FARITANY FAFAN

Ny Synôda Lehibe FPMA faha-30 tany Nancy (30, 31 Oktobra sy 1 Novambra 2004) no nanangana ny Synôdam-paritany Afovoany Andrefana sy ny Synôdam-paritany Afovoany Atsinanana taorian’ny fizarana ho roa ny Synôdam-paritany Afovoany teo aloha.

    Tany ampiandohana dia Tafo dimy no mpikambana : Nantes, Paris, Poitiers, Rennes ary Tours. Nanomboka tamin’ny taona 2007 kosa dia niampy ny Fiaraha-mivavaka Athis-Mons izay noraisina ho Tafo FPMA nandritra ny Synôda Lehibe FPMA faha-32 natao tany Montpellier (31 Oktobra, 1 sy 2 Novambra 2008). Manana Sampana iraisana dimy ny Faritany : Sekoly Alahady, Antoko Mpihira,Tanora Kristiana, Fifohazana ary Vehivavy Kristiana.

Ny antom-pisiany

 Sehatra anehoana firaisan-kina sy fanetsiketsehana ary fandrindram-piasàna ny Faritany. Amin’izany dia ny fampandrosoana ny asa fitoriana ny Filazantsara no ataon’ny Faritany Afovoany Andrefana vain-dohan-draharaha.

Tanjona sy Fomba fiasa

“Endrey, tsara sady mahafinaritra raha ny mpirahalahy no miara-monina” Sal. 133 : 1

Tamin’ny Synôdam-paritany voalohany izay nataony tany Angers (9 Desambra 2004) no nifanarahana fa :
a/Tanjona : ny fanaovana fotoam-pivavahana isaky ny Alahady any amin’ny Tafo tsirairay avy eto amin’ny Faritany (mifanaraka rahateo amin’ny Soritr’Asam-Piangonana eto amin’ny FPMA izany)
b/Enti-manana : ny Faritany no miantoka ny lany rehetra amin’ny fivezivezena fanaovana ny asa fitandremana
c/ Fitantanana miodina (fifandaminana tsy ilàna fifidianana) no ampiharina eto amin’ny Faritany
“Mandehana amin’izao herinao izao …” Mpit. 6 : 14a
Tsy mora ny fanatanterahana ireo voalaza eo ambony ireo. Mitaky firaisam-po amam-panahy tanteraka ato amin’ny Faritany. Hatramin’izao dia kitapo iombonana no hanaovana ny asa rehetra. Samy mandray anjara araka izay zakany amin’ny fanatevenana izany kitapo izany avokoa ny tafo tsirairay sy ny Sampana Iraisana.
“Mifalia mandrakariva, Mivavaha ka aza mitsahatra, misaora amin’ny zavatra rehetra, fa izany no sitrapon’Andriamanitra ao amin’ny Kristy Jesoa ho anareo” I Tesal. 5 : 16-18
    Nandalo (ary mbola handalo) fotoan-tsarotra ny Faritany, nefa raha manjaka ny fifankatiavana dia ho maivana ihany izany satria
“Raha Andriamanitra momba antsika, iza no hahatohitra antsika ?” Rom. 8 : 31
Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra !

 Responsables

Cultes dans le mois

 Sections

Région
Centre Ouest

Président : RAMAMONJISOA Andriamanjaka
Pasteure : RAOBINARISON Hanitra

 Pasteure salariée

 Sections communes régionales

  • Sekoly Alahady – Ecole du dimanche
  • Chorale (AMF)
  • Jeunes chrétiens (STK)
  • Réveil (Fifohazana)
  • Femmes chrétiennes (SVK)
 Athis Fanantenana

Président : RAMAMONJISOA Andriamanjaka
Pasteur : RAZAFIMAHATRATRA Marcellin

  • Tous les dimanches
  • Sainte Cène : 2 fois par mois
  • Actions – Exhortations (Réveil)  : 1 fois par mois
  • Sekoly Alahady – Ecole du dimanche
  • Chorale (AMF)
  • Jeunes chrétiens (STK)
  • Musique
  • Réveil (Fifohazana)
  • Femmes chrétiennes (SVK)
 Nantes

Président: RANDRIAMANGA Francis
Pasteure : RATSIMAHAMAIKA Saholy

2ème, 3ème et 4ème dimanches
  • Sekoly Alahady – Ecole du dimanche
  • Chorale (AMF)
  • Jeunes chrétiens(STK)
 Paris

Président: RATIARISON Roland
Pasteur: RASOLONDRAIBE Seth

  • Tous les dimanches
  • Pasteur salarié
  • Sainte Cène : 2 fois par mois
  • Actions – Exhortations (Réveil)  : 1 fois par mois
  • Sekoly Alahady – Ecole du dimanche
  • Chorale (AMF)
  • Jeunes chrétiens (STK)
  • Eclaireurs (Tily)
  • Musique (Zava-maneno)
  • Réveil (Fifohazana)
  • Femmes chrétiennes (SVK)
 Poitiers

Président: RABEFIERANA Lucien
Pasteure: RASEHENOARIMANANA Emilienne

  • Tous les dimanches
  • Sainte Cène : 2 fois par mois
  • Actions – Exhortations (Réveil) : 1 fois par mois
  • Sekoly Alahady – Ecole du dimanche
  • Chorale (AMF)
  • Jeunes chrétiens (STK)
  • Réveil (Fifohazana)
 Rennes

Président: ANDRIANASOLO Etienne
Pasteure: RAOBINARISON Hanitra

  •  1er, 3ème et 4ème dimanches
  • Actions – Exhortations (Réveil) : 1 fois par mois
  • Sekoly Alahady – Ecole du dimanche
  • Chorale (AMF)
  • Femmes chrétiennes (SVK)
 Tours

Président: RAKOTOMALALA Rasoanaivo
Pasteure: RANDRIAMBOLAHARISOA Fara

 2ème et 4ème dimanches
  • Sekoly Alahady – Ecole du dimanche
  • Chorale (AMF)