FAMPIANARANA – PROJET D’EGLISE

HO FANASITRANANA IZAO TONTOLO IZAO – POUR LA GUERISON DU MONDE

Soritr’Asam-Piangonana FPMA – Projet d’Eglise de la FPMA

Traduction libre de l’intervention du Dr Péri RASOLONDRAIBE
Président d’honneur de la FPMA lors du
Camp de formation des cadres de la FPMA
Troyes 2004

1/ Ainga (Défi)

« Ny fanasitranana izao tontolo izao dia isan’ny misiona na iraka ampanaovin’ny Tompo ny Fiangonana »

La guérison du monde est une mission de l’Eglise (cf. Apocalypse 22 : 2)

 Ny lohahevitra hoe : ”Ho fanasitranana izao tontolo izao” dia nalaina avy tamin’ny fanevan’ny Fivoriamben’ny Fiombonan’ny Fiangonana Loterana Eran-tany na ny LWF, natao tany Winnipeg, Canada, tamin’ny Jolay 2003. Nanana solontena roa nanatrika izany Fivoriambe na Assemblée izany isika FPMA. Ny Soratra Masina nanatsoahana izany faneva izany dia ny Apokalypsy 22 : 2 “… ary ny ravin’ny hazo dia ho fanasitranana ny firenena maro”

Ny bokin’ny Apokalypsy dia maneho fa ny hazon’aina izay mitondra fanasitranana ny raviny dia naniry teo amoron’ny onin’ny ranon’aina, izay mivoaka avy amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry.
Ny tian’ny faminaniana hambara dia izao: ao amin’ny ony miboiboika avy amin’ny Zanak’ondry, Ilay fanati-pitiavana, amin’ny RANY, amin’ny Fanahiny, no misokatra ho an’ny olona indray ny làlana mankeo amin’ny hazon’aina, izay nosakanan’ny anjely tsy ho azon’ny olona hatonina, araka ny Genesisy (3:24). Manana fanantenana hiombona amin’ny hoavin’Andriamanitra ny olombelona noho ny amin’I Kristy.

C’est Christ qui guérit – Il envoie son Eglise pour guérir

Kristy no manasitrana. Izy no Tompon’ny fanasitranana ary Izy no maniraka ny Fiangonana hanasitrana. Mat 10:1, 8: “Sitrano ny marary”. Mar 16:18: “Hametra-tànana amin’ny marary izy dia ho sitrana ireo”. Asa 4:30 : “Amin’ny aninjiranao ny tànanao hanasitrana ny marary”. Ny fanasitranana izao tontolo izao dia isan’ny misiona na iraka ampanaovin’ny Tompo ny Fiangonana satria momba ny maha-izy azy ny Fiangonana ny manasitrana.

2/ Fanasitranana sy Famonjena – guérison et Salut

Ny Fiangonana dia irahin’ny Tompo hitory ny Filazantsaram-pamonjena sy hanasitrana. Izy tenany koa nanao izany. Ny fanjakan’Andriamanitra izay nambarany fa akaiky dia mitondra fanasitranana ho an’ny olona sy ny fiaraha-monina.

Inona no atao hoe “fanasitranana” ary ahoana no ifandraisan’izany amin’ny famonjena?
Fanontaniana apetraky ny olona izany satria misy tokoa ny kristiana mino sy matoky ny herimpanasitranan’ Andriamanitra nefa tsy sitrana amin’ny aretiny izy mandrapahafatiny.
A. Teo amin’ny Testamenta Taloha :  fahasitranana amin’ny aretina = famonjena

 

Selon l’ancien Testament : guérison = Salut

… ny finoan’ny zanak’Isiraely dia nanao fa ny fahotana –tsy fahitsiana eo anatrehan’ Andriamanitra, dia toy ny aretina izay mikiky ao anaty; izay mety hiseho ho hitamaso amin’ny endrik’aretina tokoa. Tsy miandry any amin’ny fiainan-tsi-hita (Hades) ny sazin’ny ota fa miseho eto amin’ity fiainana ity toy ny fahavoazana samihafa.
Arak’izany ny fahasitranana amin’ny aretina dia mariky ny famindram-po sy famonjen’Andriamanitra.
Noho izany , teo amin’ny Isiraely, ny fahasitranana sy famonjena dia iray ihany. Jeremia (17:14): “Jehovah ô, sitrano aho, dia ho sitrana; vonjeo aho, dia ho voavonjy”. Ny fampiasana symétrie amin’ny endrim-pitenenana eto dia mampivoitra ny fitovian’ny fanasitranana sy famonjena.
B. Amin’ny Testamenta Vaovao – Selon le Nouveau Testament
… anefa dia misy fiavahany ny famonjena sy ny fanasitranana amin’ny aretina.

