FANDALINAM-PINOANA
FIANGONANA VELONA SY MITOMBO HATRANY
– Une Église vivante et en constante croissance –
« Fandrosoana » araka ny sitrapon’Andriamanitra
– Croissance selon la volonté de Dieu – Jn 3.30

« Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena», hoy Jaona Mpanao-batisa raha nanambara indray an’i Jesoa tamin’ny mpianany izy, taorian’ny tatitra niaraka tamin’ny fanamarihana nataon’ny iray tamin’izy ireo hoe: «Ilay tany aminao tany an-dafin’i Jordana izay nambaranao, indro, manao batisa Izy, ary ny olona rehetra manatona Azy» (Jaona 3, 30). Noheverin’ilay mpianatra, angamba, fa tsy tokony hihoatra an’i Jaona izay nampahafantatra Azy ary niasa sy efa nahataona olona maro hanaraka azy talohany i Jesoa Kristy. Toa te hilaza koa ilay mpianatra fa «tsy ho nahafantatra io Jesoa io akory ny olona raha tsy ianao Jaona no nanambara Azy». Ao an-tsain’ny olona mandrakariva ny toe-tsaina tia mifaninana, etsy andaniny, ary ny tsy fankasitrahana kosa ny toa zava-baovao entin’ny hafa izay heverina fa mety handrava ny efa nahazatra etsy ankilany, na fara-faharatsiny manelingelina ny fisehoan’ilay efa nahazatra. Mora resahina ny hoe «fandrosoana», fa tsy mitovy amin’ny olona rehetra kosa ny fandraisana ny hevitra raiketin’izany teny izany.
Tsara marihana tamin’ny valinteny nataon’i Jaona ny fanoritany ny tokony ho fahatsiarovantenan’ny mpanompon’Andriamanitra rehetra irahina hanatanteraka asa voafaritra sy mazava tsara. Mametraka mazava ny «fandrosoana» araka ny sitrapon’Andriamanitra i Jaona. Tsy fikatsahana ny voninahitry ny tenany, na izay mety ho fiheveran’ny olona momba azy no zava-dehibe aminy, fa ny hisongadinan’ny antony nanirahana azy (l’objet de sa mission). Tsy nanao afa-tsy izay antony nanirahana azy izy ka tsy mila mitady zavatra hafa ivelan’izany, na tombontsoa manokana ho an’ny tenany, fa ny fifaliany dia satria vita ny asany ary hita sy fantatry ny olona iresahany izany.
Ny tatitra nataon’ny mpianatra tamin’i Jaona koa dia azo heverina ho fakana toky ny amin’ny any aoriana raha toa ka mbola tokony ilaina ny asa nampanaovina, na tsia.
« Fiangonana manana an’i Kristy ho Lohany »
– « Eglise ayant le Seigneur comme Chef » –
«Tenan’i Kristy ny Fiangonana». Voafaritra mazava tsara ao anatin’ny Fanekem-pinoana apostolika tonontsika isan’Alahady izany Fiangonana izany: «Fiangonana masina manerana izao tontolo izao », ary koa «Fiombonan’ny olona masina»: inoantsika protestanta fa tsy ny maty akory no lazaina amin’izany fa ny «mino» sy ireo «tonga zanak’Andriamanitra» noho ny finoana sy firaisana amin’i Kristy (Galatiana 3, 26-29).
Ny Fiangonana mandroso sy mitombo dia tsy izay mitombo amin’ny endrika ivelany araka ny fahitan’ny olona azy, fa ny fitomboany dia amin’ny avy ao anatiny, vokatry ny fananany tokoa an’i Kristy ho Lohany mibaiko ny fitombon’ny tena rehetra. Tsy ny fahavoriana olona betsaka hanaraka, na ny fahazoana fananana maro hotehirizina no endriky ny fandrosoan’ny Fiangonana. Raha mbola fisainana sy hevitr’olombelona fotsiny ihany no manjaka ao amin’ny «fiangonana» dia tsy mbola an’i Kristy izy fa fikambanan’ny olona samy mikatsaka izay mahasoa sy mahafinaritra azy fotsiny ihany. Tsy mahagaga raha misy ny fifampialonana sy ny fifanenjehana ary ny fifampiandaniana, satria samy te ho lohany sy mpitarika daholo,ary samy mikatsaka izay mahasoa sy mahafinaritra ny tena manokana, fa tsy manaiky ho eo ambany fahefana sy fitarihan’i Kristy.
