FAMPIANARANA
FAMPIANARANA HO AN’NY VAHOAKAN’ANDRIAMANITRA
NY FIANGONANA SY IZAY TOKONY HO TOETRY NY FANAOVAN’NY MPIKAMBANA REHETRA AO AMINY NY ADIDY MBA HO ENTI-MANANA NY FAMPANDEHANAN-DRAHARAHA AO ANATINY.
Pour une Éthique des œuvres dans l’Église
FITARIHANA

Jean A. RAVALITERA, Mpitandrina, Docteur en Théologie, Pasitera Synodaly, Filohan’ny FPMA
Tsy azoazoko loatra fony tany aloha, rehefa manatrika fanompoam-pivavahana ao am-piangonana, ny mahita ny olona milahatra mandeha manodidina manatitra ny rakitra eny anoloana. «Sady mandany fotoana, no manelingelina koa ny fahitana ny olona sasany toa mampidera fitafy sy haingo mandritra izany fotoana izany», hoy ny eritreritro. Tafaresaka tamin’ny mpitandrina raiamandreny lehibe iray aho ka nanontany azy ny tsy mbola hanafoanana io fomba io. «Efa nitovy hevitra taminao mihitsy aho, hoy izy, kanefa rehefa nandinika lalina aho dia izao no tsaroako : hadisoan-kevitra ny misaina hoe hahabe kokoa ny fanomezana ataon’ny olona ny fanaovana io rakitra manodidina io (toy ny fanerena azy an-kolaka hanome mba tsy ho azon-kenatra raha mijanona eny an-toerana fa tsy mandroso) ; fa fampianarana nataoko ary tiako ho tsaroan’ny olona rehefa manatitra rakitra izy ireo, dia ny hoe «tsy mba mangataka Andriamanitra, fa ianao no mandray anjara amin’ny asany rehefa resy lahatra fa te hiara-miasa aminao Izy».
Nahalasa eritreritra ahy lalina ny fampahatsiarovany hoe : «te hiara miasa aminao Andriamanitra».
Fa angaha tokoa tsy vitan’Andriamanitra irery ny asany? Izy no nahary ny zavatra rehetra, ary Izy no mandrotsaka feno sy mampitobaka ny fahasoavany ho antsika olombelona. «Ary Andriamanitra mahay mampitombo ny fahasoavana rehetra aminareo, mba hananareo ny onony rehetra mandrakariva amin’ny zavatra rehetra, ka hitombo amin’ny asa tsara rehetra… Ary Izay manome voa ho an’ny mpamafy sy mofo hohanina dia hanome sy hahabe ny voa afafinareo ary hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo, dia hanan-karena amin’ny zavatra rehetra ianareo ka handroso amin’ny hitsim-po, izay mahatonga ny fisaoranay an’Andriamanitra», hoy ny apostoly Paoly tamin’ny Korintiana, raha namporisika azy ireo handray anjara tamin’ny famoriam-bola ho an’ny kristiana malahelo tany Jodia izy (II Korintiana 8. 8, 10).
Tena fahasoavana arotsak’Andriamanitra ho an’ny Kristiana tokoa ny hahafahany manome avy amin’izay nomena azy mba hanatanterahany ny fanompoana an’Andriamanitra.
«Maimaimpoana ny fahasoavan’Andriamanitra, fa mila ny ho enti-manana azy kosa ny Fiangonana» (La grâce de Dieu est gratuite, mais l’Église a un coût), hoy ny teny hitantsika matetika eo am-baravaran’ny ankamaroan’ny trano Fiangonana miray amin’ny ERF izay mampiantrano antsika FPMA. Napetraka ho fanentanana ny vahoaka kristiana handrotsaka adidy mba ho enti-manana ny asan’ny Fiangonana izany : na ho fikojakojana ny trano fiangonana, na ho adidy iombonana arotsaka amin’ny Faritany sy ny Foibe ho fampandehanan-draharaha sy ho fivelomana ho an’ny mpiasam-piangonana matihanina. Raha vao miteny hoe «Fiangonana» isika dia tsy ny trano iangonana ihany, tsy ny fikambanan’ny olona eo an-toerana tonga hiara-mivavaka fotsiny ihany koa (congrégation locale) no ao an-tsaina amin’izany, fa voafaoka ao anatin’io teny io : na ny trano iangonana, na ny mpiara-mivavaka eo an-toerana, fa indrindra koa ny Fiombonan’ny kristiana mpiara-mivavaka miray ao anatin’ny Rafitra iray (Église institutionalisée), sy ny Fivondronan’ny Fiangonana samy kristiana manaiky hiara-miasa sy hifanome tanana (Fédération d’Églises), ary ny Fiangonana kristiana rehetra eran-tany (Église Universelle).
Misy ny olona sasany diso fihevitra fa hoe tsy tokony hanao adidy ao am-piangonana (afa-tsy izay tokony ho enti-manana ny eo an-toerana ihany). Azo lazaina ihany fa fitiavan-tena no fototra iaingan’izany, satria tsy mijery afa-tsy izay hahazoana tombontsoa ho an’ny tena fotsiny izay misaina toy izany, ary tsy mahafantatra mihitsy ny atao hoe Fiangonana.
Fa tsy azo hamaivanina ihany kosa kanefa izao : Tsy ampy faharisihana ny olona manao adidy, satria etsy andaniny, sady tsy misy fitaizana lalim-paka ara-panahy momba izany matetika fa miainga avy amin’ny zava-misy sy ny takian’ny eo noho eo ihany ny famaritana ny fanaovana adidy ao am-piangonana, no etsy ankilany kosa indray, tsy fantatry ny olona mihitsy matetika ny fampiasana ny adidy arotsany, fa mijanona amin’ny resaka ankapobeny fotsiny ny fampahalalana azy. Raha tsorina, dia tsy ampy ny mangarahara eo amin’ny fiainam-piangonana, fa indraindray mijanona, na iniavina ajanona, eo amin’ny mpitarika fotsiny ny fampitam-baovao. Tena mandreraka ny maro koa ny resa-bola toa tsy misy farany.
Marina aloha, tsy azo lavina mihitsy, fa matetika maka toerana be eo amin’ny fandinihan-draharaha amin’ny fiangonana ny resaka ara-bola, ary manorisory ny fitakiana matetika fandraisana anjara avy amin’ny vahoaka kristiana. Tsy azo lavina mihitsy koa, etsy andanin’izany, fa indraindray tsy mazava araka ny tokony ho izy ny fitantanana ary voalaza etsy ambony fa tsy fantatry ny olona tsara ny anton’ny hampiasana ny vola angonina (na dia misy aza ny Teti-bola izay alefa mialoha, fa tsy raisin’ny olona ho tena zava-dehibe ny fanadihadiana tokony hiarahan’ny maro momba izany).
Fa misy koa, kanefa, ny olona sasany, ireo efa tsy marisika mihitsy hanao adidy ara-bola, na ho an’ny raharaha eo an-toerana na ho an’ny fiombonana, miseho ho mahalala ary mandray an-tendrony fotsiny ny teny ao amin’ny Soratra Masina. Tanisainy ara-bakiteny, tsy asiany fandalinana mihitsy, ho entiny manamarin-tena amin’izany, ny hoe : «Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy Mamôna (harena) ianareo» (Matio 6. 24) sy ny hoe : «Ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra» (I Timoty 6. 10). Tena fampiasana ny Soratra Masina hivaona tsy hilaza ny tiany ambara izany, koa mila fampianarana mazava tsara mba tsy hahatonga antsika ho fitaovana ampiasain’ny fahavalo hanimba ny asan’Andriamanitra.
Misy fototra efatra lehibe (quatre principes fondamentaux), sady ara-pinoana no ara-tSoratra Masina no ara-piaraha-monina koa (théologique, biblique et sociologique), tokony hijerena ny fanatanterahana ny adidy ary entina mitaiza ny vahoakan’Andriamanitra mba hananany faharisihana (motivation) hanao adidy.
Ireto avy ireto fototra efatra ireo :
1) Fahatsiarovantena ho “mpiray volo” sy mpikambana feno no fototra voalohany (Principe d’appartenance);
2) Fahatsiarovana ny fananana fahafahana, no fototra faharoa (Principe de liberté);
3) Fanehoana fiaraha-mientana sy fifanampiana no fototra fahatelo (Principe de solidarité) ;
4) Fahatsiarovantena handray andraikitra no fototra fahefatra (Principe de responsabilité).
Raha hazavaintsika tsotsotra sy atao an-tsary tsotra miainga avy amin’ny zava-misy efa mahazatra antsika eo anivon’ny fiaraha-monina misy antsika, mba ho mora andraisana azy, mialoha ny handalinana azy, ireo fototra efatra ireo, dia toy izao : Raha vao miditra ao anatin’ny fikambanana iray ianao (mpanao fanatanjahantena, ohatra) dia angatahina mba handoa latsakemboka isam-bolana na isan-taona (cotisation).
Ny fandoavana izany latsakemboka ifanarahana izany no marika hahatsiarovan-tena fa tena mpiray volo sy mpikambana ao tokoa ny tena (principe d’appartenance). Raha hazavaina tsara fa ilaina mba handoavana ny sarany amin’ny fanatanterahana ny fihetsiketsehana rehetra hataon’ny fikambanana io latsakemboka io, ary satria ny asa rehetra dia mendrika hahazo ny tambiny, dia ampahafantarina koa fa ao anatin’izany dia tokony handoavana saran-dalana sy tambim-pahasasarana ny mpanazatra ny ekipa. Fanazavana ilaina izany, mba hampitana amin’ny olona ny fahatsiarovana fandraisana andraikitra (principe de responsabilité). Sendra tojo fahasahiranana ny namana mpiaraka ao anatin’ilay fikambanana fa nisy fahoriana nahazo azy indray andro.
Namangy ny fianakaviana ny mpikambana rehetra, ary nanolotra marika kely fandraisana anjara mba hanampiana ilay namana tojo fahasahiranana. Fiaraha-mientana sy fifanampiana izany (principe de solidarité). Mety ho efa voafaritra mialoha ny latsakembona aloa ao anatin’ny fikambanana, kanefa samy nanao araka ny nahimpony ny mpikambana tsirairay nandoa, tsy ho an’ny fanampiana io namana io fotsiny, (satria mety ho efa nifanarahana tany aloha ao anatin’ny fitsipiky ny fikambanana ny momba ny fanampiana hatao amin’ny toe-javatra mitranga tahaka izany), fa amin’ny fitsinjovana mihitsy koa ny asa rehetra miandry ny fikambanana ka tsy maintsy hanaovana fandaniana. Fanehoana ny fananana fahafahana izany (principe de liberté). Misy tokoa mety hanome mihoatra noho ny latsakemboka efa nifanarahana, noho ny fahatsapany ny tena hilana vola ho enti-mampandeha ny raharahan’ny fikambanana.
Fa misy kosa ny sahirana, kanefa tena te hijanona ao anatin’ny fikambanana ihany izy na tsy afa-manoatra firy noho ny fananany : zara aza, efa zava-dehibe tokoa, rehefa mba miezaka mafy izy dia tsy mahavita afatsy izay efa nifanarahana ihany. Tsy misy fifanomezan-tsiny fa marina sy rariny izany. Ny manao mihoatra ny tokony aloany mba hahafahana mitsinjo ny hafa naman’ny tena ao anaty fikambanana izay tsy afa-manoatra, dia sady maneho fahafahana no fiaraha-mientana koa, araka ny Soratra Masina hoe :«mifampitondrà izay mahavesatra, ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalàn’i Kristy» Galatiana 6. 2. Fampianarana ny amin’ny tokony hananana fandeferana sy fahari-po eo anatrehan’ny namana (tolérance et charité) io, sady mamporisika koa amin’ny fanomezan-danja ny fiombonana (communion et solidarité).
Ny fiainan’ny Fiangonana, hatramin’ny fiangonan’ny Zanak’Israely, araka ny Testamenta Taloha sy nandritra ny Fiangonana voalohany, araka ny hita ao amin’ny Testamenta Vaovao, ary koa nandritra ny tantaran’ny Fiangonana nifandimby voarakitry ny tantara, dia teo foana ireo fototra efatra voalaza ireo. Fa mety miova kely kosa isaky ny fisehoany ny endriny.
Marihina tsara fa isan’ny mahatonga ny fanenjehana ny «sekta» sasany ankehitriny : ny fanaraoraotan’ny mpitarika azy ireo, izay mitaky «fandraisana anjara be dia be ho enti-manana avy amin’ny olona azony hanaraka azy», aty aoriana, na dia mody notambatambazany teo am-boalohany aza ireo olona ireo fa hahazo tombontsoa ka tsy ho tahaka ny hitany tany amin’ny fiangonana nisy azy taloha ny fandoavany adidy rehefa hanaraka azy izy ireo. Fantatsika fa fomban’ny sekta mandrakariva ny «manjono am-bovo» (prosélytisme) manaraoraotra matetika izay hitany fa mety manohina ny fon’ny olona taominy hanaraka azy.
