L’édito du Pasteur : Pentecôte 2023 et jubilé des 40 ans

Pentekosta 2023 (28 may) – Edito J40

« Fa ankehitriny ny famonjena antsika dia akaiky noho ny tamin’ny
andro vao ninoantsika. »

Romana 13.11

Miarahaba antsika tsirairay avy nahatratra ny Pentekosta 2023. Tsy hadinoina fa anio koa no fankalazana ny taon-jobily faha-40 taonan’ny FPMA Tafo Poitiers.

Eny, nankalaza an’Andriamanitra sy Jesosy Kristy lohan’ ny Fiangonana hatrany isika nanomboka tamin’ ny faha-15 taonan’ny FPMA Poitiers.

Jubilé des 40 ans de la FPMA Poitiers, dîner-concert à Quinçay

Nifandimby niainantsika tamin’ izany ireo loha-hevitra noraisina.

Tao ny faniriana hitory ny asan’ i Jehovah (faha-15 taona : Salamo faha-118.17), ary ny hitazona sy hitoetra lalandava ao amin’ny mazava (faha-20 taona ka hatramin’ny faha-25 taona : Lioka 12.35b ; Jaona 12.36 ; Matio 5.16a).

Jesosy Kristy, Izy no tena mazava, Izay mahazava ny olona rehetra (Jaona 1.9), ary Izy koa ilay fahasoavan’Andriamanitra ho famonjena antsika (faha-35 taona : Titosy 2.11).

Amin’ izao faha-40 taona izao, dia manakaiky ny Famonjena isika, dia ny Fidirana ao amin’ny Fanjakan’ Andriamanitra, izay efa nomanin’ ny Tompo Jesosy ho an’ ny mino Azy.

Efa-polo taona?

Fotoana notoeran’ ny zanak’Isiraely tany an’efitra izany, rehefa tafavoaka ny tany Egypta izy ireo.

Nandritra izany fotoana izany : mana no sakafony, tsy rovitra ny fitafiany, tsy nivonto ny tongony, noho ny famindrampon’ Andriamanitra taminy (Deo.8.2-4).

Moa tsy toy izany koa va no nitondran’ ny Tompo antsika Fiangonana nandritra izay efa-polo taona lasa izay ?
Moa tsy nanjohy antsika hatrany ny fahari-pony sy ny fiantràny?

Eny, ho valin’ izany, dia handeha hanavao amin’ny hafaliana sy zotom-po ny fanompoana Azy isika.

Ny Fanahy Masina, amin’izao andro Pentekosta izao anie hanampy sy hampahery ny tsirairay eo amin’ny fanatanterahana izany.

Voninahitra ho an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina izay hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay.

Amena!

Pasteur Emilienne RASEHENOARIMANANA

Logo FPMA Poitiers

Contact

FPMA Poitiers
5 rue des Ecossais
86000 Poitiers

2023 - © FPMA Poitiers - Tous droits réservés.