Misy fampianarana maro nataon’ny Tompo tamin’ny toriteniny tany an-tendrombohitra mba hosaintsainina lalina sy natao mba hiveloman’ny mpanara-dia Azy (jereo Matio 6-5-7). Ny famaranany io fampianarany io dia ny fanoharana nataony momba ny «trano naorina teo ambony fasika sy ny teo ambony vatolampy». Samy nandaniana fotoana sy fitaovana ary herimpo daholo ny fanorenana ireo trano ireo, fa ny naorina tsy tamim-pisainana lalina sy fitsinjovana ny ho avy dia mora rava raha vao misy tafio-drivotra. Azo heverina ho tahaka izany koa ny fiangonana nentanin’ny hafanampo sy ny fisehoana ivelany fotsiny ho «nanorina», kanefa tsy ampy fanorenana mafy.
« Asan’Andriamanitra feno ny mampitombo … »
– « Croissance : oeuvre de Dieu » –
Ny fanjakan’Andriamanitra dia noharin’i Jesoa ihany koa tamin’ny «voan-tsinapy izay nalain’ny olona ka nafafiny tany an-tsahany; fa kely noho ny voa rehetra izy, kanefa rehefa maniry dia lehibe noho ny anana ka tonga hazo, dia avy ny voro-manidina ka mitoetra ao amin’ny rantsany.»(Matio 13, 31) Io fanoharana nataon’ny Tompo io dia azo raisina ho sarin’ny fitomboana sy fandrosoan’ny Fiangonana. Misy finiavana hamafy, kanefa koa fantatry ny mpamafy ny tany amafazana fa tsy atsipitsipy foana ny voa, ary mihoatra ny saintsika olombelona ny vokatra azo, fa TENA ASAN’ANDRIAMANITRA FENO NY MAMPITOMBO SY MIKENDRY IZAY ANTONY ILÀNY NY FIANGONANY.
« Miantso ny olombelona Izy hiara-miasa Aminy »
– « Dieu nous appelle à être ses collaborateurs » –
Manaiky hiara-miasa amintsika olombelona Andriamanitra, na dia manam-pahefana feno sy mahavita ny zavatra rehetra na dia tsy misy antsika aza Izy. AZA ADINOINTSIKA NA OVIANA NA OVIANA FA FAHASOAVANA SY FITIAVAN’ANDRIAMANITRA ARY FANOMEZANY VONINAHITRA ANTSIKA NO NIANTSOANY ANTSIKA HIARA-MIASA HAMPANDROSO NY FIANGONANY SY HANOMEZANY ANDRAIKITRA ANTSIKA. NA DIA MISY AZA NY OLONA SASANY METY HISANDOKA NY FITOKISAN’ANDRIAMANITRA, TSY AVELAN’ANDRIAMANITRA TSY HIHARIHARY ENY IHANY ANY AORIANA,NA HO ELA NA HO HAINGANA NY HARATSIAN’NY FONY, fa hoy Jesoa nampitandrina ny mpianany hoe : «Mitandrema ianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka, izay mankao aminareo amin’ny fitafian’ny ondry, fa ao anatiny dia amboadia mitoha izy. Ny voany no hahafantaranareo azy. Manoty voaloboka amin’ny tsilo va ny olona, na aviavy amin’ny songosongo ? Dia toy izany,ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara; fa ny hazo ratsy dia mamoa voa ratsy. Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara.» (Matio 7, 15-18) Ary koa, raha naniraka ny apostoly roa ambin’ny folo lahy Izy ka nanome toromarika ho azy ireo dia nampiomana hoe «fa tsy misy afenina izay tsy haseho, na takona izay tsy ho fantatra… Ary aza matahotra izay mamono ny tena, nefa tsy mahay mamono ny fanahy; fa aleo matahotra Izay mahay mahavery ny fanahy sy ny tena ao amin’ny helo.»(Matio 10, 26,28) Hakanosana sy tsy mampandroso ny Fiangonana mihitsy ny fanaon’ny sasany manao fary mitety reny manaratsy namana mba hazoan-tsitraka sy hiadian-toerana hahazoana fahefana. Mety hahazo rariny amin’ny ivelany samy olombelona mitovy hevitra aminy ihany angamba izay manao izany, fa tsy hahita fitia na oviana na oviana eo anatrehan’Andriamanitra, fa hoy ny Soratra Masina hoe : «Raha fatra-paniry ny zava-panahy, dia izay hampandroso ny fiangonana no tadiavo indrindra… Fa Andriamanitra tsy tompon’ny fikotranana, fa tompon’ny fiadanana.» (I Korintiana 14, 12,33)
