L’édito du Pasteur : Noël 2023

Edito Noely 2023

« Efa imbetsaka ary tamin’ ny fomba samihafa no nitenenan’Andriamanitra fahiny tamin’ ny razantsika tamin’ ny alalan’ ireo mpaminany ; fa amin’ izao andro farany izao dia tamin’ ny alalan’ ny zanany no nitenenany tamintsika. Io zanany io notaratra mamirapiratry ny voninahitr’Andriamanitra.»

Hebreo 1.1-3 Diem

Ireo mpaminany tao amin’ ny Fanekena Taloha dia nampitondrain’ Andriamanitra hafatra ho an’ ny razantsika mba hitodihany ka hihavanany Aminy.

Indrisy anefa fa tsy nisy vokatra nahafapo an’ Andriamanitra ny fitondrantenantsika olombelona.

Ny mision’i Jaona Mpanao batisa

Jaona Mpanao batisa, mpaminany farany, dia nanana misiona manokana satria izy ilay iraka voalazan’ ny Mpaminany Malakia sy ilay feo miantso mafy lazain’ ny Mpaminany Isaia hialoha ny Mesia manao hoe :

« Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny làlanao »

Malakia 3.1)

« Injany ! misy feon’ ny miantso mafy any an’efitra hoe : Amboary ny làlan’ i Jehovah Ataovy mahitsy ny làlan-kalehany »

Isaia 40.3

Ny hafatr’i Jaona Mpanao batisa

Ny hafatr’ i Jaona Mpanao batisa, nitory ny batisan’ ny fibebahana ho famelan-keloka dia mazava :

« Mibebaha hianareo fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra »

Matio 3.2

Jesosy Kristy, Izy no tena mazava, Izay mahazava ny olona rehetra (Jaona 1.9), ary Izy koa ilay fahasoavan’Andriamanitra ho famonjena antsika (faha-35 taona : Titosy 2.11).

Moa tsy toy ny endrika fiala-nenina ny nahatongavan’ i Jaona Mpanao batisa hanambara ny Mesia ? Tsia, fa izay indrindra ilay fitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao, nanomezany ny Zanany- lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay » (Jaona 3.16). Tonga tokoa Ilay Mesia, satria « Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, moa efa nilaza va Izy ka tsy hefainy? ». Na efa niteny va Izy, ka tsy hotovony? (Nomery 23.19).

Ny hafatry ny filazantsara

Hoy indrindra ny toritenin’ ny Tompo, rehefa voasambotra Jaona :

« Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan’ Andriamanitra ; mibebaha hianareo ka minoa ny filazan-tsara. »

Marka 1.14-15

Ny filazantsara dia manondro indrindra ilay vaovao mahafaly nolazain’ny anjely tany Betlehema fahiny manao hoe :

« Aoka izay ny tahotra, fa vaovao mahafaly no entiko ho anareo, dia fifaliana lehibe ho an’ ny vahoaka rehetra : Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tànan’ i Davida, dia i Kristy Tompo. »

Lioka 2.10-11, Diem

Koa, andro farany izao hiomanantsika hitsena ny fahatanterahan’ Ilay vaovao mahafaly dia ny Mesia tonga ho Mpamonjy ahy sy ianao.

Aoka tsy ho tara isika handray Azy amin’ ny fo feno fankasitrahana.

Samia koa mandinika ny làlana efa nodiavintsika avy, fa andro farany ihany koa izao hiandrasantsika ny fiverenan’ ilay Mpanjaka tonga hitsara ny olona rehetra araka ny asany avy.

Ny fanontaniana napetraky ny Apostoly Petera mikasika ny hihavian’ ny Tompo indray, dia ny hoe :

« Olona tokony hanao ahoana moa hianareo amin’ny fitondrantena masina sy ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra ?.

2 Petera 3.11

Eo ampandinihina izany fanontaniana izany, dia samia ho tratry ny krismasy 2023.

Manaova koa taom-baovao 2024 eo ambany fahasoavan’ny Tompo.

Ny Mpitandrina mpandrindra

Pasteur Emilienne RASEHENOARIMANANA

Logo FPMA Poitiers

Contact

FPMA Poitiers
5 rue des Ecossais
86000 Poitiers

2023 - © FPMA Poitiers - Tous droits réservés.