Tany aloha, teo amin’ny Zanak’Israely, dia nisy ny fandoavana fahafolon-karena (dîme) ho enti-manao ny asam-piangonana. Abrahama no voalaza ao amin’ny baiboly ho nanome voalohany ny fahafolon-karena.
Rehefa tafaverina avy niady tamin’ireo mpanjaka namabo an’i Lota zana-drahalahiny izy, ka nandresy azy ireo ary nitondra babo, dia natolony an’i Melkizedeka mpanjakan’i Salema, izay mpisoron’Andriamanitra Avo indrindra koa, ny ampahafolon’ny zavatra rehetra azony (Genesisy 14. 20). Fihetsika maneho ny fanekeny an’i Melkizedeka mpisorona ho ambony kokoa noho ny tenany, manana fifandraisana bebe kokoa eo anatrehan’Andriamanitra izany, ka ny fanomezany ho azy dia tahaka ny fanomezana ho an’Andriamanitra amin’ny alalany. Tao anatin’ny lalàna teo amin’ny Zanak’Isiraely taty aoriana, notakiana ny fandoavana ny fahafolon-karena ho an’ny Levita (Nomery 18. 21-24). Ny epistily ho an’ny Hebreo dia mamelabelatra bebe kokoa izany fihetsik’i Abrahama izany, sady manampy fampitahana sy fanazavana momba ny fanao izay manolotra ny fahafolon-karena ho an’ny mpisorona teo amin’ny Zanak’Isiraely (Hebreo 7. 4-10).
Notohizan’ny antokom-pinoana kristiana sasany mandraka ankehitriny izany fomba fanao manolotra fahafolon-karena izany. Tahaka ny tamin’ny andron’ny Zanak’Isiraely dia enti-manana ny fampandehanandraharaha ao am-piangonana izany, fa indrindra ny fandoavana ny fiveloman’ny mpitondra fiangonana.
Tamin’ny andron’ny Emperora romana Constantin izay nanao ny fivahanana kristiana ho fivavahampanjakana (taonjato faha-4), dia nandidy ny vahoakany ny amin’ny fandoavana ny fahafolon-karena, efa fanao koa teo amin’ny fivavahana tamin’ny sampy, hanjary ho tsy maintsy adidy atao ho an’ny Fiangonana izy. Ny Emperora Charlemagne indray, tamin’ny taona 779 sy 794 dia nametraka izany ho lalàna, ka tonga tahaka ny hetram-panjakana tsy maintsy naloa io. Ny firenena kristiana rehetra taty Eoraopa dia saika nanaraka izany avokoa nandritra ny taona maro. Mandraka ankehitriny dia mbola mitohy ny fanatanterahana izany, amin’ny endriny hoe «impôt ecclésiastique» any Allemagne. Ny fanjakana frantsay moa dia nandrava io lalàna io tamin’ny Révolution tamin’ny taona 1789, ary nofoanana tanteraka ilay hetra tamin’ny taona 1792. Fa satria nenti-nanana ny asam-piangonana izany, fa indrindra ny fandoavana ny fiveloman’ny mpitondra fiangonana, dia natokana tao amin’ny tetibolam-panjakana mihitsy, tao anatin’ny fifanekena nataon’ny Emperora Napoléon I sy ny Fiangonana (Concordat), ny fandoavana ny karaman’ny mpitondra fiangonana izay tahaka ny mpiasam-panjakana ihany.
Ny lalàna momba ny «Fanasarahana ny asam-piangonana sy ny asam-panjakana» (Loi sur la Séparation de l’Église et de l’État) tamin’ny taona 1905 no nanafoana tanteraka taty Frantsa io fandraisan’ny fanjakana anjara amin’ny asam-piangonana io, (afa-tsy amin’ny faritra Alsace-Moselle izay tsy tao anatin’ny firenena frantsay teo amin’ny fotoana nivoahan’ny lalàna, ka mbola manohy manana sata manokana mandraka ankehitriny).
Fanontaniana manitikitika ny saintsika ny hoe : Nahoana no «fahafolon-karena» ihany, fa tsy mety ho isan-jato hafa ve ny kajy famerana ny fanome ?
Ny valiny tsotra, dia satria efa fanao tamin’izany fotoana izany io, fa i Abrahama dia tsy nanao afa-tsy ny nanaraka fotsiny ny fomba. Ny «fahafolo» manko dia mora ampiharina kokoa (pratika) teo amin’ny fanisana sy ny fizarana, satria ny rantsan-tanana ihany no nampiasaina, koa rehefa voaisa ny sivy eo aloha dia avana ny fahafolo atokana ho fanomezana.
Iarahan’ny rehetra mahalala fa mila fananana ny Fiangonana ho enti-manao ny raharahany. Io fandraisana anjara io no manjary mariky ny maha-mpikambana. Nanjary nisy Fiangonana mamaritra sy mametra mihitsy aza, ho antoky ny fandraisana anjara ho an’ny olona ao am-piangonana (batisa, mariazy, fandevenana), avy amin’ny alalan’ny fanatanterahan’ny tsirairay ny adidiny. Tonga tahaka ny lalàna ilay fandraisana anjara noho izany.
Fa tsy azo tanana ara-bakiteny ny fandrotsahana ny «fahafolon-karena», na dia misy fototra iaingana aratSoratra Masina aza izany. Ny zava-dehibe dia ny fahatsiarovantenan’ny tsirairay sy ny fahavitrihany hanefa izay tokony hataony, araka ny anatra nataon’ny apostoly Paoly momba ny fanajana ny Rafitra misy, na arapanjakana na ara-pikambanana, na ara-piangonana, hoe : «Mandoava amin’izy rehetra araka izay tokony ho azy avy : vola hetra ho an’izay tokony handoavan-ketra, fadin-tseranana ho an’izay tokony handoavana fadin-tseranana, tahotra ho an’izay tokony hatahorana, haja ho an’izay tokony hohajaina. Aza avela hisy tsy voaloa na amin’iza na amin’iza, afa-tsy ny fifankatiavanareo ihany ; fa izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalàna.» Romana 13. 7-8 . Fahadisoan’ny ankamaroan’ny protestanta fatra-pandala ny «fahalalahana» (libéralisme) kanefa hatrany am-boalohany ny be famaritra ara-poto-kevitra momba ny tsy tokony hisian’ny fameperana ny adidy ataon’ny tsirairay, kanefa tsy ampy fandresen-dahatra ny vahoakan’Andriamanitra handray andraikitra feno, koa nanjary niteraka fahalemena sy tsy fahampiana mandrakariva eo amin’ny fananan’ny Fiangonana ny ho enti-manana ny raharahany izany.
Fa andeha hiverenantsika hohalalinina amin’izay ireo fototra efatra voalaza etsy aloha.
- NY FANAOVANA ADIDY DIA MARIKY NY FIROTSAHANA HO MPIKAMBANA FENO (PRINCIPE D’APPARTENANCE)
Ara-tSoratra Masina, ao amin’ny Testamenta Taloha teo amin’ny Fiangonan’ny Zanak’Israely, ny fanomezana am-pahany amin’ny fiveloman’ny tena ho an’ny mpisorona izay «mpanompon’Andriamanitra» dia midika ho fandraisana anjara amin’ny fanaovana fanatitra ho an’Andriamanitra ho fanehoampankasitrahana noho ny soa noraisina avy Aminy. Mitsinjara ho maromaro ireo fandraisana anjara naloa ho an’ny fiangonana ireo, araka ny Eksodosy 33. 13-16, Levitikosy 27. 30-32, Nomery 18. 20-28, Deoteronomia 12. 17-19 ; 14. 22-29. Ara-poto-kevitra dia tahaka izany koa no fanorenana ny adidy ao amin’ny Fiangonana Kristiana. Tsara homarihina kanefa, fa tsy ny fandoavana ny fahafolon-karena no mahatonga ho isan’ny vahoakan’Andriamanitra. Fa satria mahatsiaro tena ho vahoakan’Andriamanitra Abrahama, na Mosesy, na ny Zanak’Israely, dia mandoa izany «adidy» izany izy. Ny maha-mpikambana no mialoha ny fandoavana adidy. Ny fahendren’ny razantsika malagasy dia mitovy amin’izany, fa hoy izy hoe : «ny adidy tsy an’olondratsy» Enti-misoroka ny mety ho fivilian-kevitra ampidirin’ny sasany izany, ka hoe satria manao adidy be izy dia manjary afaka mifehy ny Fiangonana.
Ny Fiangonana Katolika Romana dia mamporisika ireo mpikambana tsirairay tena mirotsaka (membres engagés) ao aminy mba handoa ny antsoina hoe «denier de culte», vaoafaritra ho ankevitry ny karama indroa andro isan-taona (deux jours de salaire par an); ary ireo mpikambana tsotra dia amporisihina handoa fanatitra tokony ho ankevitry ny 2 euros isan’Alahady. Mazava ho azy fa ny olona tena resy lahatra ihany mandrakariva no manefa izany, na dia misy aza ny fanentanana atao isaky ny fanaovana «laretirety» (fiofanana tarihin’ny pretra). Misy ny pretra sasany tany aloha izay tsy nanaiky mihitsy ny hanao fanompoam-pivavahana na asa pastoraly manokana ho an’ny olona (batemy, mariazy, fandevenana) raha tsy fantany fa efa voaloa io «adidy» io.
Any Madagasikara, eo anivon’ny fiangonana FJKM sasany, dia misy manao toy izany koa ny mpitandrina sasany ka manontany ny fanefan’ny mpiangona ao aminy ny «adidiny», mialoha ny hanaovana asa pastoraly ho azy. Hatramin’ny «zanaka am-pielezana» dia fantarina ny fanaovany adidy fanampiana ny fiangonana any an-tanindrazana niaviany, vao ekena ny fanaovana batisa na mariazy na fandevenana ho an’ny fianakaviany.
Tena tsy mety mihitsy ny mametraka Fitsipika henjana momba ny fanaovana adidy, ary tsy azo sakanana tsy hahatonga fisainana fa «vidin’ny fahasoavana» raisina ao am-piangonana raha toa ka atsangana izany fitsipika izany. Kanefa kosa, eo amin’ny lafiny fitaizana dia mety ihany ny mampahatsiaro fa tena mariky ny fahatsiarovantena ho mpikambana feno eo amin’ny Fiangonana ny fanaovana adidy.
Izany rahateo no nahatonga ny fampidirana ao anaty rafitra ny antsointsika efa mahazatra ankehitriny hoe «adidin’ny mpandray ny Fanasan’ny Tompo». Fantatra manko, ary voasoratra ao amin’ny Lalàna Fototra (Statuts), fa ny mpandray ny Fanasan’ny Tompo no mpikambana manapa-kevitra eo amin’ny raharahampiangonana.
Ao amin’ny Testamenta Vaovao, Jesoa Kristy dia tsy namaha mihitsy ny Fitsipika nisy tamin’ny androny momba ny fandoavana adidy ao am-piangonana. Hitantsika milaza izany ny Matio 17. 24-27. Ny marihina avy amin’ny resaka nifanaovan’ny Tompo sy Petera, araka io voalazan’i Matio io, ny eo ambanin’ny lalàna dia tsy maintsy manefa «trosa» ho adidiny, araka ny lalàna, fa ny mpianatry ny Tompo eo ambany fahasoavana kosa, efa tonga zanak’Andriamanitra amin’ny alalany, dia tsy tokony hahatsiaro tena ho voatery mihitsy fa hanao izany amin’ny hafaliam-po sy ny fitiavana. Paoly apostoly, raha nanoratra ho an’ny Korintiana momba ny fanampiana ny kristiana sahirana tany Jodia, dia nanentana azy ireo mba haka ohatra amin’ny nataon’ny Fiangonana tany Makedonia (II Korintiana 8-9). Miverimberina ao anatin’ny fampianaran’ny apostoly ny hoe «fahasoavana». Ao anatin’izany fahasoavana izany ny fahatsiarovantena ho mpiara-miombona (esprit d’appartenance), ka tsy nanaiky mihitsy ny tsy handray anjara adidy tandrifiny azy ny Fiangonana tany Makedonia. Lazain’ny apostoly eo am-panombohana ny fampianarany ho an’ny Korintiana «ny fahasoavan’Andriamanitra izay nomena tao amin’ny fiangonana any Makedonia». Io fahasoavana io dia ny fahatsiarovantena ho miray amin’ny Tompo, manahaka ny Tompo eo amin’ny ataony, satria «Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa ; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin’ny Ray», hoy ny Tompo.