Dingana vitsivitsy hizorana amin’ny fananana « fanahin’ny Fiangonana »
– Quelques étapes pour avoir un « esprit d’Eglise » –
Indreto atolotra hosaintsainintsika lalina ireto dingana vitsivitsy manaraka ireto mba hahafahana miroso eo ambany fitarihan’ny Tompo hivoarana sy hitomboan’ny Fiangonana. Ireo dingana ireo no lalana hizorana amin’ny fananana «Fisainana ny Fiangonana» (esprit d’Église) – azo adika koa hoe :«fanahin’ny Fiangonana»- izay hafa noho ny fisainana na fanahy entina manangana fikambanana samihafa eo anivon’ny fiaraha-monina eto amin’izao tontolo izao. Ny antoka lehibe sy voalohany hahafahana manao ireo dingana ireo dia ny fiainam-bavaka sy ny fifotorana amin’ny fiaraha-mandinika ny Soratra masina. Maha-protestanta antsika rahateo ireo, miaraka amin’ny finoana fa ny fahasoavan’Andriamanitra irery ihany hahazoam-pamonjena (Sola Fide, Sola Scriptura, Sola gratiæ)
1. Ataovy aloha izay hananana Komity manana zava-kendrena mazava tsara ho an’ny Fiangonana sy fahavononana tanteraka handray andraikitra hahatongavana amin’izany tanjona kendrena izany.
– Un Comité prêt à s’engager totalement vers un objectif très précis pour l’Eglise –
Tokony ho fantatry ny tompon’andraikitra tsara ny zavatra tadiavina hatao ao amin’ny Fiangonana. Mihoatra noho izany aza dia tsy maintsy fantarina izay mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Marihina tsara fa tsy mety ho fantatry ny tompon’andraikitra mandeha ara-tsaina fotsiny fa tsy mitolona amam-bavaka eo am-panaovana ny asany izany.
Misy FANOMEZAM-PAHASOAVANA ROA ( 2 dons spirituels nécessaires) tsy maintsy ilaina amin’izany:
A. Ny Finoana – La foi – araka izay lazain’ny apostoly Paoly ao amin’ny I Korintiana 12, 9.
Aza ampifangaroina mihitsy ny finoana sy ny fanaovana rainazy (laisser-aller) ho an’ny tsy te hisahirana sy mitokitoky foana. Mila fandinihana mialoha sy fiomanana ny zavatra hatao rehetra. Ny finoana dia fetezana ho eo ambany fitarihan’Andriamanitra ary arahim-pahatokisana fa hanampy Andriamanitra mba hahatanteraka izany, rehefa naharesy lahatra taorian’ny fitolomana amam-bavaka fa araka ny sitrapony tokoa izany. Ny tsy manam-pinoana dia ireo izay be fanahiana tafahoatra eo amin’ny fanaovana ny asan’Andriamanitra ka mandany andro miady hevitra tsy arahim-piniavana hiroso amin’ny asa sy be kajy mialoha araka ny sain’olombelona ihany. Matetika dia tsy mijery afa-tsy ny tenany ny tompon’andraikitra manana izany fisainana izany, ka ny fahalemeny sy ny tsy fahavononany no afindrany amin’ny hafa, ary tahaka ny tsy misy eo anatrehany Andriamanitra mampiasa. Hoy ilay mpandinika iray, W. Johnson hoe : «Voatemitra sy narafitra tamin’ny fikasana tsara tsy notanterahina ny lalana mankany amin’ny fahaverezana » (La route de l’enfer est cernée et pavée de bonnes intentions). Manàna mihitsy fahasahiana manao tombanezaka (évaluation) ny fikasana hanao zavatra sy ny ezaka natao hanatanterahana izany. Aza miaro tena manilika ny tsy fahombiazana amin’ny hafa fa diniho tsara aloha ny tenanao. «Fantaro ny tenanao », hoy ilay olon-kendry grika, i Socrate (gnothi seautôn = connais-toi toi-même).
