Groupe de réveil - Fifohazana


1. FAMPIDIRANA

  • Ny Sampana Fifohazana dia fivondronan’ny olona resy lahatry ny asam-pifohazana.
  •  Ny Sampana Fifohazana  dia rantsana velona ao amin’ny Fiangonana.
  •  Tsy voatery ho Mpiandry avokoa ny mpikambana ao amin’ny Sampana Fifohazana  kanefa olona ao anatin’ny Fiangonana ihany ireo

 

2.NY ASAM-PIFOHAZANA SY NY MPIANDRY

 Mifamatotra ny Asam-pifohazana sy ny Mpiandry

a/  Ny Asam-pifohazana

 – Asan’ny fiangonana ny Asam-pifohazana ary tanterahina eo anivon’ny fiangonana
  – Baiko nomen’i Jesosy ny mpianany no antom-pisian’ny asam-pifohazana araka ny Marka 16 : 15-18 manao hoe :

« Mandehana any amin’izao tontolo izao hianareo, ka mitoria ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra. Izay mino sy hatao batisa no ho vonjena ; fa izay tsy mety mino no hoheloina. Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino : hamoaka demonia amin’ny anarako izy ; hiteny amin’ny fiteny izay tsy mbola hainy izy; handray menarana izy ; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy , dia tsy hampaninona azy izany ; hametra-tànana amin’ny marary izy, dia ho sitrana ireny »

– Voafaritra ao amin’ny Asam-pifohazana ny :
       . fitoriana ny Filazantsara
       . famahana ireo olona voafatotra
       . fanasitranana ny marary
  – Tsara ho fantatra fa maro fahavalo ny kristiana, izany no isian’ny asa fandroahana demonia ao anatin’ny Asa sy Fampaherezana. Fahavalo telo no asian-teny eto, araka ny fampianarana nentin’ny Mpitandrina Seth Rasolondraibe (Foibe Fifohazana) :
       . ny devoly : ny tanjony dia ny hanimba ny asan’Andriamanitra.
       . izao tontolo izao : ny fisainana ao aminy.
       . ny tena : tsy fananana fiadanam-panahy
b/ Ny Mpiandry :
– Olona nandre ny antson’ny Tompo, nanolo-tena ka nirotsaka ho Mpiandry.
  – Tompon’andraikitra amin’ny fanatanterahana ny asam-pifohazana ao amin’ny fiangonana.
  – Mitory ny Filazantsara no baiko voalohany raisiny.
  – Manatanteraka ny Asa sy Fampaherezana, izay tsy maintsy ialohavanan’ny Tenin’Andriamanitra hatrany. Hita ao ny :
       . fandroahana demonia ho fanafahana ireo olona voagejan’ny asan’ny satana.
       . fametrahan-tànana ho fampaherezana sy ho fanasitranana ny marary.
Marihina fa Jesosy Kristy Tompo no manao sy manatanteraka ireo asa ireo fa ny Mpiandry dia iraka sy fiasana eo am-pelatànany ihany   .
  – Toy ny asam-piangonana rehetra ( Diakona, Mpitandrina…), ny Mpiandry dia :
        . nahazo antso (vocation)
        . niofana (formation)
        . natokana (consécration)

 

d/ Ireo Mpiandry ankehitriny :

  • Mpitandrina Emilienne RASEHENOARIMANANA izay miahy ny Sampana
  • Lydia RAKOTOSON, Filohan’ny Sampana
  • Bodo SOBINSON , Mpitantsoratra
  • Nasolosoa SOBINSON  , Mpitambola

 

TANTARA NITSANGANANY

a/ Daty :
  • 1999 : Niatomboka ny asam-pifohazana
  • 2005 : Nijoro ny Sampana FIFOHAZANA POITIERS tamin’ny fotoana nitandreman’ny Mpitandrina Emma RANDRIANANDRASANA

b/ Ny Mpiandry niasa teto amin’ny Tafo :

  • Neny Mathilde RAMELOARISON ✝
  • Dr RAKOTOVOKATRA Hasina
  • RAKOTOVOKATRA Hanta
  • Vololonandrianina RAKOTONDRAINIBE RABEARISON
  • Mpitandrina RASOANIRINA
  • Claudine LELLIG

NY ASA SAHANINY

  • Alahady faha-4 : Alahadin’ny Sampana ialoavan’ny fotoam-bavaka ( amin’ny 3 ora ka hatramin’ny 3h45 )
  • Mandray anjara ny mpikambana ( vaky Teny – vavaka )
  • Asa sy Fampaherezana aorian’ny fotoam-pivavahana
  • Sabotsy faha-3 : Fandinihana ny Soratra Masina sy fotoam-bavaka
  • Alakamisy folak’andro : fihaonana sy fampianarana ho an’ny mpiandry sy mpiomana
  • Famangiana tokontrano ho an’izay olona maniry Fampaherezana sy Vavaka
  • Jolay : Isan-kerintaonan’ny Sampana Fifohazana manerana ny sahan’ny FPMA ( Besançon )

 

“ … Izay mino Ahy , ny asa ataoko no hataony koa ; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy …” Jaona 14 : 12b


LES MEMBRES DU BUREAU

Lydia RAKOTOSON

Présidente

Nasolosoa SOBINSON

Trésorier

Bodo NASOLOSOA

Secrétaire