Fa hoy ny apostoly milaza momba azy ireo, hoe : «fa tamin’ny fahoriana be nizahan-toetra azy no nitomboan’ny hafaliany, ary ny hamafin’ny fahantrany no nampitombo ny haren’ny hitsim-pony. Koa vavolombelona aho fa araka ny zakany, eny, mihoatra noho ny zakany aza, sady araka ny sitrapony ihany, no nanomezany, sady nangataka mafy taminay koa izy mba avelanay hikambana amin’izany fanompoana ho an’ny olona masina izany; ary tsy araka ny nantenainay, fa ny tenany no natolony ho an’ny Tompo aloha, dia vao ho anay koa noho ny sitrapon’Andriamanitra… ». Fanahafana an’i Jesoa Kristy tonga nofo ny fanaovana adidy noho ny fahatsiarovantena ho mpiombona Aminy, fa hoy ihany ny apostoly hoe : «Fa fantatrareo ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika, fa na dia nanan-karena aza Izy, dia tonga malahelo noho ny aminareo, mba hampanan-karena anareo ny alahelony».
Ny mpaminany Malakia dia manazava fa tsy afaka manefa araka ny tokony ho izy ny andraikitra nomena azy ireo olona manompo ao amin’ny Fiangonana, raha toa ka tsy tanterahin’ny vahoakan’Andriamanitra tsara sy araka ny tokony hataony ny fandraisana anjara tokony haloany ho an’ny asan’ny Fiangonana. Tandremana tsara, mba tsy hahadiso hevitra, indrindra raha mandray ara-bakiteny fotsiny izay voasoratra momba izany ao amin’ny Malakia 3. 8-10, soritana manokana ny eo amin’ny and. 10, fa tsy mampanantena fitahiana arapananana ho an’ny tena (bénédiction matérielle) akory izay voalaza eo. Misy manko ny mihevitra, ary vavaka diso fandre matetika ataon’ny sasany ao am-piangonana izany, fa rehefa manome izy dia «ampitomboin’Andriamanitra avo folo heny, avo zato heny, ny fananany mba ho tambiny». Fa mampieritreritra kosa ny and. 9 manao hoe: «Voaozona amin’ny ozona ianareo, nefa Izaho no robainareo…».
Fandrobana an’Andriamanitra ny fampahoriana ny mpanompon’Andriamanitra, satria tsy mamela azy ireo hanao tsara ny asan’Andriamanitra. Rehefa omena fahavitrihana hanao ny andraikiny ny mpanompon’Andriamanitra (motivation) amin’ny fanomezana azy tsara ny tokony ho zony, dia ho tsara kokoa ny fanatanterahany ny asany, fa ny fitahian’Andriamanitra dia arotsany ho an’izay mangataka aminy amin’ny fo madio sy mahitsy tokoa. «Fa ny fiasan’ny fivavaky ny marina dia mater indrindra», hoy Jakoba.
Moa tsy mbola marina mandraka ankehitriny eo amin’ny fiainan’ny Fiangonana koa va izay lazain’ny mpaminany Malakia ? Aiza ny fahatsiarovantenan’ny kristiana ho miombona marina amin’ny fanompoana an’Andriamanitra ? Tsy mampalahelo antsika ve raha mbola misy foana ny mpanompon’Andriamanitra mahatsiaro tena ho sahirana ka tsy afaka manao tsara ny andraikiny, na dia manam-paniriana tsara aza ?
Tsara hovakiana matetika sy hosaintsainintsika kristiana lalina, ny voasoratra ao amin’ny Jakoba 1. 2-27, sy ny Kolosiana 3. 16-17, 23-24 mampianatra antsika ny tokony hatao amin’ny fahatsiarovantena ho mpikambana feno amin’ny Fiangonana Tenan’i Kristy, ary Kristy no Lohany sy Tompony.
- NY FANAOVANA ADIDY DIA MARIKY NY FAHATSIAROVANA FANANANA FAHAFAHANA (PRINCIPE DE LIBERTÉ)
Tsy vitsy ny kristiana manontany, na manao fanamarihana hoe : «Tsy tokony hatao Fitsipika momba ny fanaovana adidy ao am-piangonana mihitsy ve ny fandoavana ny fahafolon-karena ?», na avy ao amin’ireo vondrona «évangelique» efa manao izany, na avy ao anatin’ireo Fiangonan-dehibe «historiques» (Katolika Romana, Ortôdôksa, Loterana, Réformés, Anglikana). Ny teny milaza fototra ara-tSoratra Masina (fondement biblique) momba io fandoavana fahafolon-karena io kanefa dia saika ao amin’ny Testamenta Taloha avokoa.
Ny teny vitsivitsy sasany mba hahitana filazana izany ao amin’ny Testamenta vaovao dia momba ireo jiosy mpivavaka fatratra, fa indrindra ireo fariseo izay fatra-panaja izay voasoratra ao amin’ny Lalàna (jereo Matio 23. 23, ohatra). Ara-tantara kanefa, teo amin’ny Zanak’Isiraely, raha tsy teo ambany fanapahan’ny firenenkafa izy ireo fa nahaleo tena, dia toy ny hetra tsy maintsy naloa teo amin’ny fiainan’ny fiaraha-monina nifamatotra tamin’ny fiainam-pivavahana mihitsy izany ; fa rehefa teo ambany fahefan’ny firenen-kafa izay nitaky hetra hafa tsy maintsy naloa teo amin’ny fanjakana izy ireo, dia voatery nianto-tena teo amin’ny raharahany ny Fiangonana, ka nandoa hetra amboniny, na nampiasa io fanao io.
Teo amin’ny Fiangonana voalohany tamin’ny andron’ireo apostoly sy ny mpianatr’izy ireo mivantana, satria maro ny kristiana kokoa ny kristiana jiosy, dia nandoa ny fahafolon-karena ho an’ny fivavahana jiosy izy ireo, no sady nandoa koa izay mety ho foiny ho an’ny Fiangonana kristiana (Barnabasy, ohatra, dia Levita ka nandray fivelomana tamin’ny naha-Levita azy). Ireo jiosy izay voaroaka tao amin’ny synagoga rehefa tonga kristiana, sy ireo kristiana tsy mba jiosy, dia tsy voatery ho nandoa ny fahafolon-karena fa afaka nanao araka izay heveriny fa tokony aloany ho an’ny Fiangonana ihany. Izany no tsy ahitantsika mihitsy famporisihana momba ny fandoavana ny fahafolon-karena ao amin’ny Testamenta vaovao, na ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly na any amin’ireo Epistily samihafa.
Hoy ny apostoly Paoly hoe : «Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian’ny fony avy, tsy amin’ny alahelo, na amin’ny faneriterena ; fa „ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’Andriamanitra”».
Ampiasaintsika matetika io andalan-tSoratra Masina io mba ho fanentanana, na amin’ny fanaovam-bokatra ao am-piangonana, na eo am-panombohana ny fanatazan-drakitra mandritra ny fanompoam-pivavahana.
Nambaran’ny apostoly kanefa izany teny izany teo am-boalohany tamin’ny fanangonana fanampiana ho an’ny kristiana tany Jodia tratry ny mosary (Asan’ny apostoly 11. 29). Fitsinjovana ny fiainan’ny olona no tanjona tamin’izany (but humanitaire). Azo ampiharina ihany koa izany ankehitriny amin’ny fanaovana asa fanampiana sahanin’ny Fiangonana (diaconie).
«Araka izay inian’ny fony avy», sy hoe koa «manome amin’ny fifaliana» : manoritra mazava tsara ny fototry ny fahatsiarovana fananana fahafahana ireo (principe de liberté) ireo teny ireo. Azo lazaina mihitsy aza fa mari-pana (thermomètre) na toy ny famantarana ny toetr’andro (baromètre) eo amin’ny fiainana sy ny finoan’ny olona tsirairay avy ny risi-pony hanefa ny anjara adidiny. Fahita matetika ny fisian’ny kristiana sasany mahalala tsara ny anton’ny adidy andrasana aminy, kanefa minia tsy manefa mihitsy izy rehefa misy tsy mahafaly azy eo amin’ny fiainam-piangonana na eo amin’ireo mpitarika. Ny tombambidin’ny fanomezana foin’ny olona ho an’ny asan’Andriamanitra ao am-piangonana dia azo itarafana ihany koa ny lanjan’ny fiainam-panahiny asehony amin’ny fanolorantenany sy ny fitokisany feno amin’Andriamanitra (indicateur du niveau spirituel). Manazava izany tsara ny fideran’ny Tompo Jesoa Kristy ilay mpitondrantena nandatsaka farantsakely roa tao amin’ny tempoly (Lioka 21. 1-4). Tsy tokony ho raisina ara-bakiteny ho fanamarinana ny tsy fanomezana ho rakitra afa-tsy vola madinika kanefa io. Ny nideran’ny Tompo ilay mpitondrantena dia ny fahafaham-pony nanolotra izay rehetra nananany mihitsy.
Manamafy io foto-kevitra momba ny fahafahana sy fahafoizan-tena io ny apostoly Paoly raha nilaza tamin’ny kristiana tany Korinto izy, momba ny fanampiana ny tany Jodia, hoe : «Tsy milaza izany ho didy aho, fa noho ny zotom-pon’ny sasany, mba hizaha toetra ny hamarinan’ny fitiavanareo koa». Saika fanaony matetika io rehefa mamporisika ny kristiana hanome maimaimpoana na hanao fanampiana izy (jereo Romana 15. 25-27). Nankasitraka ny Fiangonana tany Filipy izy noho ny fanampiana («fivelomana») izay notapahin’izy ireo ho azy, kanefa hoy izy hoe : «Nefa tsy toy ny mitady fanomezana no ilazako izany ; fa mitady ny vokatra izay hitombo ho voninahitrareo aho. Fa manana ny zavatra rehetra aho sady manana amby ampy aza ; feno aho, rehefa nandray tamin’i Efradito ilay zavatra nampitondrainareo, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra tian’Andriamanitra sady ankasitrahany». Voalazany tamin’ny Korintiana fa «Tsy fantatrareo va fa izay manompo amin’ny zavatra masina dia mihinana ny zavatry ny tempoly, ary izay manompo eo amin’ny alitara dia miombona amin’ny alitara ? Toy izany koa no nandidian’ny Tompo, fa izay mitory ny Filazantsara dia hahazo fivelomana amin’ny Filazantsara. Nefa tsy mahavatra izany zavatra izany na dia kely akory aza aho ; ary tsy manoratra izany aho mba hanaovana izany amiko ; fa aleoko maty toy izay hisy hahafoana ny reharehako».
Ny manome amim-pitiavana, tsy an-tery fa araka ny hitsim-po, dia fanehoan’ny mino fahafahana eo anatrehan’Andriamanitra sy eo anarehan’izay tolorany. Vao mainka mitombo ny fifaliana raha toa ka mankasitraka ilay omena. Ny fifalian’ny mpanompon’Andriamanitra dia toy ny fifalian’Andriamanitra mihitsy, ka mahatonga ny adidy ho «hanitra ankasitrahana, fanatitra tian’Andriamanitra sady ankasitrahany».
- NY FANAOVANA ADIDY DIA FANEHOANA FIARAHA-MIENTANA SY FIFANAMPIANA NO FOTOTRA FAHATELO (PRINCIPE DE SOLIDARITÉ)
Hoy ny hafatry ny Tompo Jesoa tamin’ny mpianany : «Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo ; eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia». Fifankatiavana manahaka ny fitiavan’Izy Jesoa Kristy no tiany hananana amin’izany, fa Izy nolazain’ny apostoly Paoly hoe : «… na dia nanan-karena aza dia tonga malahelo noho ny aminareo, mba hampanankarena anareo ny alahelony». Ny fifanampiana dia fialana amin’ny fiheverana ny tena manokana, fa mitodika mba hijery ny hafa. Raha mbola mikatona ao amin’ny tena fotsiny ihany dia tsy mahay maneho fiaraha-mientana sy manampy ny hafa mihitsy.
Ny fiaraha-mientana sy fifanampiana dia vokatry ny fifankatiavana sy firahalahiana ao amin’i Jesoa Kristy (la solidarité est la conséquence de notre fraternité en Christ).
Mbola tenin’i Jesoa Kristy tamin’ny mpianany, manamafy izay efa voalazantsika tetsy ambony ny hoe : «Tahaka ny nitiavan’ny Ray Ahy no nitiavako anareo; tomoera amin’ny fitiavako ianareo. Raha mitoetra amin’ny didiko ianareo dia hitoetra amin’ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy ny itoerako amin’ny fitiavany. … Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo».