« …omen’Andriamanitra saina sy fomba fijery hafa ary hevi-baovao … »
Rehefa mandeha amin’ny finoana dia matetika omen’Andriamanitra saina sy fomba fijery hafa (une nouvelle vision) sy hevi-baovao (une nouvelle inspiration) tsy araka ny ampoizina mihitsy mba hanaovana ny asa, ka misy hatrany olona tsy eritreretina akory manaiky hiara-miasa amim-pahatsorana hanampy hahatontosa ny asa. Aza adinoina fa manan-karena olona sy fitaovana omeny antsika ao amin’ny Fiangonana Andriamanitra, fa matetika isika no tsy mahay mitsirika sy mampiasa izany, rehefa entim-pahazarana sy tsy te hanova ny zava-misy hatrizay. Aza maika hahita fahombiazana avy hatrany kanefa, fa hevero ny fanoharana nataon’ny Tompo momba ny Fanjakan’Andriamanitra tahaka ny lehilahy mamafy voa amin’ny tany (Matio 13, 26-29). MAMITAKA NY FANDROSOANA TAMPOKA KA MILA FANDINIHANA TSARA FANDRAO TETIKA ATAON’NY DEVOLY. ERITRERETO TSARA IREO FAKAM-PANAHY NATAO HO AN’NY TOMPO TALOHAN’NY NANOMBOHANY NY ASANY. Tsy iandrasam-pahagagana na izay hampiorika ny mpitazana ny fandrosoan’ny asan’Andriamanitra fa mandeha tsikelikely (pas à pas) araka ny fandaharan’Andriamanitra tompon’ny asa azy.
B. Ny fahaiza-mitarika – Un don de direction – no fanomezam-pahasoavana faharoa tsy maintsy ilaina.
NY FINOANA DIA HAHALALANA IZAY SITRAPON’ANDRIAMANITRA, FA NY FAHAIZA-MITARIKA KOSA DIA FANATANTERAHAN’NY TOMPON’ANDRAIKITRA NY ASA AMIM-PAHAKINGANA SY AMIM-PAHAIZANA (HABILETÉ ET COMPÉTENCE) MBA HAHATRARANA NY TANJONA. Mazava ho azy fa mila fiofanana mba hananana izany fahaizana izany, kanefa koa tsy azo hamaivanina mihitsy ny asan’ny Fanahy Masina manome fahazavan-tsaina hampiasana izany. Ao anatin’ny fahaiza-mitarika ny finiavana hitady ny fomba sy ny fitaovana ary ny tetik’asa rehetra mbamin’ny mpiasa hanampy hahatontosa ny asa. Noho izany dia anjaran’ny mpitarika mahay ny mikaroka ny fanentanana mety handresen-dahatra ny olona hahatsapa fa tena ilaina tokoa sy araka ny sitrapon’Andriamanitra ilay zavatra atao (motivation vers l’objectif divin). Ilaina mandrakariva ny fiofanana sy fifaneraserana amin’ny hafa mba hakana lesona (esprit d’ouverture). Tokony hanana anjara toerana lehibe amin’ny fampiharana izany ny Mpitandrina, noho izy nahazo fiofanana manokana momba ny fanabeazana sy fitarihana ny vahoakan’Andriamanitra.
2. Ataovy izay hisian’ny tompon’andraikitra mahay tsara ny andraikitra ankinina aminy sy manana fanomezam-pahasoavana mifanandrify amin’izay andraikitra omena azy hotontosaina.