Misy ny « afak’aretina » fa « tsy sitrana » … misy koa ny « sitrana » nefa « tsy afak’aretina »

Soigné n’implique pas forcément Guéri et vice-versa

 a) Voatsabo (ara-nofo) = afak’aretina

 « Famerenana amin’ny toerany teo aloha ny toe-pahasalamana izay simba – tsy misy zava-baovao » 

Guérison au sens protologique : remise de l’état de santé à son état initial (i.e) avant la maladie – Elle n’apporte rien de nouveau

Voalohany, efa misy fahasamihafana amin’ny hoe “afak’aretina” na voatsabo sy ny hoe nahazo fanasitranana. Ao amin’ny Testamenta Vaovao dia misy olona afak’aretina nefa tsy sitrana. Ohatra ireo boka sivy lahy araka ny Lioka (17: 15-19). Misy indray kosa izay tsy afak’aretina nefa sitrana. Ohatra i Paoly apostoly nangataka tamin’ny Tompo mba hesorina ny tsilo tao amin’ny nofony. Tsy afaka izany tsilo izany sy ny fanaintanana momba azy saingy hoy ny Tompo taminy: “Ampy ho anao ny fahasoavako, fa ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena” (II Kor. 12: 7-9). Nahazo fanasitranana izy na dia tsy afak’aretina aza.

Ny hoe voatsabo ka afak’aretina dia famerenana ny toe-pahasalamana izay simba teo aloha. Fotokevitra “protologique” no miasa amin’izany. Araka izany fijery miverina any ampiandohana izany (protos= voalohany) dia tsy misy zava-baovao mitranga fa famerenana amin’ny laoniny ny toe-javatra.

b) Sitrana (ara-panahy) = voavonjy

« Mitondra fanovam-panavaozana – Famonjena »

Guérison au sens eschatologique (apporte une transformation – une vie nouvelle et abondante) = Salut

Ny hoe fanasitranana kosa dia fitondrana fiainam-baovao sy be dia be ho an’ny olona. Fotokevitra “eschatologique” no miasa amin’izany. Ny “eschaton” dia ilazana izay hiseho any amparany. Amin’ny resaka fanasitranana, ny fiainana any amin’ny “eschaton” no abosesik’ Andriamanitra aty amin’ny ankehitriny. Ny fiainana be dia be ao amin’ny onin’ny ranon’aina avy amin’i Kristy no atolotr’ Andriamanitra amin’ny fanasitranana. Mitondra fanovam-panavaozana (transformation) izany fanasitranana izany.

Arak’izany fijery eschatologique izany dia mitovy ny fanasitranana sy famonjena.

Les 9 lépreux dans Luc 17 : 15-19 avaient reçu une guérison protologique et non eschatologique (seul le samaritain avait reçu les deux guérisons !)

Paul (l’apôtre) avait reçu une guérison eschatologique et non protologique (II Cor 12 : 7-9)

D. Ny Fiangonana dia irahin’i Kristy Lohan’ny Fiangonana ... ho amin’ny itsaboana hahafaka aretina sy ho amin’ny fanasitranana

Christ envoie son Eglise pour les deux formes de guérison : enlever les maladies et sauver

Samy efa nanomezan’ny Tompo fahefana ny Fiangonany avokoa ireo iraka roa ireo (Mat.10:1). Miaina amin’ny atao hoe “Teolojian’ny hazo fijaliana” ny Fiangonana, ka miombona amin’ny fangirifirian’ny olona–toa an’i Kristy (Jereo Marka 1:40 –44, Nota: ny matoan-teny Grika “splanka”, izany hoe “miontana ny tsinay” no nadika amin’ny teny Malagasy hoe “onena”).
Miombona amin’ny maha-izy azy ny Fiangonan’i Kristy ny fanasitranana sy ny fitsaboana ny marary.

3/ Ny sehatry ny Fanasitranana/fitsaboana – Domaines de la guérison

Inona no mila fanasitranana/fitsaboana ?
A. Ny olona tsirairay– L’ individu
Mila fitsaboana ny olona amin’ny ara-batana (ohatra ny VIH/SIDA), ny ara-tsaina (olona voan’ny fahaverezantsaina, depression), ara-pifandraisana (relations), ara-pihetseham-po (émotions). Ny Fiangonana manontolo dia tokony hanana anjara amin’ny famerenana ny fahasalaman’ny olona amin’ny laoniny.
Mila fanasitranana koa ny olona –dia ny fiombonany aina sy fanahy amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy izany ka iainany sahady ankehitriny ny tena fiainana izay miafina ao amin’i Kristy ka haseho amin’ny fahafenoany amin’ny fisehoan’i Kristy–amin’ny “Eschaton” (Kol.3:3). Ny Tenin’ Andriamanitra sy ny Sakramenta no mampisy izany fanasitranana izany sy mampivelatra azy hanenika ny fiainana manontolo.