Io fitiavan’i Jesoa io, no nambaran’ny apostoly Paoly hoe «Fahasoavana», raha namporisika ny kristiana tany Korinto izy hanampy ny rahalahy sahirana tany Jodia, ary hanao tahaka izay efa nataon’ny fiangonana tany Makedonia izay naka ohatra mivantana tamin’ny Tompo. Ny fanehoana fiaraha-mientana, na fifanampiana, dia tsy mety ho tanteraka na oviana na oviana raha tsy ao aloha ny fitiavana, ary arahin’ny finiavana hampandefitra ny «izaho» fa hivoaka ny tena mba hijery ny hafa amim-pitiavana (La solidarité ne peut vraiment se faire sans que l’on daigne sortir de l’ego et se tourner vers les autres avec compassion). Raha «fiantrana» arahina fiheverantena ho ambony sy filan-tsitraka amin’ny hafa dia tsy fanehoana fifanampiana mihitsy, satria mbola fitodihana amin’ny tena ihany izany, ka manome fahafaham-po ny fiheverana sy fanomezana lanja ny tena (vakio Matio 6. 1-4).
Araka ny lalàn’i Mosesy, ny ampahany amin’ny fahafolon-karena aloan’ny olona eo amin’ny taona faxatelo sy ny taona fahenina dia nozaraina ho an’ny levita ny am-pahany ary hoan’ny mahantra ny am-pahany (vakio Deoteronomia 14. 28-29).
Nisy lalàna hafa koa teo amin’ny Zanak’Isiraely natao hanampiana ny mahantra sy ny sahirana, dia ny «taom-panafahana» (vakio Deoteronomia 15). Ao anatin’izany lalàna izany, dia namporisihana mba hamotsotra ny trosan’olona amin’ny tena, amim-pitiavana, araka izay azo atao ny zanak’Isiraely. Navela hioty ny ambiny tavela tsy voaangon’ny mpamory ny vokatra eny an-tsaha ny mahantra sy ny sahirana ary ny vahiny (vakio Deoteronomia 24. 19-21). Mandritra ny fotoam-pifaliana dia asaina manasa ny levita sy ny mahantra sy ny sahirana ary ny vahiny ( izay tsy mba manana anjara lova) mba hiara-misakafo aminy ireo manan-katao (Deoteronomia 14. 29). Momba ny fanomezana izay hatao fanatitra ao amin’ny tempoly dia notsinjovina ny mahantra sy ny sahirana, satria nahazo nanolotra domohinana zana-boromailala roa ho solon’ny ondrilahy na vantotr’omby rizareo(vakio Levitikosy 1. 14 ; 5. 7-11 ). Fa ny hetra fandoa ao amin’ny tempoly, izay mitentina antsasaky ny sekely, sahabo ho karaman’ny mpiasa indroa andro) dia tsy maintsy naloan’ny olona rehetra, na manan-katao na sahirana. Tsy noraisin’ny olona sahirana ho vesatra mihitsy izany, fa nataony ho toy fampahatsiarovana fa mitovy avokoa eo anatrehan’ny adidy tokony hatao ho amin’ny asan’Andriamanitra. Azo antoka fa izany fisainana izany no tsaroan’ny kristiana tany Makedonia, izay mbola jiosy ny ankamaroany teo am-piandohana, raha nikiry ny hanao izay tokony ho anjarany ho fanampiana ny tany Jodia izy ireo.
Fa misy foana ny manaraoraotra ny fifanampiana, mba hireharehana eo anatrehan’ny hafa sy hitadiavana tombontsoa ho an’ny tena akory aza. Iarahantsika mahalala ny alahelon’ny olona tratry ny fahasahiranana vokatry ny voina voa-janahary, nahatonga fiaraha-mientana tamin’ny maro hanao fanampiana, kanefa indraindray tsy tonga mihitsy any amin’ny mila izany ny fanomezana fa mivily lalana hampanan-karena ny mpanaraoraotra. Hatramin’ny andron’ny zanak’Isiraely dia efa niteny mafy ireo «mpihatsaravelatsihy» sy «mpanaraoraotra ny fahorian’ny sasany» ny mpaminany maro. Tamin’ny andron’ny Tompo dia mbola nisy ihany koa ny nanao toy izany, ka nahatonga ny Tompo hiteny mafy, hoe : «Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy ! fa laninareo ny tranon’ny mpitondrantena, ary dia manao vavaka lavareny ho fiolahana ianareo ; koa izany no hahazoanareo fanamelohana mafimafy kokoa». Tao amin’ny Fiangonana voalohany, tamin’ny andron’ny apostoly, dia niombonana ny fananana rehetra ka nozaraina araka ny ilain’ny tsirairay avy. Fantatsika fa avy amin’ny lesoka noho ny tsy fahatanterahana nitranga teo amin’ny fizarana no nampimenomenona ny antokon’olona sasany, ka nahatonga ny apostoly nanapa-kevitra ny hampifidy diakona hitantana izany (vakio Asan’ny apostoly 6. 1).
Voalazantsika tary aloha koa ny fanangonana fanampiana manerana ny Fiangonana mba ho entina hamonjena ny kristiana tany Jodia. Nanome fampianarana mazava momba ny fifanampiana ny apostoly Paoly, ka namporisihany mba tsy hanana endrika «fiantrana» izany, fa mety ho tohina ny hambom-pon’ny kristiana tany Jerosalema, raha heverina fa «mahantra noho ny rehetra izy». Azo lazaina fa tokony ho toetry ny asa fanampiana ataon’ny krsitiana rehetra ny toy izany, tsy mitovy amin’ny fanaon’ny «manan-katao» eto amin’izao tontolo izao izay manombina amin’ny ananany mha hanaovany «fiantrana», ka mampitombo bebe kokoa ny fiheveran’ny mpitazana azy.
Nolazain’ny apostoly fa atao toy ny asa fanarenana ihany izany fanampiana ny rahalahy sahirana izany, ka tanterahina miainga avy amin’ny fahatsapana fitovizana (principe d’égalité) eo amin’ny rehetra. Hoy izy, hoe : «Kanefa tsy ny hahatonga fitsaharana amin’ny sasany ary fahoriana aminareo no anaovako izany, fa ny mba hisy fitoviana, ka amin’izao ankehitriny izao ny haben’ny harenareo no hahafaka ny alahelon’ireo, ary ny haben’ny haren’ireo kosa no hahafaka ny alahelo ny alahelonareo, mba hisy fitoviana, araka ny voasoratra hoe : „Ny nanangona be tsy nanana amby, ary ny nanangona kely tsy nanana ny tsy ampy”».
Raha namaly i Jesoa Kristy ny fanontanian’i Jaona mpanao batisa hoe : «Ianao va Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika ?», dia nanambara hoe : «Mandehana ianareo, ka ambarao amin’i Jaona izao renareo sy hitanareo izao : Mahiratra ny jamba, ary afaka ny mandringa ; diovina ny boka, ary malady ny marenina; atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny filazantsara. Io tenin’ny Tompo io dia azo raisina ho famaritana ny atao hoe asa misiona (La Mission) izay tanterahin’ny Fiangonana kristiana rehetra. Ny fitoriana ny filazantsara amin’ny malahelo dia arahin’ny fanaovana asa fanampiana azy ireo, mampahatsiaro ny nambaran’ny Tompo koa ny amin’ny olona mba niseho ho mpanaraka Azy ihany kinanjo holaviny any am-parany fa tsy fantany akory. Jakoba dia mampieritreritra ny mpino, hoe : «Raha misy rahalahy sy anabavy tsy manan-kitafy sady tsy manan-kohanina isan’andro, ka misy aminareo manao aminy hoe : Mandehana amin’ny fiadanana, mamindroa, mivokisa, kanefa tsy omenareo azy tsinona izay tandrifiny ho an’ny tenany, inona moa no soa azo amin’izany ? ». Avy amin’ny fandinihana ireo teny ireo no niteraka ny asa fanampiana nataon’ny kristiana. Tsy nisaraka mihitsy ny asa fitoriana ny Filazantsara sy ny asa fanasoavana. Tany aloha, dia tena andraikitry ny Fiangonana manokana mihitsy ny fanaovana izany, fa taty aoriana vao noraisin’ny fanjakana tsikelikely an-tanana ireo asa ireo, fa nanampy azy ny fikambanana tsy miankina isan-karazany ary ao koa ny Fiangonana (oeuvres caritatives).
Ahoana no fomba tokony hiainan’ny Kristiana ankehitriny ao amin’ny Fiangonana ny fifanampiana ? (Comment vivre actuellement dans l’Église le principe de solidarité ?)
Ny endrika fiaraha-mientana sy fifanampiana (solidarité) voalohany tokony asehon’ny Kristiana ao ampiangonana dia amin’ny alalan’ny fandoavana ny adidy arotsaka ho an’ny Faritany aloha, ary ho an’ny Foibe, mba ho enti-manana ny fampandehanan-draharaha ankapobeny eo amin’ny Fiangonana sy ho an’ny Fiombonam-piangonana koa (FPF, ARM, LWF, KEK, sns).
Ny fandoavana latsakemboka (cotisations, cibles) dia hikendrena indrindra mba hisian’ny fifamenoana eo amin’ny ataon’ny tsirairay sy ny Fiangonana tsirairay ho enti-manampy ny hafa. Eo anivon’ny Faritany, ohatra, dia fantatra mazava tsara fa tsy mitovy ny habe sy ny tanjaky ny tafo tsirairay mikambana ao. Mety hanampy ny sahirana kokoa amin’ny fandraisana andraikitra hampandrosoana ny tafo sy ny faritany izany fifamenoan’ny latsakemboka aloan’ny tsirairay izany. Tsy afaka miantoka na manafatra mpiasa avy amin’ny alalan’ny tenany manokana ny tafo iray, fa ny fifanampiana eo anivon’ny Faritany no hanaovany izany.
Ny adidy arotsaka ho an’ny Foibe dia hiantohana ny fampandehanan-draharaha rehetra, manomboka amin’ny famelomana ny mpiasa iombonana matihanina, ary mitohy amin’ny fiantohana lojistika ho enti-manana ireo fihaonana samihafa (fivorian’ny Sampana iraisana, Vaomiera iraisana, Sampandraharaha iraisana, Komity Maharitra, Birao Foibe, Zaikabe iraisana, Synôda Lehibe). Tsy mbola nampiharintsika tato amin’ny FPMA hatramin’izao ny fomba fanao eo anivon’ny vondrompiangonana samihafa sy efa ampiharin’ny Fiangonana any Madagasikara eo anivony, momba ny péréquation eo amin’ny fiantohana ny saran-dalan’ny mpivory manatrika ny fihaonambe nasionaly. Ampitoviana ny tokony ho saran-dalana aloan’ny tsirairay avy, na lavitra na akaiky, mba hahafahana mampifameno ka tsy hahatsiarovan’ny miainga avy lavitra ho mandany bebe kokoa raha te hamonjy ny fivoriana izy. Tsaroan’ny rehetra eo amin’izany ny fiombonana aina sy ny fifanampiana.
Ny adidy arotsaky ny Fiangonantsika ho amin’ny Fiombonam-piangonana dia mifameno amin’ny ataon’ny Fiangonana hafa koa, ka manjary hahafahana maniraka mpitory ny Filazantsara any amin’ny toerana lavitra mila izany (mission) ; mety koa hanampy ilay fiangonana kely any lavitra any hanorina trano fiangonana ho azy ; mety ho fanampiana koa ho an’ny lojistika tahaka ny hita eo anivon’ny Fiangonana tsirairay, fa manjary mivelatra ho amin’ny Fiombonam-piangonana kosa indray. Isaky ny mandrotsaka rakitra ianao, na mandoa ny adidinao amin’ny maha-mpikambana anao (mpandray ny Fanasan’ny Tompo) dia tadidio mandrakariva tsy maintsy misy ampahany be ho entina manatanteraka fifanampiana izany, na dia tsy noeritreretinao ho izany mihitsy aza tany aloha. Izany no iray amin’ny hevitra fonosin’ny fanekena isaky ny manonona ny Fanekem-pinoana isika hoe :«Mino ny fiombonan’ny olona masina aho». Ny «olona masina» dia tsy ny maty fa ny velona mifanohana.