– Responsable connaîssant bien son rôle et ayant un don spirituel pour l’accomplir –
Hoy ny apostoly Paoly tamin’ny fiangonana tany Korinto, ary tsy azo lavina fa mihatra amin’ny fiangonana kristiana rehetra koa izany, hoe : «Zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana, nefa ny Fanahy dia iray ihany. Ary zarazaraina ho samy hafa ny fanompoana, nefa ny Tompo dia iray ihany. Ary zarazaraina ho samy hafa ny asa, nefa Andriamanitra dia iray ihany, Izay miasa ny zavatra rehetra amin’ny olona rehetra.»(I Korintiana 12, 4-6) NY TSY MAMPANDROSO NY ASA MATETIKA DIA NY TSY FINIAVANA NA TSY FAHAIZANA MITSIRIKA IREO FANOMEZAM-PAHASOAVANA SAMY HAFA IREO, KA MAHATONGA NY FIHEVERAN’NY SASANY FA AZY NY FIANGONANA, AMPIASAINY ARAKA NY ILÀNY SY ITIAVANY AZY. Ny tsy fetezan’ny olona handray andraikitra dia matetika noho ny antony roa : na tsy ampy fahalalana sy fahamatorana ara-panahy izy ka mila fitaizana sy fanabeazana bebe kokoa (édification) ; na heverin’ny mpitarika ho «zaza» mandrakariva izy ka tsy mba avelany hivelatra fa feheziny ho eo ambany fitantanany mandrakariva. Misy ny fotoana «fitantanana» ho an’ny vaovao eo am-panombohana, kanefa tsarovy fa tsy voatery ho tsy maintsy mitovy mandrakariva ny fahazoana traikefa (expérience). Ny mety ho mahomby amin’ny anankiray dia mety ho amin’ny endrika hafa kosa ny hisehoan’izany amin’ny hafa. Fitiavantena sy tsy ahitam-pahombiazana ny manery ny fomba fijerinao ho an’ny hafa eo am-panatanterahana asa iray. MARIHINA TSARA kanefa fa : Ho an’ny olona «matahotra an’Andriamanitra» (amin’ny heviny hoe manome voninahitra an’Andriamanitra ka tsy te hanaonao foana ny asany) izany fanamarihana izany, fa tsy ho an’ny «tsy matahotra an’Andriamanitra fa jamban’ny fireharehana» ka mampifilafila sy miandry fiangaviana mafy vao mety hanao, na dia fantany mazava tsara izao aza fa mety ho vitany tsara ny asa tiana ampanaovina azy.
TENA ILAINA NY FIZARANA ANDRAIKITRA, KANEFA AOKA HO ARAKA NY FAHAIZANA SY FANOMEZAM-PAHASOAVANA ANANAN’NY TSIRAIRAY NY FANAOVANA IZANY. «Aza mitomany randrana manendrika ny hafa», hoy ny fahendren’ny razantsika Malagasy. «Tsy misy mafy tsy laitran’ny zoto», hoy ihany koa anefa ny fahendrean’ny razantsika. Midika izany fa rehefa mandray andraikitra ka tsy mitompo teny fantatra fa mahay miezaka hianatra mba hahay sy hivoatra, dia mety hahavita tsara. NY TSY TE HIVOATRA SY HANDROSO DIA FALY MIANINA AMIN’NY FANAKIANANA FOTSINY NY HAFA MANDRAY ANDRAIKITRA MBA HANAFENANY NY TSY FAHAIZANY SY NY TSY FAHALALANY. Mazava ho azy fa ny tia ny asa sy ny voninahitra omen’Andriamanitra NIANTSO HO AMIN’NY FANOMPOANA dia mahay manetry tena ka mandefitra manoloana ny tsy tokony ho vitany fa manaiky kosa hianatra sy handalina mba hahavitany tsaratsara kokoa izay azony tanterahina araka nyandraikitra nomen’ny Tompo azy. Zava-dehibe mihitsy ka aza adinoina na oviana na oviana izao : Tsy ny fananana fotoana ampy hahafahana manao no hahavitan-javatra tsara fa ny finiavana sy fahaizana mampiasa ny fanomezam-pahasoavana nomen’Andriamanitra (Ce n’est pas la disponibilité qui rend capable et compétent mais la prise de conscience du don spirituel). Rehefa mifofotra amin’ny fiainam-bavaka ny fiangonana dia omen’Andriamanitra mpanompo mahavita sy vonona hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra.
Ny vokatr’izany tompon’andraikitra mahay sy manana fanomezam-pahasoavana izany dia manjary ahitana eo anivon’ny fiangonana :
-
aina sy hery vaovao ary famoronan-javatra mampandroso mandrakariva (énergie abondante et une créativité productive)
-
tompon’andraikitra mahomby satria eo amin’ny toerana sahaza azy (responsables efficaces car bien à leur place).
