho ao an-tranony, rehefa voaisotra amin’ny fitandremana ny fananana aho”: Fantany tsara fa tsy àry ho « tsy mahavaly fitia toa zaza » avokoa akory ny olona rehetra; misy hatrany ny tia tena sy tsy manome lanja ny fanampiana atao aminy (ingrat), fa misy foana kosa ny miandry fotoana hahafahana mamaly izay soa atao aminy.Tsy tokony hahakivy, na dia toa maro aza matetika, ny tsy mahalala ny fanampiana atao aminy, fa tokony ho an-tsaina mandrakariva ny hoe tsy misy mahavita tena na oviana na oviana fa tsy maintsy mifampiraharaha amin’ny hafa foana isika olombelona amin’ny asa ataontsika.

“Ary hoy io: Diloilo injaton’ny famarana. Dia hoy izy taminy koa: inty, raiso ny taratasinao, ary mipetraha faingana, ka dimampolo no soraty… Vary injaton’ny famarana… inty, raiso ny taratasinao, ka valopolo no soraty” and . 6-7

Ny an’ny tompony ihany no naveriny … fa ny tombony saika ho azy  nafoiny …

Maika ery ilay mpitandrina hampanao araka ny tetika vaovao nomaniny: “mipetraha faingana, ka… soraty”.Misy fanehoana faharesen-dahatra sy fisehoana ho hentitra (conviction et fermeté) asehony manoloana ireo manan-trosa tamin’ny tompony. Misy fiantraikany mivantana amin’ny olona izany toetra izany, ary mitera-bokatra hahasoa, na ho an’izay anehoana izany mivantana, na ho an’ny mpiasa maneho azy.

Misy zavatra telo tsara fandinika avy amin’ny fihetsik’ity mpitandrina tsy marina ity :

  • Hita ary fantatra fa misy foana ny fitaka sy fihatsarambelatsihy na dia eo anivon’ny olona ametrahana fitokisana feno aza.
    Mahalana ho an’ny olona ny fahafahana mandravona tsy hisy intsony ny fahadisoana natao, na dia kinga kokoa aza ny olona manarontsarona izany tsy ho hita.
  • Fahakingan’ilay mpitandrina tsy marina ny finiavana hamoy ny tombony tokony ho azy, fa ny hiverenan’ny trosa an’ny tompony no nahamaika azy.
    Nahatsiaro tena izy fa mpanompo sy mpitantana ihany ka ny an’ny tompony no laharam-pahamehana vao ny an’ny tenany. Na dia ho voaroaka aza izy aoriana, mampandry ny eritreriny ny fahatsiarovana fa tafaverina izay tokony ho an’ny tompony araka izay efa nampiandraiketina azy. Etsy andanin’izany dia fantany tsara fa azon’ilay mpitrosa tanterahina tsara izay ampanaovina azy, satria latsaka noho izay tena tokony aloany sy nosamboriny tany aloha : misy fandeferana sy fitsinjovana izay sahirana asehon’ilay mpitandrina tsy marina.
  • Misy zava-misy ihany manahirana ny saintsika voataiza tamin’ny fanarahana ara-bakiteny ny fitsipi-pitondrantena voafaritra (etika), eo amin’ny fitoriana ny Filazantsara sy ny fanaovana ny asan’Andriamanitra ao amin’ny Fiangonana.
    Tsy mora mihitsy akory ny manaiky ho resy lahatra manoloana izay voalazan’ny apostoly Paoly, indrindra raha mitodika be dia be amin’ny tenantsika sy izay heverintsika ho marina sy ara-dalàna ihany isika. Fa hoy ny apostoly hoe : “Ahoana ary no izy, afa-tsy izao? Amin’ny atao rehetra, na amin’ny fihatsarambelatsihy, na aminny marina, dia Kristy no torina, ary mifaly amin’izany aho; eny mbola hifaly ihany aho.” Filipiana 1, 18.
    Ady hevitra sy olana saro-bahana eo amin’ny Fiangonana ny hoe tokony hanao fitadiavam-bola araka ny fanao eto amin’izao tontolo izao ve isika amin’ny hahazoana ny enti-manana amin’ny fampandrosoana ny asan’ny Fiangonana? Efa fanaontsika ny miantso mpanakanto ivelan’ny Fiangonana hanampy antsika. Fa tsy azontsika ialana kosa ny fandinihantena manoloana izany, hoe : ny fahazoam-bola ve no tanjona sa ny fijoroana ho vavolombelona amin’ny fitoriana ny Filazantsara?Mahalasa eritreritra ny tsy fahasahiantsika mandresy lahatra ny mpanakanto mba hiara-miombona amintsika amin’ny fanompoam-pivavahana ho fiderana sy fisaorana an’Andriamanitra aorian’ny fihetsiketsehana atao hahazoam-bola, ary matetika dia isika mihitsy aza no milaza tena ho reraka ka manamaivana sy minia tsy miraharaha ny fiaraha-mivavaka rehefa vita ny fihetsiketsehana ataontsika.