Hatramin’ny nisian’ny Lalàna nanasarahana ny Fiangonana sy ny Fanjakana taty Frantsa (nanomboka tamin’ny taona 1905) dia navondrona ho «Associations Cultuelles» ny Fiangonana (navahana tamin’ny «Associations culturelles»), tsy nomena alalana intsony hanangom-bola afa-tsy ho an’ny fampandehanana ny raharaha mikasika mivantana ny fanompoam-pivavahana ihany. Tsy mahazo manangom-bola mivantana ho an’izay mikasika ny fiainan’ny olona mivantana, sy ny momba ny fiaraha-monina ary ny ara-kolotsaina intsony ny Fiangonana (les Églises ne doivent financer que ce qui concerne le culte et non de l’humanitaire, du social ou du culturel).
Raha te hirotsaka amin’ireo sehatra «voarara» ireo ny Fiangonana, dia voatery manangana fikambanana izay fehezin’ny lalàna, efa nisy tamin’ny taona 1901 mifehy ny «associations» rehetra. Samy mifofotra manangana fikambanana ho azy manokana ny ankamaroan’ny olona, ho «fiantrana» ; kanefa matetika dia fikatsaham-boninahitra sy fitodihana amin’ny fanomezana fahafaham-po ny tena no hita mahazo vahana betsaka. Voalazantsika tany aloha ny hadisoam-panantenan’ny olona ampiana, fa matetika tsy tafapaka mivantana any aminy akory ny fanomezana nangonina fa very eny antenantenan-dalana. Santionany amin’ny fikambanana natsangan’ny Fiangonana, hita fa tsy nivaona fa nanaraka ny tanjona sy ny fepetra natsangana, ohatra, ireto : ny « Secours catholique»,«La Cause», «OEuvres de Saint Jean», «L’Action sociale Évangelique (ASEV)», ny «Service d’Entraide et de Liaison (SEL)», «Cimade», sns. Samy manampy mivantana ireo sahirana, tsy ny eto an-toerana ihany, fa hatrany am-pitandranomasina ireo fikambanana ireo.
Tsy mikendry na oviana na oviana ny hifaninana amin’ny ataon’ny hafa ny Fiangonana, fa tena fijoroan’ny Fiangonana amin’ny fanatanterahany ny andraikitra maha-mpaminany azy (action prophétique) ny mitari-dalana mandrakariva sy miseho ho marika tokony hotahafin’ny hafa.
- NY FANAOVANA ADIDY DIA MIFOTOTRA AMIN’NY FAHATSIAROVANTENA HANDRAY ANDRAIKITRA (PRINCIPE DE RESPONSABILITÉ)
Raha andrasana fotsiny hanome amin-kalalahana hatrany «araka izay inian’ny fony» ny olona rehetra, dia tsy azo odian-tsy hita ny fahasahiranana lalovan’ny fampandehanana ny raharaham-piangonana. Toe-tsaina sarotra alàna fa mahazo vahana eo amin’ny ankamaroan’ny olona ny tsy manome afa-tsy izay heveriny fa tsy hanohintohina ny ilainy ho enti-manana ny fiainany manokana. Sarotra amin’ny mpandraharaha ara-bola sy ny tompon’andraikitra isan-tokony ny manangana teti-bola. Eo amin’ny fanaovana teti-bola mantsy, dia ny asa sy ny tanjona kendrena ho tratrarina no iaingana. Tsy ny olona manome, na dia eritreretina tsara ihany aza izy ireo, no omena lanja be dia be, fa ny fomba hampiasana izay omen’izy ireo. Ny Tompo Jesoa Kristy dia nanao fanoharana mahakasika izany raha nilaza ny tokony ho toetry ny mpianany Izy : «Fa iza moa aminareo, raha ta hanao tilikambo, no tsy mipetraka aloha mihevitra izay ho lany hanaovany izany, na misy hahavitany azy na tsia ? fandrao, rehefa nanao ny fanorenana izy ka tsy mahavita, dia handatsa azy izay rehetra mahita ka hanao hoe : Io olona io nanomboka nanao trano fa tsy nahavita». Zava-misy iarahantsika mahita ny fisian’ny fikambanana (na fiangonana akory aza) manana mpikambana betsaka, kanefa tsy mahavita zavatra satria tsy manana omena na tsy mahafoy vola amin-karena ho enti-manao ny asany ny olona ao anatiny. Fa misy koa, etsy andanin’izany, ny fahavitsian’ny olona ao amin’ny fikambanana na fiangonana iray, kanefa mahavita asa lehibe izy ireo. Zava-dehibe ny faharesen-dahatra sy ny fahatsiarovantenan’ny olona handray andraikitra, ka hanome «araka izay inian’ny fony», kanefa «tahaka ny nahazotoana fony nikasa, dia tahaka izany koa ny hahatanterahana araka izay ananana. Fa raha misy ny fahazotoana, dia araka izay ananana no ankasitrahana fa tsy araka izay tsy ananana». Ny fanomezana rehetra ataontsika ao am-piangonana dia tsy angonina mba hotehirizina fotsiny, fa natao hampiasaina mba ho enti-manana ny asan’ny Fiangonana, ary maneho fahatsiarovantena hanao adidy tokony hataontsika izany (prise de conscience d’une responsabilité). Hamafisina fa miainga amin’ny fahatsiarovantena ny fanaovana izany, ka eo no mila fampianarana sy fanentanana mba hahatonga faharesendahatra sy finiavana.
Tao amin’ny Testamenta Taloha dia efa nisy fampahatsiarovana hanao adidy ho enti-manana ny asan’ny Fiangonana teo amin’ny Zanak’Isiraely. Nifototra indrindra tamin’ny fandoavana ny fahafolon-karena izay efa voalazantsika teo aloha izany. Io fahafolon-karena io no niantoka ny fiveloman’ny levita sy ny mpisorona izay niasa tao amin’ny tempoly. Teo koa ny hetra samihafa naloa, hanampy amin’ny fampandehanandraharaha (fikarakarana ny tabernakely) sy ho enti-manana ny fanampiana ireo mahantra sy sahirana. Niankina tanteraka tamin’ny adidy naloan’ny olona ireo Levita, koa rehefa nivaky roa ny fanjakana taorian’ny nahafatesan’i Solomona mpanjaka, ka notarihan’i Jeroboama mpanjaka hiala tsy hankany amin’ny tempoly tany Jerosalema intsony ny Isiraely tao Avaratra, dia maro tamin’ny Levita no nifindra monina nanatona nankany Atsimo (jereo II Tantara 11. 14). Taorian’ny fiverenanana avy tamin’ny fahababoana dia nitaraina sy namarika ny mpaminany Hagay fa samy revo nanorina ny tranony indray ny olona ka nanjary nanamaivana ny asa sy adidy tokony atao momba ny tempoly (jereo Hagay 1. 2-4). Ny mpaminany Malakia koa, araka izay efa voalazantsika tary aloha, dia niezaka namerina sy nampahatsiaro ny olona ny tokony handoavana ny fahafolon-karena ho enti-manana ny asa ao amin’ny tempoly sy ny fiveloman’ireo Levita. «Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin’ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary izahao toetra amin’izany Aho, hoy Jehovah Tompon’ny maro, taha tsy hovohàko ny varavaran’ny lanitra ho anareo ka hampidinako ny fitahiana manana amby ampy ho anareo». Mila fitandremana kanefa ny tsy handraisana ara-bakiteny sy hamindrana avy hatrany amin’ny andro ankehitriny io teny io, -toy ny fanaon’ny antokom-pinoana sasany-, satria manjary mampanantena «tambiny» amin’ny olona eo amin’ny fanatanterahana ny asan’Andriamanitra.
Manjary alaim-panahy manko ny olona hihevitra fa rehefa tsy mahazo soa amin’Andriamanitra aorian’ny fanaovany ny adidiny izy, dia manjary tonga araka ny oha-pitenenantsika malagasy hoe :«miasa jamba rafozana».
Misy mampieritreritra ary mametraka hafatra maharitra tsara ho fandiniky ny mpivavaka rehetra mandraka ankehitriny kanefa ny tenin’Andriamanitra nampitondrainy io mpaminany io. Matetika manko dia hamaivanin’ny olona, rehefa misy maharevo azy na heveriny ho misy laharam-pahamehana kokoa hafa eo amin’ny fiainany, ny fanatanterahana ny adidy ho amin’ny asan’Andriamanitra. Misy koa ny manao fanahy iniana maka fanahy an’Andriamanitra ary toa manaraoraotra ny famindrampon’Andriamanitra tsy mamaly ny olona avy hatrany araka ny ataony. Kanefa tsy tokony adinoina na oviana na oviana fa Andriamanitra no loharanon’ny zavatra rehetra, ka raha tsy misy fitahiana sy fanampiana avy amin’Andriamanitra dia zavapoana ny ezaka rehetra mety hataon’ny olona. Jesoa Kristy dia efa nampisaina ny olona, teo amin’ny fampianarana nataony tany an-tendrombohitra, hoe : «Ary iza ao aminareo, na dia manahy aza, no mahay manampy ny andro hiainany na dia kely monja aza ? Hoy ny hafatra nampitondrain’Andriamanitra ny mpaminany, hoe : «Ny zanaka manaja ny rainy, ary ny mpanompo ny tompony ; koa raha Ray Aho, aiza izay hajako ? ary raha Tompo Aho, aiza izay tahotra Ahy ? hoy Jehovah, Tompon’ny maro, aminareo, ry mpisorona, izay manamavo ny anarako, nefa manao hoe : Amin’inona no anamavoanay ny anaranao ? Amin’ny fitondrana hanina voaloto ho eo amin’ny alitarako. … fa lehibe any amin’ny jentilisa ny anarako, hoy Jehovah, Tompon’ny maro. Fa ianareo kosa manamavo izany amin’ny fanaovanareo hoe : Voaloto ny latabatr’i Jehovah, ary ny haniny aterina eo dia tsinontsinona. Hoy koa ianareo : Tsy mba hasasarana lahy ! ary ikifonanareo izany, hoy Jehovah Tompon’ny maro ; entinareo ny nalaina an-keriny sy ny mandringa sy ny marary, ka dia aterinareo ho fanatitra ; moa ta-handray izany amin’ny tananareo va Aho ? hoy Jehovah. Fa voaozona ny mpamitaka, izay manana ondrilahy ao amin’ny ondriny, ary mivoady, nefa mamono zavatra misy kilema hatao fanatitra ho an’ny Tompo». Tsy bado na adala akory Andriamanitra, ka izay efa tsy tian’ny olona sy tsy ilainy eo amin’ny fiainany intsony no atolony Azy, dia hihevitra izy fa ankasitrahan’Andriamanitra izany. Endriky ny fihatsarambelatsihy sy tsy fahatsiarovana andraikitra ny fanaovana toy izany. Tsy fampitahorana akory, fa fampisainana lalina ho an’izay manao kitoatoa, ny voalazan’ny Epistily hoa n’ny Hebreo, hoe : «Fa raha minia manota isika rehefa nahazo fahalalana tsara ny marina, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony, fa fiandrasana mahatahotra amin’ny fitsarana ary fahatezerana mirehitra izay handany ny fahavalo rehetra kosa… Zava-mahatahotra ny ho azon’ny tanan’Andriamanitra velona».
IREO FANANGONANA FANAMPIANA MANOKANA HO FANDRAISANA ANDRAIKITRA EO AMIN’NY ASAN’NY FIANGONANA, ARAKA IZAY HITANTSIKA AO AMIN’NY SORATRA MASINA.
Misy sehatra roa nila fandraisana anjara ho enti-manana azy teo amin’ny fivavahana jiosy :
– ny fampandehanan-draharaha ao amin’ny tempoly izay mahasahana ny fiveloman’ny mpisorona sy ny levita,
– ary ny fikojakojana ny trano sy ny fanaka.
Ny sehatra voalohany : fampandehanan-draharaha sy fiveloman’ny mpiasa matihanina, dia tamin’ny alalan’ny fahafolon-karena voalaza teo no nanaovana izany, araka ny Testamenta Taloha. Fa araka ny Testamenta Vaovao kosa indray dia fandraisana anjara mivantana nataon’ny kristiana no namelona ireo olom-boantso nanatanteraka asa fanompoana «matihanina» teo amin’ny Fiangonana. Tsy mba tahaka ny mpisorona sy ny levita teo amin’ny Zanak’Isiraely izay nolovana nentim-paharazana ny asa fanompoana (ministère héréditaire), fa tamin’ny Kristiana kosa dia tena antson’ny Tompo manokana tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina no nahatonga ny mpiasam-piangonana, ary nankatoavin’ny Fiangonana izany fiantsoana izany. Nitsinjara ho maromaro ireo asa fanompoana ireo, araka ny Testamenta Vaovao : ny apostoly, ny loholona, ny evanjelistra, ny mpampianatra¸ny iraka. Mampahatsiaro izay nambaran’i Lotera taty aoriana momba ny asam-piangonana, fa indrindra momba ny mpitandrina izany, hoe : «Le ministère pastoral est à la fois un métier et une vocation».
