NY FITONDRAN’ANDRIAMANITRA

«Ny fitondran’Andriamanitra sahala amin’ny masoandro avy andrefana ka mitsidika ny isam-baravarana»

Io ohabolana io no entina hanombohana ny voalohan-dahatsoratra eto amin’ity sehatra « Kolon-tsaina » ity. Izany ihany koa no andeha hiarahabàna ny FPMA Tafo Poitiers ny amin’ny nahatrarany ny faha-25 taonany. Fa ny « fitondran’Andriamanitra » tokoa no nomba ny tokantranon’ny mpino tsirairay avy ka nampaharitra azy teo amin’ny finoana, teo amin’ny asa fanompoana ary teo amin’ny fampandrosoana ny fiangonana.

« Sahala amin’ny masoandro avy andrefana ka mitsidika ny isam-baravarana » kosa raha raisina ny fisokafan’ity “tranon-kala”n’ny fiangonana FPMA Poitiers ity. Ny fahazavàna, izay reni-kevitry ny teny faneva tamin’ity jobily ity no ho tanteraka amin’ny ampahany iray lehibe amin’ny fisian’ny tranon-kala toa izao. Fiangonana vavolombelon’ny fahazavàna, mampitsidika ny mazava any an-tokantranon’ny rehetra, manakaiky ary manatona ny mpianakavin’ny finoana mandrakariva ka mitarika azy handeha sy hanaraka ny mazava dia Jesosy Kristy izany.

Maro mpampiasa ny « internet » amin’izao fotoana izao. Ary tena fitaovana iray mahomby eo am-pelatànan’ny fiangonana izy entina hifampitaizàna, hampitàna vaovao ary indrindra hifankaherezana. Ideràna manokana ny Biraom-piangonana nandray ny fanapahan-kevitra, no sady misaotra ny tompon’andraikitra fototra nahafoy ny ampahany be dia be tamin’ny fotoanany hanatontonsàna ity “tranon-kala” ity.

Ho anay eto amin’ny sehatra “Kolon-tsaina” dia tena zava-dehibe aminay izao satria raisinay ho adidy mandrakariva ny mampita ny kolon-tsaina malagasy amin’ny fomba rehetra. Tsara ihany ny manamarika ny amin’ny fahadisoan-kevitra sasany izay mampifangaro ny kolon-tsaina malagasy amin’ny fivavahana amin’ny razana izay tsy hiadian-kevitra eto na oviana na oviana na dia betsaka amin’ny Malagasy aza ny mbola mifikitra amin’izany. Kolon-tsaina izay ny ankamaroany dia tsy mifanipaka velively amin’ny maha kristianina raha tsy hilaza fotsiny afa-tsy : ny fahatahorana an’Andriamanitra, ny fifanajàna, ny fahalalam-pomba sy ny sisa…Ho hitantsika ato ny sehatra fampahafantarana ny ohabolana Malagasy, ny fomba malagasy sy izay mety ho kolon-tsaina mampiavaka antsika amin’ny firenena hafa.

Izy ity anefa toy ny “asa vadi-drano, tsy vita raha tsy ifanakonana”, ny “tao-trano rahateo tsy efan’ny irery” hoy ny ntaolo. Koa manentana no manantena antsika rehetra mana-ko ambara hifarimbona amin’ny fivoizana sy ny fanapariahana ny kolon-tsaina Malagasy eto amin’ity sehatra ity.

Izay no ela, kanefa ela tsy azo nolalovam-potsiny fa santa-pampidirana sy fanokafana. Mirary antsika àry ahita ny tandrify azy avy eto amin’ity tranon-kala ity ary koa eto amin’ny sehatra “Kolon-tsaina”.

 

Mamakia finaritra ry ray aman-dreny, ry zoky ary ry zandry isany !!!

RAVELOJAONA Tafitasoa

share

Recommended Posts