“Ary ny tompony nidera ilay mpitandrina tsy marina, satria nanan-tsaina izy; fa ny zanak’izao tontolo izao dia manan-tsaina kokoa ny amin ny karazany noho ny zanaky ny mazava.” and. 8.

Azo antoka fa nahatezitra ny tompom-pananana ny fahafantarana ny tsy fahamarinan’ny mpanompony, fa nahafaly azy kosa ny fahalalàna ny hakingan-tsainy.

Tsy ny fanaovany hafetsifetsena no nankasitrahan’ny tompom-pananana, fa ny fahaizany nampiasa saina amin’ny tokony ho izy, sady nitsinjo ny vokatry ny asa nampiandraiketina azy, etsy andaniny, no nahay nahatsiaro tena ka nibanjina ny ho aviny manokana koa, tetsy ankilany.

Fantatra fa tsy mora ny mitaky trosa aman’olona, kanefa rehefa misy hakingana sy fahaizana mandresy lahatra ilay ananan-trosa dia azo tratrarina ihany ny tanjona kendrena.

Mampianatra antsika tompon’andraikitra eo amin’ny Fiangonana ny Tompo handinika ny tokony hatao eo amin’ny fitantanana ny fananana sy fanomezam-pahasoavana samihafa nomeny ho antsika olombelona :
  •   Efa mba sahy ve isika nifampiresaka mivantana tamin’ny olona minia tsy manao ny adidiny, ka nampahafantatra azy ireo fa tsy ho antsika akory izany adidy izany fa ho an’Andriamanitra ?
  •   Efa tena mahafantatra ny ilaina marina tokoa ve isika eo amin’ny fitantanana ny fananana nomen’Andriamanitra hotantanantsika, sa manilika ny an’Andriamanitra amin’ny lafiny ara-panahy fotsiny fa tsy mahasahana ny olona manontolo (vatana, saina, fanahy)?
  •   Misy lanjany amintsika ve ny fifandraisana sy fifaneraserana amin’ny samy olombelona (relations humaines), sa manidy tena ao anatin’ny heverina ho ara-panahy fotsiny isika ka manadino ny vavaka nataon’ny Tompo, hoe :”Efa nomeko azy ny teninao; ary halan’izaotontolo izao izy, satria tsy naman’izao tontolo izao, tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao. Izaho tsy mangataka Aminao mba hampiala azy amin’izao tontolo izao, fa ny mba hiaro azy amin’ny ratsy. Tsy naman’izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao. Manamasina azy amin’ny fahamarinana, ny teninao no fahamarinana. Tahaka ny nanirahanao Ahy ho amin’izao tontolo izao no mba nanirahako azy kosa ho amin’izao tontolo izao.”Jaona 17, 14-18.Raha mahay mihatsaravelatsihy ny zanak’izao tontolo izao hahazoany sitraka amintsika, haintsika ve ny mampiseho aminy fa tsy naman’izao tontolo izao isika, kanefa manohy ny asan’Andriamanitra te hamonjy izao tontolo izao ka nahafoy hatramin’ny Zanany aza? Inona no setriny tokony ho takiantsika amin’ny fifaneraserana amin’izao tontolo izao? Sa isika indray no mety ho voatarika hanaraka azy ka tsy hahataona azy hanome voninahitra an’Andriamanitra Tompon’ny zavatra rehetra?

“Ary hoy Izaho aminareo : Aoka ny mamôna tsy marina ho entinareo mahazo sakaiza, mba horaisin’ireo any amin’ny fiainana mandrakizay ianareo, rehefa lany izany. Ary izay matoky amin ny kely indrindra dia mahatoky koa amin’ny be; ary izay tsy marina amin ny kely indrindra dia tsy marina koa amin’ny be. Koa raha tsy mahatoky amin ny mamôna tsy marina ianareo, iza no hatoky anareo amin’ny tena harena? Ary raha tsy mahatoky amin izay an’olona ianareo, iza no hanome anareo izay anareo?” and. 9-17

Mahalasa eritreritra ny tenin’ny Tompo, hoe : “Aoka ny mamôna tsy marina ho entinareo mahazo sakaiza, mba horaisin’ireo any amin’ny fiainana mandrakizay ianareo, rehefa lany izany.”

Inona no fiainana mandrakizay handraisan’ireo sakaiza azo tamin’ny mamôna tsy marina?