Fa efa nisy kanefa, ny toa mizana mitanila teo amin’ny fanampiana, fa ireo «ambany maso sy hitan’ny olona mivantana teo anivony» (ireo apostoly tamin’izay fotoana izay) dia voatsinjo tsara izy ireo sy ny vady amanjanany. Fa ireo niasa mafy kosa, kanefa tsy mba niara-nonina tamin’ny olona noho ny andraikiny tsy nampitoetra azy teo amin’ny toerana maharitra. Tamin’ny taratasy nalefany ho an’ny Korintiana dia nampahatsiaro ny tsy tokony hanaovana «toa mizana mitanila» toy izany ny apostoly Paoly. Tena mitaky ny zony mihitsy izy, fa hoy izy hoe : «Moa tsy mahazo mihinana sy misotro va izahay ? Moa tsy mahazo mitondra vady izay isan’ny mino va izahay, tahaka ny Apostoly sasany koa sy ny rahalahin’ny Tompo ary Kefasy ? Sa izaho ihany sy Barnabasy no tsy mahazo mitsahatra tsy miasa ? … Fa voasoratra eo amin’ny lalàn’i Mosesy hoe :„Aza manakombona ny vavan’ny omby mively vary”(Deot. 25. 4). Ny omby va no ahin’Andriamanitra ? Sa noho izahay mihitsy no nanoratana izany, satria izay miasa tany dia tokony hiasa amin’ny fanantenana, ary izay mively vary dia tokony hively amin’ny fanantenana hahazo. Raha izahay namafy izay zava-panahy ho anareo, dia zavatra lehibe va raha mba mijinja izay ananareo araka ny nofo kosa izahay ? Raha ny hafa aza manana izany fahefana izany, tsy mainka va fa izahay ? … Tsy fantatrareo va fa izay manompo amin’ny zavatra masina dia mihinana ny zavatry ny Tempoly, ary izay manompo eo amin’ny alitara dia miombona amin’ny alitara ? Toy izany koa no nandidian’ny Tompo, fa izay mitory ny filazantsara dia hahazo fivelomana amin’ny filazantsara».
Tsy vitsy amin’ny mpanompon’Andriamanitra ankehitriny no «mitaraina» tahaka izay ataon’ny apostoly Paoly eo, satria hamaivanin’ny olona ny fanomezana ny «fivelomana» tokony ho azy, kanefa mitaky asa be dia be aminy ny olona.
Efa namboarin’ny Fiangonana ny fomba filaza azy, fa tsy natao hoe «karama» fa namboarina hoe «fivelomana» no omena ny mpiasam-piangonana matihanina. Kanefa, tena «mahavelona» tokoa va izany, sa mety ho fandosirana ny fandraisana andraikitra araka ny tokony ho izy ?
Fa ny sehatra faharoa : ny fikojakojana ny trano sy ny fanaka kosa dia matetika no nangatahana fanampiana mivantana, na «vonjy rano vaky» araka ny filazantsika azy ankehitriny, ny fanatanterahana izany. Raha vao nanangana ny Tabernakely i Mosesy teny an-dalana avy tany Egypta, dia nangataka tamin’ny Zanak’Isiraely mba hanome avy tamin’ireo firavaka sy fanomezana nomen’ny Egyptiana azy ireo teo am-piaingana, mba ho enti-manana ny fananganana izany Tabernakely izany (vakio Eksodosy 25. 1-2).
Davida mpanjaka sy Solomona zanany izay nandimby azy dia nanangona vola sy fitaovana mba ho entimanana ny fanorenana ny tempoly (vakio I Mpanjaka 5. 15 -6, 38). Rehefa tafaverina avy tany amin’ny fahababoana ny Jiosy tamin’ny fanafahana nataon’i Kyrosy mpanjakan’ny persiana, dia nahazo fanampiana an-tsitrapo avy amin’ny olona, araka ny fanentanan’ny mpanjaka ; ary nasain’ny mpanjaka naverina ho azy ireo koa ny fanaky ny tempoly izay nentina ho babo tamin’ny andron’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona (vakio Ezra 1. 4-8). Fa rehefa tonga tany Jerosalema izy ireo, dia nanangona vola sy fitaovana ho enti-manangana indray ny fanompoam-pivavahana tao amin’ny tempoly. Voalaza mazava tsara fa izy ireo «…nanatitra tamin’ny sitrapo hananganana ny tranon’Andriamanitra eo amin’ilay efa niorenany. Nanome araka izay nananany avy izy hanampy ny vola voavory hanaovana ny asa…».
Hatramin’ny taloha ka mandraka ankehitriny dia mifameno mandrakariva ny filan’ny Fiangonana fitaovana fampiasa sy fananana ara-bola, etsy andaniny, ary trano sy mpiasa, etsy ankilany. Miainga avy amin’ireo no hanaovana ny teti-bola. Miankina be dia be amin’ny zavatra ilaina sy ny tetikasa ny fananganana teti-bola, ary mitaky fahatsiarovana andraikitra eo amin’ny tsirairay, rehefa mahatsiaro tena tokoa izy fa mpiombona aina, mpikambana feno, tompon’andraikitra, vahoakan’Andriamanitra miray amin’i Kristy Loha sy Tompon’ny Fiangonana, fa tsy mpitazam-potsiny.
Misy tokoa, fa tsy azo odian-tsy hita, ny olona te hanao ny Fiangonana ho fitaovana ho amin’ny tombontsoany manokana. Mety ho sehatra hitadiavam-pahefana sy voninahitra ivelany ny Fiangonana ho an’ny toy izany. Tsy manome ho an’ny Fiangonana ny olona sasany raha tsy mahazo fankasitrahana manokana sy fanahidrahidrana tahaka ny hoe tsy velona ny Fiangonana raha tsy misy azy. Tsy miainga amin’ny fahatsiarovana andraikitra sy fitiavana ny asa ataony, fa filan-dera, hany ka tsy mampaninona azy akory ny mampifilafila sy manao fampitambazana tsy hampandeha ny asan’ny Fiangonana. Tsy misaraka amin’ny karazan’olona toy ireny ny fireharehana sy fanambaniana ary fitsaratsarana ny hafa, tahaka izay nataon’ilay mpanan-karena nandatsa-drakitra tao amin’ny fandatsahan-drakitra, kanefa tsy mba nahazo sitraka tamin’ny Tompo Jesoa (vakio Lioka 21. 1,4).
Manan-karena olona kanefa Andriamanitra, ary mankasitraka izay manao amim-pitiavana sy amin’ny fanolorantena tokoa. «Ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’Andriamanitra», hoy ny Soratra Masina.
Rehefa mankato ny teti-bola ao amin’ny Fiangonana ny mpikambana dia toy ny manao fanekena fa handray ny andraikiny hanefa izay ilaina amin’izany. Ao anatin’ny Faneken’ny Diakona rahateo ny fandraisana andraikitra ihany koa hanentana ny vahoakan’Andriamanitra hanefa ny adidiny (Fanekena faha-5 : angamba tokony amboarina kely io, fa tsy ny adidy ara-bola ihany no tokony hatao fa ny adidy rehetra miainga avy amin’ny fahatsiarovantena sy fanolorantena hanao ny asan’Andriamanitra).
NY FANAOVANA ASA TSY ANDRAISAN-KARAMA (BÉNÉVOLAT) AO AMIN’NY FIANGONANA.
Mbola maro ny Fiangonana no mialokaloka amin’ny bénévolat ka tsy marisika handray andraikitra amin’ny fanampiana ny mpiasan’Andriamanitra. Tany Madagasikara dia nasiana Fitsipika mihitsy eo amin’ny Fiangonana FJKM mba tsy hahafahan’ny fiangonana mialokaloka amin’ny fampiasana maharitra mpianatra ho mpitandrina sy mpitandrina efa misotro ronono hanao ny asa fitandremana.
Mila fitaizana ny vahoakan’Andriamanitra ao amin’ny Fiangonana hiroso tsikelikely amin’ny fananana mpitandrina matihanina. Mila fanamboarana koa kanefa ny toe-tsaina tsy hihevitra fa satria «karamaina» ny mpiasa dia azon’ny Fiangonana fehezina amin’izay tiany hampiasana azy. Tsy tokony hanadino na oviana na oviana isika fa an’Andriamanitra ny Fiangonana. Hoy ny apostoly Paoly manamafy izany fampahatsiarovantena izany hoe : «Fa mpiara-miasa amin’Andriamanitra izahay ; ary sahan’Andriamanitra sy trano arafitr’Andriamanitra ianareo». Tsy azo lavina fa ny Fiangonana vao miorina dia mila fotoana hitomboana sy hahamasahana ara-panahy, mba hahatonga ny vahoakan’Andriamanitra hahatsiaro tena sy ho tena tompon’andraikitra feno amin’ny fanaovana ny asan’Andriamanitra araka ny adidy nomena azy hotanterahiny.
FEHINY
Misy fahadisoan-kevitra (erreurs théologiques et pratiques) efatra (4) mila sorohina eo amin’ny fanaovana adidy ao am-piangonana :
- Ny fiheverana ny fahasoavan’Andriamanitra ho azo vidiam-bola amin-karena (antsoina hoe «Simonie»)
Nalaina avy amin’ny tantaran’i Simona tao Samaria izay nanao ody sy nanao azy ho zavatra, kinanjo mba niova fo rehefa nitorian’i Filipo ny filazantsara. «Fa Simona nony nahita ny fametrahan’ny apostoly Petera sy Jaona tanana no nanomezana ny Fanahy Masina, dia nitondra vola homena azy ka nanao hoe : Omeo izany fahefana izany koa aho,mba handray ny Fanahy Masina izay olona hametrahako tànana». Midika ankehitriny ny «simonie»ny fiheverana ny fividianana ny sakramenta, ny fahasoavana samihafa raisina avy amin’Andriamanitra. Mazava tsara kanefa ny tenin’ny Tompo Jesoa, hoe : «Efa nahazo maimaimpoana ianareo, ka manomeza maimaimpoana».
Endrika isehoan’ny «simonie» matetika ny fanindrahindrana olona mahavita be eo amin’ny fandoavam-bola ao am-piangonana ho hany tompon’ny fiangonana sy mamelona azy (ka odian-tsy hita ny ataon’ny sasany manao kelikely kokoa, kanefa amin’ny fony sy ny fitiavany tokoa), hany ka miteraka fireharehana sy fiheveran-tena ho zavatra ka mahatonga fanjakazakana sy fampanjakana ny hevitry ny manna-katao ihany eo amin’ny asam-piangonana.
Endrika hafa mbola isehoan’ny «simonie» koa ny toe-tsaina fehezin’ny fahazoana fahafaham-po ho an’ny tena manokana no mampaharisika hanao adidy. Rehefa heverina fa mandokadoka na manome vahana ny hambom-po kely tsaroan’ny tena ny toriteny, dia malala-tanana kokoa hanome ho amin’ny asam-piangonana, fa mikombona kosa rehefa mahatsiaro fa voatohintohina ny tena eo anatrehan’ny teny torina. Mila fitandremana koa kanefa etsy andanin’izany ny mpitoriteny mba tsy hanampatra ny fahefany ka hanodinkodina ny tenin’Andriamanitra ho amin’ny tanjona manokana kendrena ho azo.
Mbola hiverenantsika io etsy aoriana amin’ny firesahana ny fanaraoraotam-pahefana sy fanodinkodina sain’olona. Fa indraindray koa, misy ilay fomba fiteny ampiasain’ny olona hanentanana, kanefa tena diso ara-pinoana tanteraka, dia ny hoe : «ny adidy vita, ny fahafinaretana azo». Dokam-barotra tsotra izany fa tsy fampahatsiarovan-tena hanao ny asam-piangonana mihitsy. Rehefa hitady vola fotsiny no tanjona fa tsy mikendry ny fiainam-panahy dia azo ampiasaina izany, fa tsy tokony ampifangaroina mihitsy ny tokony hatao. Tsy ny fahatsaran’ny hiran’ny antoko mpihira, na ny hakanton’ny zava-maneno tendren’ny mpanakanto akory no vidiana, fa tokony omena lanja kokoa ny finoana fa fahasoavana sy talenta nomen’Andriamanitra izany, ka tsy hitadiavan-tombony fa mba hanehoana fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra.
Ahoana, araka izany, ny fandraisan’ny Fiangonana ny volan’ny jentilisa mba ho entiny manao ny asany ?
Endrika isehoan’ny fampiharana izany ny hoe : Raha misy tsy kristiana manome fanomezana ho an’ny Fiangonana, azo raisina daholo ve izany ?