3. Ataovy izay hisian’ny fanompoam-pivavahana tena hahatsapana fihaonana amin’Andriamanitra sy handraisana hery avy any ambony hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra sy hanehoana ny voninahitr’Andriamanitra.
– Culte : moment de rencontre avec le Seigneur, source d’énergie pour accomplir Sa Volonté, manifestation de Sa Gloire –
Ny fanompoam-pivavahana dia zava-dehibe tokoa eo amin’ny fiainan’ny Fiangonana ary azo lazaina fa fitaratra ahitana ny fandrosoany. Tanjona roa no kendrena amin’izany fanompoam-pivavahana izany :
-
miaina ara-panahy sy mitombo amin’ny finoana ka mazoto hanao ny asan’Andriamanitra ny vahoaka kristiana;
-
itoriana ny Filazantsara ireo mbola tsy mpino.
« Mivavaka » fa tsy « miangona »
Tokony esorina eo amin’ny fisainantsika aty an-dafy ny fahazaran-dratsy tamin’ny andron’ny «Rebik’ondry» fahiny tany Madagasikara, ka tonga «hiangona» ny olona fa tsy tonga «hivavaka». Tsy fihaonana hifankahitana sy hifampizarana izay mavesatra ary hanaovana tora-po ny fiangonana, fa hanovozana aim-panahy avy amin’ny vavaka sy ny tenin’Andriamanitra mba ho enti-miatrika ny fahasahiranana eo amin’ny fiainana andavanandro. Tsy tokony ho hita ao am-piangonana ny fifampiandaniana sy ny fifanaratsiana (na dia tsy voatery hitovy hevitra avokoa aza ny rehetra amin’ny raharaha dinihana), fa ny efa tranainy na ny vaovao dia tokony samy hahatsiaro firahalahiana sy fifankatiavana tokoa izay nambaran’ny Tompo Jesoa kristy fa marika ivelany ahafantaran’ny olona ny maha-mpianany (cf. Jaona 14, 34-35)
Ireto misy torohevitra vitsivitsy hatao ao am-piangonana amin’ny fanompoam-pivavahana isan’Alahady mbamin’ny fotoana hiangonana:
A. Mila fiomanana tsara ho an’izay rehetra hitarika sy handray anjara amin’ny fanatanterahana ny fanompoam-pivavahana
– Nécessité d’une bonne préparation pour tous les officiants –
Aza miteny ratsy ny Fanahy, ka ny kitoatoa atao dia lazaina fa tarihin’ny Fanahy Masina. Ho an’izay mitarika dia fidio tsara ny hira sy ny teny hifanaraka amin’ny foto-kevitra banjinina, fa tsy araka izay mahafinaritra anao fotsiny. Izay hamaky teny dia omany tsara mba tsy ho diso ary aza amboamboarina ny teny fa lazao mazava tsara araka ny voasoratra. Izay hitari-bavaka dia aza alaim-panahy hanao tora-po hanala izay mahavesatra ny tenanao, fa hevero ho misolovava ny olona rehetra ianao (tsy mampaninona mihitsy raha voasoratrao ny vavaka ka vakina, raha toa ka mbola tsy zatra na matahotra ny hiboredika imasom-bahoaka). Ho an’izay hitory ny tenin’Andriamanitra dia saintsaino sy hevero tsara fa ianao aloha no voalohany tokony ho resy lahatra sy voaovan’ny teny torinao, koa matahora an’Andriamanitra raha tsy ny teniny no torina fa fanenjehana olona sy fampitana ny hevitrao fotsiny. Aza atao fanao mihitsy ny manendry olona tampotampoka fa ampiomano mialoha na dia izay hananty rakitra aza.
B. Aza adinoina ny miarahaba ny rehetra tonga (accueillant), fa indrindra ireo izay sambany tonga hanatrika ny fanompoam-pivavahana.
D. Raha mety dia akekezonareo efa tranainy ireo vaovao (rassurer les nouveaux) mba hahatonga azy tsy hiambakavaka sy ho sahirana tsy mahalala ny tokony hataony mandritra ny fizotry ny fanompoam-pivavahana.
E. Ezaho mba ho fiteny tsotra sy mazava no hatao (parler simplement et clairement) fa tsy hanamboarana fomba fiteny na fihetsika mety hampitodika ny sain’ny olona tsy hifototra amin’ny fanompoam-pivavahana.
