LASIM-PIANGONANA 2017

Tanteraka soa aman-tsara ny lasim-piangonana faha-18 izay natao tany Exoudun ( 79 ) ny 24 sy 25 Jona 2017 teo . Hisaorana ny Tompo lehibe izany satria lehibe tokoa ny famindrampoNy .

Misaotra an’ireo Mpitandrina nitondra ny fampianarana , dia ny Mpitandrina Hanitra RAOBINARISON sy ny Mpitandrina Emilienne RASEHENOARIMANANA . Ny fampianarana dia niompana tanteraka  ny amin’ny Bokin’i Jona  .

Ny fandaharana tamin’izany dia hitantsika amin’ity rohy ity .

Manantena fa samy nahazo vatsim-pampianarana daholo na ny kely na ny lehibe ho entintsika mamakivaky ny fiainana .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny Voninahitra .