Misy aloha ny fanampiana mety ataon’ny fanjakana na fikambanana tsotra amin’ny asa fanasoavana ataon’ny Fiangonana (subvention) izay tsy misy fanavahana fa atao ho an’ny fikambanana rehetra. Fandraisana anjaran’ny jentilisa mety mifanaraka amin’ny fampianaran’ny Tompo ihany izany, araka ny voalazany hoe : «Ary hoy Izaho aminareo : aoka ny mamôna tsy marina ho entinareo mahazo sakaiza, mba horaisinareo any amin’ny fonenana mandrakizay ianareo, rehefa lany izany».
Fa misy koa olona manokana manao fanomezana ho an’ny asan’ny Fiangonana. Raha fitiavana fotsiny izao noho ny fahatsiarovantenany te hanampy, na vahiny sendra nandalo izy ka voaentana hanao zavatra hanasoa ny fiangonana araka ny nahimpony, dia tsy mampaninona izany. Fa raha mikendry zavatra hafa, na mifono «avonavom-po» mbamin’ny «fitia haneho fifaninanana hisehoana ho mahavita bebe kokoa noho ny kristiana», dia tsy hahafaty antoka mihitsy ny mandà tsotra izao tsy handray izany. Matetika koa dia mety ho fomba fampanginan’ny olona sasany ny feon’ny fieritreretany noho ny fomba tsy mety nataony hanangonany harena ny fanaovany asa soa na fanampiana ny Fiangonana. Adidy tokony horaisina ny fitaizana azy hibebaka sy hiverina amin’Andriamanitra, tahaka izay nananaran’ny apostoly Petera an’i Simona tao Samaria.
Fa mbola azo lazaina ho fitaizana ho amin’ny «simonie» ihany koa ny vavaka «fisolokiana» ataon’ny sasany, aorian’ny fanatazana rakitra na fanangonana vokatra ao am-piangonana, milaza hoe : «Enga anie mba honeran’Andriamanitra folo heny, zato heny,sns. izay nataonareo ho an’ny asany». Tahaka ny varotra hifanaovana amin’Andriamanitra hahazoana tombony izany asa atao ho an’ny Fiangonana izany, ary fampanantenana diso hamitahana ny vahoakan’Andriamanitra sy fanodinkodinana ny saina mandeha amimpahatsorana (manipulation psychologique) manafoana ilay fitiavana nanetsika ny olona hanao zavatra.
Fiheverana an’Andriamanitra ho bado sy azo fetsifetsena koa izany, ka hanome sandany ambony ho setrin’ny kely naloan’ny olona. Tena fanodinkodinan-kevitra sy mifanohitra tanteraka amin’ny voalazan’ny Soratra Masina izany, araka ny voasoratry ny apostoly Paoly hoe : «Fa izao no lazaiko : izay mamafy kely dia kely no hojinjany ; fa izay mamafy be, dia be kosa no hojinjany. Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian’ny fony avy, tsy amin’ny alahelo, na amin’ny faneriterena ; fa “ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’Andriamanitra”. Ary Andriamanitra mahay mampitombo ny fahasoavana rehetra aminareo, mba hananareo ny onony mandrakariva amin’ny zavatra rehetra, ka hitombo amin’ny asa tsara rehetra».
- Ny fanomezan-danja tafahoatra ny lalàna sy ny Fitsipika (Légalisme)
Fahadisoana lehibe faharoa tokony hosorohina eo amin’ny fanaovana adidy ao am-piangonana koa io.
Ny antsoina hoe «légalisme» na fanomezan-danja tafahoatra ny lalàna sy ny Fitsipika dia fanarahana arabakiteny ny lalàna natsangana sy ny Fitsipika araka ny voasoratra, fa tsy voahevitra ny tena hevi-panahy fonosin’ny nananganana izany (s’attacher à la lettre à la Loi et aux Règlements Intérieurs sans en tenir l’esprit). Efa voalaza teo aloha fa misy fiangonana sasany manangana fitsipika mihitsy mametra fa tsy azo tanterahina ny asa pastoraly ho an’ny kristiana mpikambana ao, raha tsy mahavita ny adidiny ara-bola ao amin’ny fiangonana izy. Raha toa ka miainga amin’ny fitaizana eo am-piandohana izany, ho fampahatsiarovantena sy ho famporisihana ny olona handray andraikitra sy hahatsiaro fiombonana aina, dia tsy maninona. Fa raha atsangana ho fitsipika hentitra sy takiana ho tsy maintsy ankatoavina izany, ary averimberina lazaina foana ao am-piangonana, dia tsy mety fa mitarika ho tonga amin’ny «simonie» voalaza tetsy aloha, ary mahatonga koa ny antsointsika hoe «fahateren-tsaina» (fefena ao anaty fisainana ny lalàna sy fitsipika avokoa ny zavatra rehetra, fa tsy misy fivelaram-pisainana mihitsy hahatonga famoronan-javatra vaovao, hany ka voahidy ao anatin’ny « efa mahazatra» mandrakariva). Vato misakana ny fandraisan’ny olona ny vaovao mahafaly mitory famonjena sy fahasoavana maimaim-poana izany, fa mampitodika ny olona ho amin’ny tenany sy fiheverana fa mandray anjara amin’ny famonjena ny tenany izy, ary miteraka fihatsarambelatsihy. Jesoa Kristy dia niteny mafy ireo Fariseo sy mpanora-dalàna, hoe : «Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo mpihatsaravelatsihy! Fa mandoa ny fahafolon’ny solila sy ny aneta ary ny komina ianareo, nefa navelanareo izay lehibe amin’ny lalàna, dia ny rariny sy ny famindrampo ary ny finoana : ireto tokony ho nataonareo, kanefa tsy tokony havelanareo ireroana». Tsy mamaha ny lalàna sy ny Fitsipika mihitsy ny Tompo. Hoy Izy hoe : «Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava fa hanatanteraka. … Fa lazaiko aminareo : Raha tsy mihoatra noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo». Ny fanaovana araka ny Fitsipika dia tena ilaina, kanefa tsy henjanina mba hisehosehoana izany ny hafa, fa tokony ho amin’ny fitiavana sy fitsinjovana ihany koa ny namana (charité et tolérance).
Fanontaniana mitsangana ho azy ny hoe : inona no fomba ekena ho azo ataon’ny Fiangonana mba hitadiavam-bola ?
Marihina fa misy «Fitsipika» azon’ny Fiangonana atsangana, raha ilaina, mba ho fiarovana ny fahamasinan’ny Fiangonana sy hisorohana ny fifanafintohinana mety hiteraka fifampiandaniana eo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra. Kanefa, tsy izany no zava-dehibe fa ny fitaizana ny fahatsiarovantenan’ny tsirairay.
Mazava ny tenin’ny Soratra Masina nambaran’ny apostoly Paoly fony izy nananatra ny Korintiana tsy ho azon’ny fakam-panahy hanaram-po araka ny nofo ka ho tratry ny loza. Hoy izy hoe : «Ny zavatra rehetra azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mahasoa ; ny zavatra rehetra azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mampandroso. Aoka tsy hisy olona hitady ny hahasoa ny tenany, fa ny hahasoa ny namany. … Fieritreretana, hoy izaho, tsy ny an’ny tenanao, fa ny an’ny olon-kafa ; fa nahoana ny fahafahako no dia tsarain’ny fieritreretan’ny olon-kafa ? … Aza manao izay hahatafintohina ny jiosy, na ny jentilisa na ny fiangonan’Andriamanitra, dia tahaka ahy koa manao izay hahafinaritra ny olona rehetra amin’ny zavatra rehetra ka tsy mitady ny mahasoa ahy ihany, fa ny mahasoa ny maro mba hovonjena izy. Aoka hanahaka ahy ianareo, dia tahaka ny anahafako an’i Kristy». Lanjalanjao tsara hoe : mahasoa ny Fiangonana ve izao atao izao ? Sao misy mahasoa kokoa noho izay heverina fa tokony hatao ? Inona no tanjona kendrena : ny hahazoam-bola ve, sa ny fiainam-panahin’ny olona voakolokolo sy resy lahatra fa hanao ny asan’Andriamanitra ? Fa aza maka tahaka ny fanaon’ny hafa fotsiny, na maika hitsaratsara izay tsy mitovy hevitra amin’ny tena. Hoy ihany ny apostoly Paoly nananatra ireo Galatiana kristiana sasany fatra-pihenjana tamin’ny heveriny ho fanarahan-dalàna araka ny fombam-pivavahana jiosy nitaizana azy ireo: «Fa efa nantsoina ho amin’ny fahafahana ianareo, ry rahalahy ; kanefa aoka tsy ho entinareo hanaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa mifanompoa amin’ny fitiavana. Fa tanteraka amin’ny teny iray ihany ny lalàna rehetra, dia izao : “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao”». Ny tena fanahin’ny lalàna sy ny Fitsipika eo amin’ny Fiangonana dia ny fitiavana sy ny finoana ary ny fahamasinana.
Fa endrika fanomezan-danja tafahoatra ny lalàna sy ny fitsipika koa (légalisme) ny fiezahana hanaraka anjambany sy ara-bakiteny izay heverina ho «tenin’Andriamanitra» araka ny Soratra Masina, ka mahatonga fanao mahatsikaiky. Ohatra mampiseho izany ny fahitana olona sasany manao adidy isam-bolana ka voaavaka tsara ny centimes fanampiny (oh : 16 €32 centimes = 1632 euros isam-bolana ny karamany, zarainy folo «mba ho fahafolon-karena.» Tokony ho nataony boribory na nampitomboiny izany, fa tsy isehoana ho manaraka ara-bakiteny fotsiny ny voasoratra).
Tsy ny adidy ara-bola ihany no tadiavin’ny sasany hidiana ao anaty fanarahana an-jambany izay heveriny ho fanajana ny lalàna, fa hatramin’ny fotoana sy ny fomba fihetsika ihany koa. Heverina fa amin’ny andro voafetra sy «voatokana» ihany no hanaovana ny asan’Andriamanitra, fa malalaka araka ny sitrapon’ny tena amin’ny andro hafa rehetra. Misy fomba sy fihetsika heverin’ny olona sasany ho «hany kristiana sy arapilazantsara » ihany koa. Tsy maintsy mitandro ny fahasimasinan’Andriamanitra isika : «Aoka ho masina ianareo, satria masina Aho Tompo Andriamanitrareo», hoy ny Tompo tamin’ny fiangonan’ny Zanak’Isiraely, ary mbola teny ho antsika kristiana «Isiraely vaovao» koa izany. Ny fo sy ny fiainana manontolo no takiana ho masina sy hanome voninahitra an’Andriamanitra, fa tsy ny fombafomba ivelany sy ny fisehoana fotsiny ihany. Hoy Jesoa Kristy raha nivavaka tamin’ny Rainy ho an’ny mpianany sy ho antsika Izy hoe : «Ary tsy ho eto amin’izao tontolo izao intsony Aho, fa izy ireto no ho eto amin’izao tontolo izao, ary Izaho mankany aminao. … Izaho tsy mangataka Aminao mba hampiala azy amin’izao tontolo izao, fa ny mba hiaro azy amin’ny ratsy. Tsy naman’izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao».
- Ny fanaraoraotam-pahefana sy ny fanodinkodinana ny sain’ny olona araka izay ilàna azy (Abus de pouvoir et manipulation)
Fomban’ny mpitarika ny sekta izany, ka mahatonga ny fanenjehan’ny mpitondra fanjakana azy ireo. Hita miavaka tsara any amin’ny sekta, etsy andaniny, ny olona mpivavaka tsotra izay miaina ao anaty fahasahiranana eo amin’ny fiainana andavanandro, kanefa mbola itakiana fandraisana anjara be dia be lazaina aminy fa “asan’Andriamanitra”, ary etsy ankilany kosa, ny mpitarika izay migalabona amin’ny harena sy ny fananana be. Tsy misy fanazavana hentitra entin’ny mpitarika momba ny antony hanangonan-javatra na vola, sy ny tanjona kendrena amin’ny hampiasana izany. Mazava ho azy fa tsy misy tatitra koa momba izany. Ny fikambanana rehetra tsy afaka manome fanazavana ho an’izay mangataka izany ny fomba fitantanany ny fananana rehetra nangoniny, dia azo ahiahiana ho manao fanodinkodinana sy manaraoraotra fahefana hanafenana ny marina tokony ho fantatra. Ilaina mandrakariva ny mangarahara (transparence) mba hisorohana ny fanaraoraotam-pahefana. Tafiditra ao anatin’io fanaraoraotam-pahefana io ny fanahidrahidrana tafahoatra ny toeran’ny mpitarika, izay mahatonga fanompoana mihitsy ny mpitondra – na avy amin’ilay mpitondra manokana no iavian’izany, na ny manodidina azy no mamboly sy manolokolo io fanompoana io – (culte de personnalité).
