NY FAHAMATORANA ARA-PANAHY
NY FAHAMATORANA ARA-PANAHY
Pr Seth RASOLONDRAIBE
Nantes 13 – 14 Jiona 2009
Zaikabem-paritany FAfAn

Nandritra ny Zaikabem-paritany FAfAn 2009 izay natao tany Nantes tamin’ny sabotsy 13 sy alahady 14 Jiona teo dia nanao fampianarana mikasika ny lohahevitra « Ny fahamatorana ara-panahy » ny Mpitandrina Seth RASOLONDRAIBE, Mpanolotsaina ao amin’ny Birao Foibe FPMA, Talen’ny Soritr’Asam-Piangonana sady Mpandrindra ny Tafo Paris.
Indro omena antsika etoana ny ampahany voaray an-tsoratra tamin’izany fampianarana izany.
Mila mitombo raha te-ho matotra
Nambaran’ny mpitandrina Seth RASOLONDRAIBE tamin’izany fa ny fahamatorana ara-panahy no tanjon’ny mpino Kristiana tsirairay. Mba ahatongavana amin’izany tanjona izany dia nampatsiahiviny fa ilaina ny fitomboana (ara-panahy). Nomarihiny ihany koa fa tsy safidy akory io fitomboana io fa làlana tsy maintsy izorana raha te-ho velona ara-panahy.
Ny fiaingan’izany fitomboana izany dia teo amin’ny Batisa na teo amin’ny nandraisana an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy.
Nambarany fa lafiny telo no azo itarafana izany fitomboana ara-panahy izany :
-
fifandraisana amin’Andriamanitra
-
fifandraisana amin’ny mpino sy ny olona namana
-
fifandraisana amin’izao tontolo izao
Raha ny Soratra Masina no jerena dia ireto teny ireto no enti-maneho ny fahamatorana ara-panahy : “tsy misy tsiny”, “lehilahy lehibe”.
Ny tsi-fahamatorana kosa dia ireto no maneho azy : “fahazazana”, “mpianatra”, “anaka”.
Ohatra ara-pilazantsara maneho ny tsi-fahamatorana
Rehefa vita izany dia nasehon’ny Mpitandrina Seth RASOLONDRAIBE toetra telo ahafantarana ny tsi-fahamatorana ara-panahy araka ny voasoratra ao amin’ny Filazantsara.
Toetra 1. Ny “fidongiana”
Ny olona midongy dia olona manana toetran-jaza, noho izany tsy manana ny fahamatorana.
Ny Filazantsaran’i Matio 11 : 16-19 no noraisiny, izay milaza ny anatra nataon’i Jesoa ho an’ny jiosy izay nohariNY tamin’ny “ankizy mandinika” tamin’ny nandavany ny mpaminany sy i Kristy.
Ny olona tahaka ireto jiosy ireto dia manana fanoherana anaty (manavaka ny tenany amin’ny hafa) izay aretina mila resena. Izany fanidiny ny tenany izany dia manakana azy tsy ahazo ny soa raisin’ny hafa.
Noho izany, ny fahaizana mifandray amin’ny hafa dia mariky ny fahamatorana.
Ny Kristiana manana io toetra miolonolona irery io (tsy te-hifangaroharo amin’ny hafa) dia mety ho lasa fitaovan’ny devoly ary farany dia ny fo no mety tahaka ny “fasana” araka ny hita nahazo ilay demoniaka ao amin’i Marka 5.
Inona no azo atao ho an’ny olona tahaka ireny ?
Tsy dia fampianarana loatra no ilain’izy ireny fa ny fiverenana amin’ny Fototra : mandray an’i Kristy.
Toetra 2. Ny fitadiavan-daza sy voninahitra
Ao amin’ny Filazantsaran’i Jaona 13: 33 dia ny teny hoe “anaka” no nampiasain’i Jesoa anehoana ny mbola tsy fahamatoran’ny mpianatra rehefa avy nampianatra azy ireo ny fanetren-tena Izy tamin’ny alàlan’ny fanasan-tongotra.
Mbola hita ao amin’i Matio 23 : 10-12 ihany koa izany fampianarana hanetry tena izany.
Inona tokoa moa ny zava-nitranga ? Avy nilaza ny tsy maintsy hiaretany ny Tompo (ao amin’i Jaona 12) nefa toa tsy nanintona ny sain’ny mpianatra loatra izany fanambarana izany fa toa « iza no lehibe ? » no fanontaniana mibahana ao an-tsainy.
Mariky ny tsi-fahamatorana ny fitiavan-tena sy ny fitadiavana laza ary voninahitra eo amin’izao tontolo izao : ny tenany no refiny.
Aretina mila tsaboina izany eo amin’ny sehatry ny Fiangonana.