… guérir par la prière …

Ny ifandraisan’ireo roa ireo (Fitsaboana sy fanasitranana), araka ny Soratra Masina, dia ny fampiasan’ny Fiangonana ny fanomezam-pahasoavana hanasitrana amin’ny alalan’ny vavaka. Ambaran’ny Soratra Masina mazava manerana ny Testamenta Vaovao izany fanasitranana izany, izay azo antsoina koa hoe “fanasitranan’ny apostoly”. Ny FPMA dia efa notsidihin’ny Fanahy amin’ny fanasitranana amin’ny alalan’ny vavaka. Maro ny olona izay mamonjy fotoam-pifohazana no vavolombelona midera an’Andriamanitra ny amin’izany asam-panasitranany izany.


« … Tsy voatery hiaraka mandrakariva ny fanasitranana sy ny fahafahan’ny aretina … »

… La guérison est une prérogative divine …

Tsara ho fantarina anefa fa tsy voatery hiaraka mandrakariva ny fanasitranana sy ny fahafahan’ny aretina.
Tsy ny tsy fahampian’ny finoan’ny olona na ny tsy fahampian’ny finoan’ny mametra-tànana no tsy isehoan’ ny fahafahan’ny aretina avy hatrany eo amin’ny olona ametrahan-tànana fa miankina amin’ny fotoanan’ Andriamanitra izany. Andriamanitra no manafaka ny aretina ka Izy ihany no mametra ny fotoana hisehoan’izany, na ho eo no ho eo na miandalandalana (Mar. 8:22-26).

Ny fanasitranana kosa anefa dia omen’ Andriamanitra ny olona na dia tsy miseho avy hatrany aza ny fahafahan’aretina
. Indraindray amin’ny tranga sasany, ny fahasitranana dia miseho amin’ny alalan’ny fahafatesana mahasambatra ao amin’ny Tompo.
B. Ny aretin’ny fiaraha-monina – La société
Mitondra ratra maharitra sy aretiny lalim-paka ny fiarahamonina noho ny adim-pahefana, famorian-karena, fanavakavahana, herisetra sy tsy firaharahana misy eto amin’izao tontolo izao.
Amin’izao taonjato iainantsika izao dia mbola raikitapisaka eo amin’ny vahoaka ny takaitra navelan’ny fanjanahantany, ny ady ideolojika, ny fanavakavahana ara-bolokoditra sy ara-pihaviana, ny fandripahana foko (genocide).

« … Ilain’ny fiarahamonina ny hisian’ ny fanasitranana ny fahatsiarovana … »

… guérison de la mémoire …

Maro ny olona sy antokon’olona ary firenena manontolo izay mbola mitondra ny henatry ny lasa ka simbain’izany ny fiainany ankehitriny.