Raha nifanandrina tamin’i Jesoa ireo lohan’ny mpisorona sy ny loholona ka nanontany azy ny fahefana anaovany ny asany, dia nanaovan’ny Tompo fanoharana momba ny zanaka roalahy nirahin’ny rainy hiasa any an-tanimboaloboka. Ny lahimatoa nandà, kanefa nandeha ihany tato aoriana, fa ny faralahy kosa nanaiky, kinanjo tsy nandeha akory. Ilay lahimatoa nankato, na dia nandà sy tsy nahazo sitraka teo imason-drainy aza tamin’ny fandavany, fa ilay faralahy kosa tsy niraharaha akory sy tsy nahatana ny toky nomeny, na dia nanaiky sy nankasitrahan’ny rainy imaso aza. Samy ratsy, na ny mandà aloha, na ny manaiky kanefa tsy manao. Fa ratsiratsy kokoa ny tsy manao mihitsy ary mampiseho tsy fankatoavana kanefa mihatsaravelatsihy. Tsy ny fisehoana ho tsara eo ivelany no zava-dehibe, fa ny fankatoavana sy fanaovana ny sitrapon’ilay ray naniraka.

Hoy Jesoa tamin’ireo mpisorona sy loholona, hoe : “Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga efa mialoha anareo ho amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Fa Jaona nankany aminareo tamin’ny làlan’ny fahamarinana, nefa tsy nino azy ianareo; fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga no nino azy; fa i/anareo kosa, na dia efa nahita izany aza, dia mbola tsy nanenina mba hinoanareo azy” Matio 21, 31-32.

Izay tsarainao ho ratsy araka ny fijery ety ivelany, mety ho efa mino sy manao ny sitrapon’Andriamanitra mialoha anao ary manana ny fiainana mandrakizay.

Fampianarana sy anatra omen’ny Tompo izany mba hanomezana lanja kokoa ny fiainam-bavaka (piété) sy fahamarinana (charité), ka amin’izao fiainana izao izay mandalo ihany no tokony hanomanana sahady koa ny fiainana mandrakizay izay itobahan’ny fanomezam-pahasoavana samihafa araka ny Fanahy omen’Andriamanitra antsika.

Ny harena sy ny vola eto amin’izao tontolo izao dia zavatra kely ihany manoloana ny fahasoavana sy ny voninahitra omen’Andriamanitra izay lehibe tokoa : “raha tsy mahatoky amin’ny mamôna tsy marina ianareo, iza no hatoky anareo amin’ny tena harena ?” and. 11.

Ny vola amin-karena izay mamitaka sy mora levona no “mamôna tsy marina”. Diso ny manamaivana ny fitadiavam-bola hanaovana ny asan’Andriamanitra, fa tsy maintsy tsaraina manoloana ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra kanefa ny fanatanterahana izany. “Aza miasa hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay, izay omen’ny Zanak’olona anareo; fa Izy no nasian’Andriamanitra Ray tombokase… Izao no asan’Andriamanitra, dia ny hinoanareo Izay nirahiny” Jaona 6, 27,29 .

Fatiantoka sy tsy mahasoa ny Fiangonana akory eo anatrehan’Andriamanitra ny manan-tahiry be kanefa tsy ampiasaina hanaovana asa ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra. Izay manompo an’Andriamanitra ary manao soa amin’ny harena nomena hotehiriziny, dia tokony hanompo an’Andriamanitra amim-pahendrena sy fahaizana mikendry ny fiadanana sy ny fanomezam-panahy ao amin’ny fiainana mandrakizay.

Izay mitahiry ho azy sy mandevina ny talenta tokana nomena azy dia tsy afaka hanantena na oviana na oviana mba handray tombony talenta dimy toy izay nahay nampiasa ny nomena azy.

Fa hentitra ny tenin’ny Tompo, hoe : “Ary izay matoky amin’ny kely indrindra dia mahatoky koa amin’ny be; ary izay tsy marina amin’ny kely indrindra dia tsy marina koa amin’ny be” and. 10. Irifan’izao tontolo izao fatratra ny manangon-karena, kanefa tsy mitondra soa ho azy akory izany amin’ny farany.

Hoy ny tenin’Andriamanitra araka ny fahendrena ao amin’ny bokin’ny Mpitoriteny, hoe “Fa ny olona izay ankasitrahan’Andriamanifra dia omeny fahendrena sy fahalalana ary fifaliana; fa ny mpanota kosa ampiasainy hanangona sy mamory, mba hisy homeny izay ankasitrahan’Andriamanitra” Mpitoriteny 2,26.