Misy endriny maro sy fomba samihafa ampiasain’ny mpitarika sasany hanodinkodinana ny sain’ny olona tsotra mba hahazoany tombontsoa ho an’ny tenany manokana. Anisan’izany ny ny fampitahorana sy ny fampiasana tafahoatra ny fihetseham-pon’ny olona mpihaino amin’ny alalan’ny teny tsara lahatra.
Fandre matetika ny «mpitoriteny» sasany mampitahotra hoe : «Ny tsy mahafaka ny fahoriana sy ny fahasahiranareo dia satria tsy ampy ny fanomezana ataonareo ho an’Andriamanitra». Misy koa toa marina, kanefa tsy filaza mivantana, satria mampitahotra na mahatonga fanafintohinana, toy ny ohatra hoe : «Rehefa tsy mahafoy ho an’Andriamanitra ianareo, na vola na fotoana, fa milaza hoe atokanareo hikarakarana ny ankohonanareo izany, dia tandremo fa mety alàn’Andriamanitra tsy ho anareo intsony ireo manahirana anareo ireo». Tena fanodinkodinana saina izany (manipulation intellectuelle). Mety ho fialana andraikitra hataon’ny sasany tokoa indraindray, mba tsy hanaovany ny anjara fanompoany sy ny adidiny, ny fanilihana amin’ny tsy fananana fotoana sy ny fikarakarana ankohonana ; kanefa, tsy tokony hampiasaina mihitsy ny fampahafantarana izany ho toy ny fandresen-dahatra, indrindra moa fa arahina fampitahorana.
Famitahana ihany koa ny fanomezana fampanantenana zavatra tsy azo antoka, toy ny hoe : «Ho afaka olana ary tsy ho sahirana intsony ianareo, fa hampanan-karena anareo Andriamanitra raha manome ho Azy ianareo… Honeran’Andriamanitra avo zato heny ny fanomezana ataonareo». Tahaka ny manao varodraikiraiky amin’Andriamanitra izany, ary fitaka ataon’ny olona fa tsy fanambarana ny sitrapon’Andriamanitra mihitsy. Mety ho fanodinkodinana hivaona ny hevitry ny Soratra Masina koa izany (jereo II Korintiana 8. 6-9).
- Ny famitahana ny olona eo amin’ny fanaovan-draharaha (Tromperie)
Misy ny famitahan-tena, kanefa misy koa ny famitahana ny hafa miseho eo amin’ny fanaovan-draharaha, fa indrindra amin’ny fanaovana adidy ho an’ny Fiangonana.
Endrika famitahan-tena izay nataon’i Ananiasy sy Safira voalazan’ny Soratra Masina. Famitahan-tena, satria te haka tahaka an’i Barnabasy izy (jereo Asan’ny Apostoly 4. 36-37), kanefa tsy resy lahatra akory. Te hiseho ho mpanome, na dia tsy misy manery azy ireo hanome akory aza, saingy matanjaka kokoa tao anatin’izy ireo ny fitiavan-tena, koa «nanafenany ho azy ny vola… dia nentiny ny vola sasany ka napetrany teo anoloan’ny tongotry ny apostoly» (Asan’ny Apostoly 5. 2). Alohan’ny hanomezana ho an’ny asam-piangonana, manontania tena tsara aloha, mba tsy hamita-tena, raha tena resy lahatra ny hanome ianao ary foinao tanteraka ve izay omenao. Ny fitiavana hisehoseho sy te hahazo sitraka eo imason’ny hafa dia mahatonga famitahan-tena, ka heloka lehibe eo imason’Andriamanitra izay mahalala ny miafina rehetra ao am-po.
Fa famitahana ny hafa koa ny mandainga eo imasony amin’izay heverina fa tokony ho vita kanefa tsy izany akory. Misy endrika iray tena isehoan’izany «lainga» izany eo amin’ny Fiangonantsika, izay mety tsy ho tsaroan’ilay manao azy akory ny maharatsy sy fahotana izany eo imason’Andriamanitra kanefa ataony ihany : Tsy mitovy ny fari-pananan’ny olona ka tsy azo lavina fa misy ny sahirana tokoa eo amin’ny fiainana.
Fa misy ny olona sasany, mody miseho ho miaro ireny sahirana ireny, kanefa raha ny marina dia ampiasainy ho fialana andraikitra izany ka afindrany amin’izy ireny ny tsy faharisihany hanao be araka izay mety ho vitany. Ny tarehin’isa no omeny lanja fa tsy ny fitiavana. Rehefa atao ny fanaraha-maso ny fanaovan’ny olona adidy ao am-piangonana, dia hita fa matetika izay olona heverina ho sahirana ara-pivelomana no mahavita kokoa matetika noho ny olona sasany tokony hahavita ny azy araka ny tokony ho izy. Tena mampahatsiaro ny fanamarihana nataon’ny Tompo Jesoa Kristy nanoloana ilay mpitondrantena malahelo anankiray nandatsaka farantsakely roa tao amin’ny tempoly izany (vakio Lioka 21. 2-3 ). Aza ny hafa no jerena, fa izay mety ho vitan’ny tena. Lainga sy fitaka mahameloka eo anatrehan’Andriamanitra ny mody miaro ny hafa mba hanamarinan-tena amin’ny tsy faharisihana hanao.
M.-C. Collas, ao amin’ny bokiny momba ny «Fahafolon-karena sy ny Rakitra», rehefa avy namaritra fitaka azo sorohina tsara ka manolotra izy fomba telo izay mety atao amin’ny fanaovana adidy :
Fanodinkodinana ny fanomezana : nambaran’ny Tompo Jesoa mazava tsara tamin’ny resaka fanakianana nataony ho an’ireo fariseo mpihatsaravelatsihy mikasika ny fanodinkodinana ny fampianarana voatolotra izany. Hoy Jesoa hoe : «Hay! Tsara ny nahafoizanareo ny didin’Andriamanitra mba hitandremanareo ny fampianarana voatolotra anareo! Fa hoy Mosesy :“Manajà ny rainao sy ny reninao”, ary koa “Izay miteny ratsy ny rainy sy ny reniny dia hatao maty tokoa”. Fa hoy kosa ianareo : Raha misy olona milaza amin’ny rainy sy ny reniny hoe : Efa korbana (izany hoe, fanatitra ho an’Andriamanitra ) izay rehetra tokony hahazoanao soa avy amiko, dia tsy avelanareo hanao na inona na inona ho an’ny rainy sy ny reniny intsony izy, ka dia foananareo ny tenin’Andriamanitra amin’ny fampianarana voatolotra anareo, izay nasainareo hotandremana ; ary zavatra maro mifanahatahaka amin’izany no ataonareo» Marka 7. 9-13. Namboarin’ny fariseo ny Lalàna mba hahazoana manodina ny fanampiana ho an’ny ray aman-dreny. Tsy vitan’ny tsy nankatoavina ny lalàna efa misy, fa mbola mody navadika ho toy ny adidy ho an’Andriamanitra indray ny fanomezana, kanefa raha ny marina dia fitiavan-tena sy fialana andraikitra eo anoloan’ny zava-misy izany.
Mila mamantatra ny Fiangonana fandrao misy tetika ambadika tsy hikarakarana ny havana akaiky (ray amandreny, vady, zanaka) ny fialokalofana amin’ny «fanaovana adidy amin’Andriamanitra». Tsaroana ilay fiteny mahazatra ny maro (misy fahamarinany, kanefa tsy azo roritina amin-javatra hafa ny hevitra fonosiny), hoe :«Manomboka ho an’ny tena ny asam-pitiavana voarindra tsara» (charité bien ordonnée commence par soi-même). Miainga avy amin’ny fahatsiarovantena ny fahatsiarovana sy fandraisana andraikitra tena miorina tsara.
Fanilihana amin’ny Fiangonana ny tokony ho fanampiana ara-pivelomana raisintsika : Entina manazava izany ny tenin’ny apostoly Paoly nampitainy tamin’i Timoty mba ho enti-nananatra ny Fiangonana. Hoy ny apostoly hoe : «Fa raha misy mpitondratena izay efa mpitondratena manana zanaka na zafy, aoka ireo hianatra aloha haneho izay toe-panajhy araka an’Andriamanitra amin’ny ao an-tranony ka hamaly soa ny rainy aman-dreniny ; fa izany no ankasitrahana eo anatrehan’Andriamanitra… Fa raha misy tsy mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza» I Timoty 5. 4, 8.
Maro dia maro ny lisitry ny olona mitady fanampiana amin’ny Fiangonana, ka tsy maintsy sivanina tsara izay tena mila ampian’ny Fiangonana tokoa sy ny tsy mila ampiany. Misy fanampiana mivantana raisin’ny Fanjakana ho an’ny olona sahirana ara-pivelomana ; misy ny fanampiana mety ataon’ny fianakaviana mivantana. Fa tsy ailika ho andraikitry ny Fiangonana avokoa ny asa fanasoavana rehetra, na dia manao tokoa aza ny Fiangonana ho fanatanterahana ny baikon’ny Tompo (vakio Matio 5. 42 ; 6. 2-4).
Miasa mba tsy hahatongavana ho vesatra amin’ny hafa : Hoy ny apostoly Paoly tamin’ny Tesaloniana hoe : «Ary mandidy anareo izahay, ry rahalahy, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika, mba hialanareo amin’ny rahalahy izay tsy mitoetra tsara ka tsy manaraka ny fampianarana natolotra izay noraisinareo taminay. Fa ny tenanareo mahalala izay tokony hianaranareo anay; fa nitoetra tsara teo aminareo izahay, ary tsy nihinana foana izay hanin’olona, fa niasa andro aman-alina tamin’ny fikelezan-aina sy ny fisasarana mba tsy hahavaky tratra na dia iray akory aminareo aza… Fa fony mbola teo aminareo aza izahay, dia nandidy anareo hoe : Raha misy tsy mety miasa, dia aoka tsy hihinana izy… Fa renay fa misy ny sasany eo aminareo tsy mitoetra tsara, ka tsy miasa akory, fa mivezivezy foana miraharaha ny an’olona. Ary izay manao toy izany no didinay sy anarinay ao amin’I Jesoa Kristy Tompo mba hiasa tsara amin’ny fiadanana ka hihinana izay azy ihany. Fa ianareo, ry rahalahy, aza ketraka amin’ny fanaovan-tsoa» II Tesaloniana 3. 6-8, 10-13. Zava-nisy tany Tesalonika, ary mbola misy eo anivon’ny Fiangonana mandraka ankehitriny, ny «mpanaraoraotra», mialokaloka amin’ny fanampiana raisina avy amin’ny Fiangonana. Marihina fa teo amin’ny Fiangonana rahavavy katolika dia nisy ny Fikambanan-drelijiozy nijoro, natsangan’i Md François d’Assise, nanao ho zava-dehibe ny fandehanana mitory ny Filazantsara, miezaka manatanteraka ny tenin’ny Tompo hoe : «Aza mitondra kitapom-bola, na kitapom-batsy, na kapa… », koa mivelona amin’ny fanampiana omen’ny olona. Hafa noho ireo «mpanaraoraotra» izany fikambanana «Franciscains» izany. Azo ampitoviana ihany koa amin’ny nataon’ireo «Iraka» nirahin’ny Fifohazana tany Soatanàna nanangana Fiangonana sy namelona ny finoan’ny kristiana nihozongozona tratry ny fitsapana tamin’ny taona 1895 tany Madagasikara.
Mila fitaizana tokoa, kanefa, ny Fiangonana mba tsy hialokaloka amin’ireo miasa maimaimpoana (bénévoles) ho azy, na ireo tsy mila fanampiana firy. Asan’ny Fiangonana ny mamelona ny mpiasa ao aminy, araka ny tenin’ny Tompo Jesoa Kristy, hoe : «Fa ny mpiasa miendrika hahazo ny karamany» Lioka 10. 7. Ho fampiharana ny vokatry ny Filazantsara notorina, dia mananatra sy mampahery ny Fiangonana manoloana ny fandraisany andraikitra sy ny fanaovany ny adidiny ny apostoly Paoly , ka hoy izy hoe : «Miambena ianareo, tomoera tsara amin’ny finoana, aoka hitomban-dahy, mahereza. Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin’ny fitiavana» I Korintiana 16. 13-14.
© Rev. Dr Jean A. RAVALITERA – Paris, novambra 2007 –
Recommended Posts
NY FAHAMATORANA ARA-PANAHY
janvier 04, 2017
NY FITONDRAN’ANDRIAMANITRA
janvier 03, 2017
FANDALINAM-PINOANA
janvier 03, 2017