Ilain’ny fiarahamonina ny hisian’ ny fanasitranana ny fahatsiarovana (guérison de la mémoire). Kendrena amin’izany ny hanaisotra ny heloka tafalatsaka lalina (interiorisée) sy ny henatry ny lasa ka mitady izay làlana vaovao hiarahana miasa hanorenana sy hanatsarana ny hoavy. Inona no azon’ny Fiangonana atao amin’izany? Ahoana no hirosoany amin’ny advocacy (fanohanana sy fisoloam-bava izay iharam-pahavoazana toy izany) ?Ohatra iray.
Tany Australie, isika LWF dia nampifanatona ny Loterana fotsy hoditra sy ny teratany (Aborigènes) ka niantso ny andaniny hifona noho ny tsy rariny (injustice) nataony tamin’ny teratany. Natao ampahibemaso vory vahoaka izany fifonana izany. Ny ankilany kosa dia nantsoina mba hamela heloka ny andaniny.
Ilain’ny Fiangonana ny haneho am-pahibemaso izany fiekena ny fahadisoana teo amin’ny lasa izany sy hamafa izany amin’ny fifamelàna. Fa na dia samy miara-miasa eo amin’ny Fiangonana aza ny taranaky ny mpanjanaka sy ny voazanaka dia samy mbola mitondra ny ratra lalina sy henatry ny lasa ihany. Asa moa na efa nisy fifamelana sy fifampihavanana teo amin’ny Protestanta Frantsay sy Malagasy?
D. Ny Fiangonana koa dia mila fitsaboana sy fanasitrananaL’Eglise
Manana aretina maro koa ny Fiangonana. Inona avy ireo ?
a) Fisaratsarahana sy fitsitokotokoana – Divisions
Aretina ratsy mahazo sampam-piangonana (dénominations) izany nefa mahazo ny Tafo koa. Nanimba ny asa misionan’ny Fiangonana, dia ny fijoroany ho vavolombelona, ny fisaratsarahana. Mamono ny aim-panahin’ny mino koa ny fitsitokotokoana ao amin’ny tafo.
Tsy tarihin’ny Fanahy ny Fiangonana anjakan’ny fisaratsarahana sy ny fitsitokotokoana (Gal. 5:1626). Mila firaisana ao anaty fifankatiavana ny Fiangonana.
b) Fihoronana amin’ny tena – Refus d’ouverture
Mitombo isa ny Fiangonana sy Tafo izay mihevitra ny antompisiany ho fanatevenana ny ao anatiny fotsiny ihany. “Fiangonan’ny mpianakavy” na “Fiangonan-drazana” ka tsy misaina afatsy izay hampifalifaly izay ao amin’ny Fiangonana ihany. Isaina ho naman’ny vakodrazana ny fiainam-piangonana. Mila miroso maherivaika amin’ny asa-misiona ny Fiangonana.
d) Fireharehana amin’ny fananany sy ny fahefana eo aminyAbus d’autorité sur les richesses (pécuniaire et matérielle)
Miha mahazo laka amin’ny Fiangonan-dehibe sy manankarena ny fireharehana amin’ny fananany (ara-bola sy ara-pitaovana) ka ampiharany fahefana amin’ny Fiangonana madinika. Tonga fakam-panahy ratsy eo ampelatanan’ny Fiangonana ny harena samihafa omen’ Andriamanitra hampiasaina amin’ny misiona. Mazàna dia fotokevitra araka ny tsena fampiasan’ny ONG no entin’ny Fiangonana sasany mandrefy ny fanampiana ataony ho an’ny Fiangonana madinika. Mila ny fitarihan’ny Fanahy Masina ny Fiangonana.
e) Lany solika – Manque de vie spirituelle

Mitombo isa ny Fiangonana sy Tafo efa lany solika fitaiza ka tsy misy aim-panahy intsony. Efa toy ny maty ny Fiangonana. Ao ireo izay vitsy dia vitsy ny mpiangona nefa ny trano fiangonana miezinezina. Ao ireo izay maro olona ihany nefa dia tsy manana aim-panahy ary tsy fantatra intsony izay tena antompisian’ny Fiangonana. Tafiditra any amin’ny aty fon’ny Fiangonana ny “secularisme”. Mila fanavaozana avy amin’ny famelombeloman’ny Fanahy sy ny Tenin’ Andriamanitra ny Fiangonana.

« … Ny foto-pizian’ny Fiangonana dia ny hiombon-dalana amin’ny Missio Dei (Misionan’Andriamanitra). Ny fanasitranana dia ivonjotra amin’izany misiona izany … »

Ahoana no hisian’ny fanasitranana ao amin’ny Fiangonana –tsy hoe “tsabo” ihany fa tena fiainam-baovao? Ny foto-pizian’ny Fiangonana dia ny hiombon-dalana amin’ny Missio Dei (Misionan’Andriamanitra). Ny fanasitranana dia ivonjotra amin’izany misiona izany. Mila fibebahana ny Fiangonana raha tsy izany dia hafindran’ny Tompo ny fanaovan-jirony ka hitoetra ao amin’ny aizina izy raha tsy mibebeka (Apok 2 –3).Afaka manao izany ve ny Fiangonana ?

E. Ny “mpanasitrana maratra” (The wounded healer)
Ny Tompo no tondroina amin’izany araka ny Isaia (53: 4-6), “Ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika”. Izy ilay mpanasitrana maratra na noratraina no miantso ny Fiangonana hoe: Manaraha Ahy!

« … amin’ny fahalemeny no anirahan’ny Tompo ny Fiangonana … »

 » C’est l’Eglise avec ses faiblesses et ses imperfections que le Seigneur envoie guérir le monde  » 

Toy izany koa ny Fiangonana; amin’ny fahalemeny no anirahan’ny Tompo azy mba hiankinany amin’ny herin’Andriamanitra ao amin’i Kristy. Tsy tanteraka fa manana aretina maro ny Fiangonana nefa irahin’ny Tompony izy na dia izany aza. Ny fiekeny ny tsifahatanterahany sy ny fanekeny ho tarihin’ny Fanahy Masina no ahafahany hijoro ho vavolombelona sy hitondra fanasitranana eto amin’izao tontolo izao. Amin’ny finoana dia miseho ho mpanasitrana marary ihany koa ny Fiangonana. Eo ampamitany ny irak’i Kristy no ahazoany fanasitranana sy iainany feno amin’ny famonjena efa noraisiny.

Dr Péri RASOLONDRAIBE
Président d’honneur de la FPMA
Troyes 2004

share

Recommended Posts