Toetra 3. Fikomiana, fahadisoam-panantenana
Ao amin’ny Filazantsaran’i Jaona 21 : 5 dia mbola ny teny hoe “Anaka” ihany no nampiasain’ny Tompo, na dia azo lazaina fa efa vita aza ny fanofanana ny mpianatra mba ho matotra.
Ny zava-nisy dia ny fahasimban’ny fifandraisan’i Petera sy Jesoa taorian’ny nandavany Azy in-telo. Lasa samy naka ho azy indray ny mpianatra ary niverina amin’ny asany taloha (mpanarato).
Manaporofo fa toa misy tahotra, fahadisoam-panantenana, fitaintainana, fikomiana eo aminy. Nampahatsiahivin’ny Tompo taminy tamin’ny alàlan’ny nahazoany hazandrano betsaka indray ny efa nataony taminy fahiny.
Rehefa izany dia naveriny tamin’ny alàlan’ny fiombonana amin’ny sakafo ny fifandraisana rava.
Nanontanian’ny Tompo in-telo i Petera raha tia Azy izy na tsia : raha fitiavana “agape” no nanontanian’i Jesoa azy dia novalian’i Petera fitiavana “filia” hatrany izany. Toy ny miteny i Petera hoe : “fitiavana “filia” no ahy fa Ianao no hanome ny “agape””.
Neken’ny Tompo izany fitiavana “filia” ao aminy izany ka nomeny andraikitra i Petera.
Fehiny
Ny fahamatorana dia :
-
ny fahatsapana ny fahatsinontsinona eo anoloan’i Jesoa Kristy
-
ny fiankinana Aminy amin’izay rehetra atao
-
ny fanekena fa fitaovana eo an-tànan’Andriamanitra ny tena eo anoloan’izao tontolo izao.
Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe :
“Ahoana no atao mba ahamatotra bebe kokoa ny Kristiana sy ny Fiangonana ?”
Nizara atrik’asa ny mpizaika nandinika izany fanontaniana izany
Atrik’asa (ateliers) 4 :
Atrik’asa 1. Fianakaviana matotra ara-panahy
Atrik’asa 2. Fiangonana matotra ara-panahy
Atrik’asa 3. Fifandraisan’ny nofo sy ny fahamatorana araka I Korintiana 3 : 2, 3
Atrik’asa 4. Fahamatorana sy ny traikefa araka Hebreo 5 : 12-14
Fahamatorana ara-panahy araka ny Romana 12
Rehefa mandray an’i Kristy ny olona iray dia lasa olona ara-panahy (Romana 8 : 9-11). Voalazan’i Paoly (Romana 12 : 1-2) fa famindram-po sy fahasoavana avy amin’Andriamanitra izany, satria ilay olon-ko azy fahiny no tonga lasa ao amin’i Jesoa Kristy.
Ny olona mahatsapa fa nahazo izany fahasoavana sy famindram-po izany no iresahan’i Paoly.
Ny antsoina hoe Kristiana matotra dia Kristiana :
– mahatsapa ny famindram-pon’Andriamanitra
– velona
Ny zavatra tsy iadian-kevitra dia ny maha-Tompo sy Mpanjaka an’i Jesoa Kristy, izay no antsoina hoe “etat de droit”.
Ny zava-misy anefa na ny “etat de fait” dia tsy izany : ny Kristiana velona dia manao izay ahatonga marina an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpanjaka eo amin’ny fiainany.
Tokony ho hay tsara ny manavaka ireo “etats” roa ireo.
Ny Kristiana tsy mahatsapa izany dia azo antsoina hoe maty na matory.
Ny Kristiana matotra araka Romana 12 : 1-2 dia mazoto manolo-tena, masina, sitrak’Andriamanitra, dia fanompoam-pivavahana …
Marihina fa samihafa ny antsoina hoe fotoam-pivavahana sy ny fanompoam-pivavahana.
Ny fotoam-pivavahana dia “ponctuel” izay mifarana amin’ny fanirahana : mandehana ka manompoa ny Tompo. Ny hevitr’io fanirahana io dia ny hanaovana fanompoam-pivavahana eo amin’ny fiainana an-davan’andro. Izany hoe mandra-maty no hanaovana ny fanompoam-pivavahana (fa tsy “ponctuel” tahaka ny fotoam-pivavahana) : fankalazana sy fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra ny fiainana manontolo.
Fampiharana izany amin’izao tontolo izao : ny Fanahin’Andriamanitra no filamatra arahina (repère) fa tsy izao tontolo izao.
Ny Tenin’Andriamanitra hazavain’ny Fanahy Masina no mitarika ny Kristiana matotra.
Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra !
Recommended Posts
NY FITONDRAN’ANDRIAMANITRA
janvier 03, 2017
FAMPIANARANA
janvier 03, 2017
FANDALINAM-PINOANA
janvier 03, 2017