F. Tokony ho fotoam-pifaliana sy fankalazana an’Andriamanitra ny fanompoam-pivavahana (culte : moment de joie et de louange), koa fadio ny mitarazoka sy ny be pintsony, ary tezaina tsikelikely ny olona tsy ho voasakana tsy haneho ny hafaliany kanefa amim-pahamendrehana fa tsy tafahoatra ny mety.
G. Aorian’ny fanompoam-pivavahana dia mahavara ny manatona sy mandray tanana ny olona tonga, fa indrindra ireo vahiny. Fanaraoraotana hakana dinidinika avy aminy mba hifankahalalana bebe kokoa izany. Tsara sy mety ny mahazatra ny fiangonana sasany manao fikoranana kely sy fiaraha-misotro ranom-boankazo (une collation après culte), araka izay azo atao.
H. Tsara raha mitohy amin’ny fihaonana amin’ny andro iray hafa ao anatin’ny herinandro any an-tokantrano isam-paritra ny fiarahana (cellules de quartier dans la semaine) mba hiara-mivavaka sy handinika Soratra Masina.
4. Ataovy zava-dehibe ny fankatoavana ny fitsipika ifampifehezana eo amin’ny Fiangonana
– Importance de la structure confirmée et de la discipline dans l’Église -.
Ao anatin’ny fankatoavana ny fitsipika ifampifehezana ny FANAJANA NY RAFITRA NATSANGANA (Structures confirmées). Ny Fitsipika sy ny Rafitra atsangana rehetra dia natao ho aro fanina, fitaovana hifehezana ny olona mba tsy hivaona fa hanao ny asany araka ny tanjona sy zava-kendrena, dia ny fandrosoana ao amin’ny Fiangonana. Ataoko amin’ny teny frantsay mba tsy hiova ny fandraisana ny hevitra tiana holazaina momba ny Fitsipika sy ny ny Rafitra, araka ny famaritana efa nataon’ny mpandalina momba izany : «Les règlements intérieurs el la structure ne devront jamais devenir un but en soi, au contraire , ils resteront toujours un moyen pour délimiter les methodes pour atteindre le but, c’est-à-dire, servir la croissance de l’Église en quantité et en qualité.» FAKAM-PANAHY MANDRAKARIVA HO AN’NY TOMPON’ANDRAIKITRA SASANY NY MANAMBOATRA NY FITSIPIKA SY MANAO NY RAFITRA HIFANARAKA AMIN’NY TOMBON-TSOANY. Izany no isan’ny antony lehibe nahatonga ny fanitsiam-pivavahana ka nampiendaka ny protestanta tamin’ny Fiangonana katolika tany aloha. ISAKY NY MISY OLONA TSY MIVONON-KANAJA NY FITSIPIKA SY NY RAFITRA NATSANGANA FA MITADY HANAMBOATRA HO AN’NY TENANY SY IZAY MPANARA-DIA AZY, DIA TERAKA FOANA NY FIKORONTANANA MIAFARA AMIN’NY FISARAHANA. Mila fanavaozana hatrany kanefa ny Fitsipika sy ny Rafitra mba hifanaraka amin’ny zava-misy takian’ny vanim-potoana iainana (structures appropriées et contextuelles), fa tsy maintsy tsinjovina hatrany ao anatin’izany ny fitohizana fandrao manovanova foana (assurer toutefois la continuité).