Tokony ho resy lahatra mandrakariva isika fa ny mamôna marina, na ny harena ankasitrahan’Andriamanitra, dia ny finoana Azy no voalohany indrindra, arahin’ny fankatoavana ny teniny sy fanomezam-boninahitra Azy amin’ny zavatra rehetra, ny fanolorantena omban’ny fahatsiarovana fa mpanompo natao hitantana ihany isika fa tsy tompony, kanefa tsy tokony hanao antsirambina fa hahatsiaro mandrakariva fa mbola ampamoahan’Andriamanitra isika ary tsy misy mahalala ny fotoana hahatongavan’izany amintsika tsirairay avy.Tena hiram-pinoana ary hafatra ho antsika ho fijoroana ho vavolombelona ny hiran’i Pasteur Razafimahefa Rainy ao amin’ny Fihiranantsika FFPM lah. 479, hoe : “Vola sy harena be, maro tia tokoa anie; nefa mamiko ny hoe; ahy Jeso : ampy izay, Fahefana, laza soa, mahafatifaty koa; Nefa izao no tena soa : Ahy Jeso: Ampy izay.”

FEHINY

An’Andriamanitra ny zavatra rehetra fa mpitantana fotsiny ihany isika. Ny fiainana mandrakizay no tena sarobidy amintsika sy kendrena fatratra ho azo. Kanefa tsy mijanona amin’ny ara-panahy fotsiny izany fa mitaky fandraisana andraikitra amin’ny maha-olombelona antsika sy nantsoin’Andriamanitra hiasa eo anivon’ny Fiangonany.

Ahoana moa no hahafahantsika manantena fa omen’Andriamanitra harena am-panahy isika raha toa ka tsy mahay mitantana amin’ny tokony ho izy ny harena omeny antsika eto amin’izao tontolo izao izay tsy antsika akory fa nomena hotehirizintsika ihany?

Tokony horaisintsika, tsy ho toy ny zava-kanto fotsiny ihany ka hiraina imolotra fa tsy mipaka amin’ny fo, fa misy hafatra lehibe sy araka ny tenin’Andriamanitra tokoa, ary fiainana ho antsika ilay hiran’i Henri Ratsimbazafy fanaon’ny AMF hoe : “Vola, fahaizana, hery sy izay rehetra ampiasaiko, Anao ireny fa indramiko.”

  • Asan’ny Fiangonana ny fanangonam-bola hanaovana ny raharaha.
    Ny fanolorantena no fanatitra velona takian’Andriamanitra amintsika voalohany indrindra. Misy izay tsy maintsy vonoina ao amin’ny tenantsika (vakio Kolosiana 3, 5), fa misy kosa izay tokony hovelomina (vakio II Korintiana 4, 16 ; 5, 15).
  • Ny asa fitoriana ny Filazantsara dia fanaovam-panatitra ho an’Andriamanitra, ka na ny mpitory (Filipiana 2, 17) na ny itoriana (Romana 15, 16) dia samy fanatitra amin’izany.
  •  Ny asa sy ny fanomezana vokatry ny finoana sy ny fibebahana marina eo anatrehan’Andriamanitra dia porofoin’ny fitiiavana amin’ny fanomezana amim-pifaliana ho an’Andriamanitra araka izay azo atao.Ny vola omena dia mariky ny zoto sy ny fitiavana ihany. Ny Fiangonana misy vahoakan’Andriamanitra malaina amin’ny fanaovana adidy ara-bola dia maneho fa tsy ampy finoana ao, tsy ampy fitiavana an’Andriamanitra sy zoto hanompo an’Andriamanitra. Mila fitaizam-panahy mitohy sy fiainam-bavaka maharitra hanova izany. Aoka anefa tsy ho vato misakana ny fanolorantena ny tsy fahampiana ara-bola, fa na hery, na fahasalamana, na saina, na zotom-po, ampian’ny fananana hafa mety ho hita maso ka azo atolotra toy ny vokatry ny tany, fitafiana, zava-pihinana, sns. dia samy mahasoa sy ilain’ny Fiangonana avokoa.
  •  Mora ny mitady kokoa vola amin’ny fomba samihafa, kanefa aoka hozarina ny Fiangonana hanao ho zava-dehibe hatrany ny fanatitra (rakitra) ataony isan’Alahady na amin’ny fotoana hivavahana, sy ny fandraisany anjara mivantana amin’ny fanomezana sy fanaovana adidy mba ho be sy hanampy tokoa amin’ny asa aman’adidin’ny Fiangonana.

HO AN’ANDRIAMANITRA IRERY IHANY ANIE NY VONINAHITRA!
PARIS, 21 Mey 2011
–    © Rev. Dr Jean A. RAVALITERA –

share

Recommended Posts