Nanome torolalana hahafahana manangana Fitsipika anatiny ho an’ny Fiangonana ny Tompo Jesoa Kristy araka izay hita ao amin’ny Matio 18. Raha voahajan’ny kristiana ireo dia azo antoka fa mandroso ny Fiangonana. Sarotra sy mahatonga fahasahiranana ihany kanefa ny manaraka ara-bakiteny ireo izay voasoratra araka ny voalazan’ny Tompo ireo (fa ny foto-kevi-dehibe dia tsy miova sy tokony hataon’ny mino rehetra araka ny tokony ho izy). Manome fomba fampiharana ny Fitsipika mifehy mivantana kokoa eo amin’ny fiainam-piangonana ny apostoly Paoly, araka ny soratany ao amin’ny I Korintiana 5 : raha tsy esorina na roahina hiala ao amin’ny fiangonana ny olona efa hita fa tsy mety mibebaka, mikiribiby amin’ny fahotany, dia mitarika fahasimbana ho an’ny Fiangonana manontolo izany. Rehefa an-taonany maro koa ny olona no tsy mandray anjara intsony amin’ny fiainam-piangonana, ary nialana nenina nifampidinihana kanefa tsy miraharaha mihitsy, dia midika ho fanalany ny tenany tsy ho isan’ny Fiangonana izany ka tsy tokony hampisalasala akory ny manaisotra ny anarany tsy ho ao anatin’ny bokim-piangonana. Vato misakana ny fampandrosoana ny hena-maso ny olona efa fantatra tsy hanao zavatra. Matetika dia mahazo vahana ireny olona ireny ary mitsofoka indray rehefa hitany fa misy fampikorontanana azony isisihana. Sary an’ohatra azo akana lesona eo amin’ny fiainan’ny zava-boary izao : Ny foto-kazo fihinam-boa tsy rantsanana amboarina, dia tsy hitondra voa intsony, na hanome voa ihany fa saingy voa ratsy sy madinika (un arbre fruitier qui n’est plus taillé, ne portera plus de fruit, sinon rien que de mauvais fruit !)
5. Asan’ny Fiangonana voalohany indrindra sy andraikitra nomena ka nanorenan’ny Tompo azy ny fitoriana ny Filazantsara arahin’ny asa fanasoavana
– Priorité à l’évangelisation et à une diaconie orientée vers les besoins –
Ny fitambaran’ireo roa ireo no antsoina hoe «ASA MISIONA». Tsarovy mandrakariva ny tenin’ny Tompo tamin’ny mpianany hoe : «Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa :izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa ; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin’ny Ray. »(Jaona 14, 12) MIARA-DALANA MANDRAKARIVA NY ASA FITORIANA NY FILAZANTSARA SY NY FANAOVANA ASA SOA (diaconie).
Vokatra sy fanehoana ny finoana fa tsy miteraka ny finoana akory ny asa, araka ny voalazan’i Jakoba (Jakoba 2, 16-20). Rehefa itoriana ny Filazantsara ny olona dia tsy ny hanao izay hahafaly azy akory no anton’ny asa fanasoavana atao aminy, fa mba hamaly ny zavatra tena ilainy hampivelatra ny fiainany (Les œuvres de la diaconie résultant de l’annonce de l’Évangile ne cherchent pas à vouloir faire plaisir aux gens mais de répondre à leurs besoins fondamentaux).
«Ny Fiangonana tsy mitory ny Filazantsara dia safotra ao anatin’ny torimasom-panahy» (Une Église qui n’est pas missionnaire est démissionnaire). AZA ADINOINA MIHITSY FA BAIKO NOMEN’NY TOMPO ARY NAPETRANY HO TOY NY DIDIM-PANANANA (TESTAMENT) HO AN’NY MPIANANY NY FANIRAHANA HITORY, ARAKA NY Matio 28, 18-20. Raha revo amin-javatra hafa ny Fiangonana ka manamaivana izany, dia mora lavo amin’izay efa nampitandreman’ny apostoly Paoly ao amin’ny Galatiana 5, 13-15.
Fehiny – Conclusion – Ps 100.2 ; Heb 6.10 ; Jn 13.35
Ny Fiangonana velona sy mitombo dia ny Fiangonana miaina mandrakariva ny hafatra lazain’ny mpanao salamo hoe : «Manompoa ny Tompo amin’ny fifaliana ; mankanesa eo anatrehany amin’ny fihobiana»(Salamo 100, 2), sy araka ny taratasy ho an’ny Hebreo hoe :«Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany, raha nanompo ny olona masina ianareo sady mbola manompo ihany.»(Hebreo 6, 10). Ny Fiangonana mandroso dia fiombonan’ny olona masina miara-miasa araka ny fanirian’ny Tompo hoe : «Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo raha mifankatia.»(Jaona 13, 35).
Septambra 2006
Jean A. RAVALITERA
Recommended Posts
NY FAHAMATORANA ARA-PANAHY
janvier 04, 2017
NY FITONDRAN’ANDRIAMANITRA
janvier 03, 2017
FAMPIANARANA
janvier 03, 2017